Namono Olona Dimy Tao Amin'ny Moske Shiita Ao Arabia Saodita Ny Lehilahy Mitam-piadian'ny ISIS

ISIS member Shuja Al Dosari has been named as the gunman who killed five people at a Shia community centre in Saihat, in the Eastern province of Saudi Arabia, last night. He was killed in a shootout with police later on. Photo source: @zaidbenjamin on Twitter

Notondroina ho ilay lehilahy mitam-piadiana namono olona dimy tao amin'ny foibe vondrom-piarahamonina Shiita tao Saihat, tao amin'ny faritany Atsinanan'i Arabia Saodita ilay mpikambana ao amin'ny ISIS, Shuja Al Dosari. Maty nandritra ny fitifirana tamin'ny polisy izy avy eo. Sary: @zaidbenjamin tao amin'ny Twitter

Nanafika moske tao Saihat, ao amin'ny faritany atsinanan'i Arabia Saodita tamin'ny alin'ny Zoma 16 Oktobra ny lehilahy mitam-piadiana ISIS, nahafaty olona dimy sy nandratra olona sivy izy alohan'ny nahafatesany voatifitry ny polisy.

Nitranga tao Hussainiya ny fanafihana, izay nisy ireo mpivavaka nanatontosa fombafomba noho ny fotoanan'ny Ashoura, manamarika ny fahafatesan'ilay maritiora Imam Ali Bin Hussein, zafikelin'ny mpaminany Mohammed tamin'ny ady tao Karbala tamin'ny taona 680.

Tamin'ny fanambarana nivoaka tao amin'ny Twitter ny alimben'ny zoma, nilaza fa tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana ny sampana ISIS vaovao, miantso ny tenany hoe Faritanin ‘i Bahrain . Voalohany no nanambara ampahibemaso ity sampana ity.

“Amin'ny fankatoavan'Andriamanitra Tsitoha, horaisin'Andriamanitra anie ny miaramilan'ny kalifa Shuja al-Dosari, ary hametraka ny Kalashnikov-ny eo amin'ny tempolin'ny mpivadi-pinoana mivavaka amin'Andriamanitra maro”, hoy ny dika-tenin'ny fanambarana navoakan'ny Reuters.

Nozaraina haingana tao amin'ny aterineto ny dika mitovy amin'ny fanambarana , tahaka ity avy amin'ny mpanohana ny ISIS ity, izay faly tamin'ny fanafihana:

Miaramilan'ny Kalifa nampiditra ny tenany tao amin'ny tempolin'ny mpivadi-pinoana mivavaka amin'Andriamanitra marobe

Caliphate soldier embedded himself in a temple for apostate polytheists!

Nizara vaovao sy sarin’ilay mpanafika ihany koa ireo mpisera Twitter (Fampitandremana: sary mampihoron-koditra) :

Loharanom-baovao avy amin'ny fahitalavitra Al Ekhbariya: Fantatra fa marary saina ilay lehilahy nitifitra basy tao Saihat Hussainiya, ary tao anatin'ny faha-20 taonany mahery izy.

Nisambotra olona roa ahiahiana tamin'ny toe-javatra ny mpitandro filaminana Saodiana, hoy ny tatitry ny Al-Arabiya teny anglisy.

Olona iray nanatri-maso ny zava-nitranga, izay tsy te-hitonona anarana nilaza tamin'ny Global Voices izay zavatra hitany :

عند توجهي الى الحسينية الحيدرية مررنا بكوادر التفتيش كالمعتاد وكانت نقطتين وكانت الامور مطمئنة وفي يقظة وجدية من الشباب وكانت الساعة تقريباً السابعة مساء وبعد الدخول الى الساحة الخارجية من الحسنية من الخلف وكنت واقف عند احد المضائف اشرب ماء
سمعنا اطلاقات متكررة والناس تنسحب للخلف الى بين البيوت … بعدها هدأ الوضع كم دقيقة والكل مابين مصدق وشاك في الموضوع ونحن كنا في الشارع الخلفي المقابل لبيت المتواجدات فيه النساء وتم معاودة الضرب العشوائي ورأيت الرصاص بعيني وتخبأنا مرة اخرى بين السيارات وانسحبنا الى داخل حي الكوثر بين البيوت

Raha nandeha tany Al-Haydria Hussainiya aho, nandalo toeram-pisavana roa tamin'ny 7 ora hariva. Nisosa tsara ny zava-drehetra. Rehefa niditra tao amin'ny Hussainiya taty amin'ny varavarana aoriana izahay, niandry tao ivelany sady nisotro rano aho, ary nandre tifitifitra miverimberina aho avy eo. Nanomboka niala ny toerana ny olona taorian'ny fanafihana. Tony nandritra ny minitra vitsy ny toe-raharaha taorian'ny fanafihana ary taitra ny olona toa sady tsy mino no mino izay zavatra niseho. Teo akaikin'ny trano nisy vehivavy nitangorona aho, ary nanomboka indray ny fanafihana. Nahita bala aho ary niafina tao anelanelan'ny fiara izahay. Rehefa afaka izany,  niverina tao amin'ny trano ao amin'ny faritra manodidina an'i Kawthar izahay.

