Tetikasan-Kira Manokana Ny Vokatra Farany Ho An'ny 43 Avy Amin'ny #Ayotzinapa Ao Meksika … Azo Trohana Maimaimpoana!

Claudia Novelo | Fotografía

Fiaraha-mientana Santiaguero ao Meksika, vondrona mahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices 2014 ara-bola, manokana ny sangan'asan'izy ireo farany indrindra ho an'ireo 43 avy ao Ayotzinapa. Sary: Claudia Novelo

Tetikasan-kira avy amin'ny Saikinosin'i Yucatán ao atsimon'i Meksika ny Jam Gorila. Nanokana ny sangan'izy ireo farany indrindra ho an'ny “43 avy amin'ny #Ayotzinapa” (ireo lehilahy mpianatra 43 tsy hita tao Iguala, Meksika , rehefa nandeha hamonjy fihetsiketsehana tao amin'ny fihaonambe ara-politika ary nifanehatra tamin'ny polisy tamin'ny 26 Septambra  2014).

Ny zavatra ataony ankehitriny dia ao anatin'ny “Mozika Malalaka Ny atsimon'ny Atsimo,” tetikasa ara-kolontsaina ifarimbonana mifototra amin'ny mozika manakiana ny Meksika amin'izao fotoana izao sy miantso ho amin'ny fiovàna ihany koa. Tarihin'ny Fiaraha-mientana Santiaguero ao Meksika, vondrona iray anisan'ny mahazo vatsy madinika avy amin'ny Rising Voices, tetikasan'ny Global Voices Online ny #ElSurdelSur (Ny Atsimon'ny Atsimo) . Kendren'ny Rising Voices ny  hanitarana ny tombontsoa sy ny hanatratra ny fampitam-baovaon'olontsotra amin'ny alalan'ny fampifandraisana ireo mpikatroka media antserasera manerantany sy ny fanohanana ny hevitra tsara indrindra avy amin'izy ireo.

Avy ao an-tanànan'i Mérida, Meksika, izay nivondrona tamin'ny alalan'ny fitiavan'izy ireo iombonana ny mozika ny Fiaraha-mientana Santiaguero saingy tsy amin'ny mozika rehetra. Ny mampiavaka ity fiaraha-mientana ity dia ny fifantohan'izy ireo amin'ny mozika manana ny lisansa Creative Commons izay mitaratra ny olana ara-tsosialy amin'izao fotoana izao ao amin'ny faritra sy ny firenena. Nasaina manambatambatra sy mampifanaraka feon-java-maneno notontosaina tamin'ny alalan'ny fiaraha-miasa, indrindra amin'ny fiteny teratany Mayana ireo mpanakanto ao an-toerana.

Azo trohana maimaim-poana avokoa ny vokatr'izy ireo—vonona hankafy sy hizara izany ve ianao? Ity misy azo andraman-tsiro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.