Futureplaces: Mampiantrano ny laboratoaran'olompirenena misahana ny media i Porto
Hivadika ho hetsika midoroboka sy mahavokatra maro dia maro ao amin'ny futureplaces (toeran'ny hoavy), hetsika manova ny tanànan'i Porto ho “laboratoaran'olom-pirenena amin'ny media” isaky ny fotoanan'ny mihintsan-dravina, ny fotoan-dehibe hananganana tetezana ifandraisan'ireo kolontsaina, fiarahamonina, teknolojia, ary ireo fikarohana siantifika ao Portiogaly.
Amin'izao andiany faha-8 izao, mijanona eo amin'ny “firesahana fahavitrihana eo amin'ny mediam-baovao sy ny rafitra sosialy sy kolontsaina” amin'ny alalan'ny “atrikasa, tetikasa, resadresaka, hetsika famoronana zava-baovao sy fakan-kevitra maro dia maro” ny fanamby, hoy ny futureplaces.org.
Ny fetiben'ny media nomerika izay niova ho “medialab” tamin'ny taona 2013 dia nokarakarain'ny Oniversiten'i Porto tamin'ny fiarahamiasa amin'ny Oniversiten'i Texas tao Austin nanomboka tamin'ny 2008.
Ny fandaharam-potoana amin'ity taona ity izay nanomboka tamin'ny 20 ka hatramin'ny 24 Oktobra, dia ahitana fikaonan-dohan'ireo efa manana doktorà avy amin'ny anjerimanontolo amin'ny resaka media nomerika, sy ireo resaka ifanaovana amin'ny mpiara-manorina sady MIT Center for Future Civic Media, Chris Csikszentmihályi, sy Paul Stacey, avy amin'ny Creative Commons , izay hanakatona ny fotoana amin'ny alalan'ny lanonam-pamaranana mitondra ny lohateny hoe “Global Citizens in a Global Commons“.
Misy “atrikasan'olona siantifika” ataon'ilay mpikaroka sady mpitendry mozika/mpihira Anabela Duarte (Mler Ife Dada teo aloha), hataon'ny Vox Express izay isian'ny rindrankira izay vita amin'ny fanazavan'ny mpampianatra akademika sy amin'ny boky famaranana fanohanan-kevitra PhD ny tononkira mivoaka ao.
Jono Podomore, Britanika mpamokatra, mpamoron-kira, mpihira sady mpampianatra mozika, izay efa tany anivon'ny miafinkafina (underground) tany amin'ny taona hatramin'ny 1980s tany ho any no hilalao ny Theremin, iray amin'ireo fitaovana elektronika voalohany manontolo hatramin'izay, nivoaka voalohany tamin'ny 1928 ary fehezina tsy misy fifampikasohana amin'ilay mpanakanto.
Hisongadina amin'ny lanonana ihany koa ny fametrahan'ilay artista portiogey malaza MAISMENOS ±TAKIO NY AMPITSO± Laboratoara “Hack a Farm” [mandahatra asa ao amin'ny toby fambolena sy fiompiana] ao anatina zaridainan-tsakafo, lalao video, ary ny fanokafana fampirantiana fiainam-poko an-tanandehibe sy arisivam-pandraisana anjara an-tserasera Porto Pelo Porto (Porto avy amin'i Porto), izay mandrakitra ireo fanehoana ara-tantara ny anaran'ny tanàna.
Ity andiany faha-8 ity ihany koa no hanamarihana ny fanokafana arisiva media maro rantsana izay nandraketana ireo hetsika natao nandritra ny valo taona, sy ny fanombohan'ny futureplaces audiolab [laboratoaram-pihainoana futureplaces] “fantsona notsongaina ho amin'ny lasa ankehitriny ary hoavin'ny futureplaces.”