Nizara lahatsary tao amin'ny Twitter taorian'ny fitifirana i Qatif Direct:

Lahatsary: Zava-nitranga tamin'ny fitifirana tao amin'ny Moske Alhamza, ao Saihat

Nilaza i Mohammed Alqattan fa voatifitra tamin'ny fanafihana ny rahalahiny, Khalid. Nizara sarin’ olona tao amin'ny fandrianan'ny hopitaly tsaboina noho ny ratra teo amin'ny ranjo izy :

Naratra nandritra ny fitifirana nataon'ilay lehilahy mitam-piadian'ny ISIS ny rahalahiko Khalid

Nizara ny tantaran'izy ireo tao amin'ny Twitter ny havan'ireo namoy ny ainy tamin'ny fanafihana mba ho fahatsiarovana ireo niharam-boina. Nizara ny sarin'ny rahalahiny taorian'ny nahafatesany i Mohammed Shaker Busaleh. Nilaza ny rain'i Abdulsattar Abusaleh Busaleh fa feno haja amam-boninahitra izy natao martiora tao amin'ity lahatsary Twitter ity ny zanany lahy :

Nisisika nilaza kosa i Mohammed Al-Mahfoodh,  manam-pahaizana silamo fa ny kabary tsara lahatra ara-pivavahana no tena mpamono olona tao Saihat:

Tsy izay nitifitra no tena mpamono olona tao Saihat, fa izay nitarika ny fisamahana ara-pivavahana sy mampihatra izany.

Mpanoratra Saodiana liberaly  Turki al-Hamad niantso ny handinihana indray ny fomba fiteny ampahibemaso  momba ny raharaha :

Tsy olana madinika intsony ny fampihorohoroana ao Arabia Saodita; fa resaka aina na fahafatesana. Tsy mandeha amin'ny ampahan'ny vahaolana ny fiainan'ny fiarahamonina sy ny fanjakana. Tokony hodinihana feno ny lahatenintsika rehetra.

Mpitondra fivavahana Saodiana, Sayyed Hassan Al-Nemer kosa niantso ny olona hamonjy moske sy hussainiya mba handefa hafatra ho an'ny ISIS:

Mandrisika ny mpino rehetra izahay mba hanamafy ny fahatongavan'izy ireo ao amin'ny moske sy Hussainiyas. Izany no tena valinteny sahaza ho an'ireo mpampihorohoro kanosa.

Nilaza i Fahad Al-Deghaither, mpanoratra ao amin'ny gazety Al Hayat mpivoaka isa-kerinandro, fa nampiray ny fiarahamonina ny fiantraikan'ny hetsiky ny ISIS:

Na dia eo aza ny faharatsian'ny asa vitan'i Daesh sy ny tsy fahamendrehan'izy ireo,mbamin'ny heloka bevava rehetra vitan'izy ireo, hampitombo sy hanamafy ny firaisam-pirenena ao amin'ny Fanjakana izany..

Nanontany i Emtithal Abualsaud hoe rahoviana ny herin'ny lalàna no tokony ampiharina amin'ny fisamahana ara-pivavahana:

Rahoviana ity [Mohammad Al-Barrak] sy ny ankafiziny ity no mijanona ho tsimatimanota ?! Mbola tsy ampy ve ny olona 40 novonoiny noho ny sektarisma hatramin'izao ?!

Nizara pikantsary tamin'ny sioka avy amin'ny mpitondra fivavahana Saodiana Mohammed Al Barrak i Abualsaud, izay mivaky toy izao:

Shiites are a minority in our country who differ with us in religion and its principles. Their practice of their religious rituals is an attack on Islam and its great personalities. They should be prevented from practicing their rituals.

Vitsy an'isa ny Shiita eto amin'ny firenentsika izay tsy mitovy amintsika amin'ny fivavahana sy ny fitsipikany. Midika ho fanafihana ny islamo sy ireo olo-malazany mahafinaritra ny fampiharana ny fombafomba ara-pivavahan'izy ireo. Tokony hosakanana tsy hanao ny fombafombany izy ireo.

Araka ny filazan'ilay mpikatroka ny zon'olombelona, Waleed Sulais, 40 ny isan'ny Shiita novonoin'ny ISIS tao Arabia Saodita hatramin'ny herintaona.

Tafakatra 40 ny isan'ireo maritioran'ny sektarisma. Valo tao Al Dalalwa; 23 tao Al Qudaih; efatra tao Al Anoud ary dimy tao Saihat.

Ity no fanafihana fahefatra mikendry ireo mpikambana Shiita ao amin'ny faritra. Tamin'ny herintaona, tamin'ny Novambra, olona valo no maty tao amin'ny faritany atsinanan'i Al Ahsa, raha nanafika foiben'ny vondrom-piarahamonina Shiita, ao Al Dalalwa ny lehilahy mitam-piadiana. Nilaza fa tompon'andraikitra tamin'ireo fanafihana roa manaraka ny sampan'ny Al-Qaïda, ISIS, ny iray tao amin'ny Faritany Atsinanana, tao Qatif, ao Qudaih, namono mpivavaka 23 ary ny faharoa tao Al Anoud, ao Dammam, izay nahafaty olona efatra. Nilaza fa tompon'andraikitra tamin'ny fanapoahana baomba tao amin'ny moske Shiita ao Koety tamin'ny volana Jiona 2015, izay nahafatesana olona 27 ihany koa ny ISIS.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.