Tantara tamin'ny 21 Oktobra 2015
Ataovy Veloma Ny Firindran'ny Tontolo Iainana Ao Amin'ilay Farihy Ela Indrindra Any Eoropa?
Loza mitatao ho an'ny fisian'ireo karazan-javaboahary maherin'ny zato tsy fahita firy sy an-dalam-pahataperana, manohintohina tanteraka ny firindran'ny zavaboahary ao amin'ilay farihy ela indrindra any Eoropa ireo drafitra fanomboarana vaovao ao amin'ny Valan-javaboahary Nasionaly Galichica any Makedonia.
Namono Olona Dimy Tao Amin'ny Moske Shiita Ao Arabia Saodita Ny Lehilahy Mitam-piadian'ny ISIS
Nanafika moske tao Saihat, ao amin'ny faritany atsinanan'i Arabia Saodita tamin'ny alin'ny Zoma 16 Oktobra ny lehilahy mitam-piadiana ISIS, nahafaty olona dimy sy nandratra olona sivy izy alohan'ny nahafatesany voatifitry ny polisy.
Mety ho tsy fantatrao —raha miteny espaniola ianao dia mety miteny arabo sasantsasany ihany koa
Miteny Espaniola sy Anglisy i Joy Diaz. Raha nihaona tamin'ny mpampianatra teny Arabo ny zanany vavy izy, tsapany fa mahay teny Arabo marobe ihany koa izy.
Meksikana 3 Tsy Manaiky Hangina Noho Ny Tsy Rariny
Mopera Solalinde, poety Javier Sicilia, ary ny fianakavian'ireo 43 mpianatra nanjavona tao Ayotzinapa, samy manandratra ny feony manohitra ny olan'ny herisetra sy ny tsimatimanota ao amin'ny firenena.