futureplaces.org | @futureplacespt | #futureplaces2015
Fidiovam-pahatsiarovana sy fivelaram-pahafahana
Nanoratra tamin'ny boky andrana tamin'ny herintaona (“Dissolution as Reinvention”Famafàna ho amin'ny famoronana indray) ny mpifantina sady talen'ny Programa PhD eo amin'ny Haibika (Fanomezana Endrika na Design), Heitor Alvelos, izay manana fijery manandanja eo amin'ny media sy ny olompirenena fa “raha mila elanelanina ny fisiana rehetra, dia tsy misy fiainana mivaingana azo tanterahina.”
Iray amin'ny sompitra fivelarana aorian'ny vanim-potoana nomerika ny Futureplaces. Tao amin'ny antsafa manokana nifanaovany tamin'ny Global Voices tamin'ny 2013, ilay endrika fantatra amin'ity hetsika ity, Antifluffy, no nampitandrina fa “afa-mahatakatra zavatra betsaka kokoa noho izay atolotry ny fampitam-baovao azy ireo ny olona,” ary hatramin'ny nitsirian'ny hevitra, iray amin'ny tarigetran'ny futureplaces ny handraisan'ny olompirenena ho eo an-tanany ny media.
Ny Olompirenena sy ny media: fanolorantena mahavokatra
Horesahan'i Chris Csikszentmihályi, izay vao voatendry ho Filohan'ny Fikarohana faritra Eoropeana misahana ny Fifamaliana Asa eo amin'ny Olona sy ny Solosaina ary Mpanavao Fanomezana Endrika sy Haibika ao amin'ny Madeira Interactive Technologies Institute (M-ITI na Ivontoeran'ny Teknolojia Ifamaliana Asa ao Madeira), amin'ny fotoam-panokafana amin'ny fomba ofisialy ireo endrika farimbonasa vaovao hamitana ireo fitaovana ara-kolontsainay. Nanomboka tamin'ny tetikasa Rootio, sehatra sôsiôteknika iray mampiharoharo ny vondrom-piarahamonina, ny telefônia, ny fananganana tambajotra ary ny radiô hananganana endrika fampitam-baovaom-piarahamonina ity manampahaizana amin'ny teknolojia, mpandala ny maha olona, mpahay fandravahana ary artista ity.
Ao anatin'ny fanahy mampisy ny futureplaces ny fiarahana ao anatin'ny fanandramana ara-mozika, ny fampitam-baovao eny ifotony. Ho ao ny radiom-piarahamonina Manobras Futuras ary, hisy indray amin'ity taona ity, ireo andian'antsafa ifanaovana amin'ny mpikaroka ary ho entin'ny mpianatra manana PhD hanakaiky kokoa ny siansa ny olompirenena amin'ny alalan'ny Radio Science, programa hamadihan'ireo mpampianatra oniversite ho sahaza ny olompirenena ireo tetikasam-pikarohana isan-karazany.
Asaina ihany koa ny mpanatrika handray anjara amin'izay mety ho “tati-baovao” tsy mahazatra amin'izao vaninandro izao: manome fampahafantarana ny futureplaces tsy misy saripika, tsy misy lahatsary ary tsy misy rakipeo. Lasa iainana ao amin'ny endrika vaon'ny fampitam-baovao taloha ao amin'ny futureplaces ny Sketchbook diaries [boky diarin'ny sombin'hatsikana] ahitana fandravahana, sorisoritra an-tsary, peta-tsary ary teny voasoratra.
Laboratoaran'Olompirenena: izay iangonan'ny manampahaizana sy ny olompirenena

Vakivakin-dahatsary avy amin'ny laboratoaran'olompirenena momba ny fitantarana avy ao amin'ny foiben-tantaran'i Porto – “Mozean'ny Takalon'ny Haza” nanaovana antsafa ho amin'ny Rising Voices 2013.
Misy ihany koa ny tanjaky ny Laboratoaran'Olompirenena omen'ny artista sy ny mpanao fikarohana, izay ny anjara asany dia ny manome fikafika sasantsasany amin'ireo zavatra an'arivony mifandraika amin'ny fampitam-baovao mila resahina, toy ny Rakitenin'ny Ampitso, Amboaran-tSary, Fomba fanaon'ny tafiditra tambajotra na Fanavotana ny Lovantsofina, natokana hanaovana fanadihadiana fohy ny fanatontosana an-tsarimihetsika ny tantaran'ny manodidina an'i Porto.
Ny vokatra avy any amin'ny laboratoara rehetra dia hozaraina amin'ny andro farany amin'ny fetibe, ao amin'ny Ny Akademian'ny Olompirenena, folakandro iray fampianarana ny fananganana ara-tsosialy sy ara-kolontsaina velomin'ny futureplaces. Tsy zary fialamboly fotsiny, averimberin'ny futureplaces ny leson'ny endrika vaovaon'ny fiainana andavanandro, mikendry ny hanome ireo dingana voalohany hizorana mankany amin'ny lalana lavalava kokoa izay ny ampitso ihany no afaka mamoaka ny vokatra azo avy aminy.
Topimaso sasantsasany amin'ny hetsika ataony ihany ireo. Ny programa iray manontolo dia azo jerena ao amin'ny futureplaces.org. Maimaimpoana avokoa ny hetsika rehetra.
Sokajy

Tantaran'ny Eoropa Andrefana farany
-
4 herinandro izayAngletera
Noely COVID : Tena tsy nisy toa azy tokoa va re?
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Janoary 2021 40 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...