Noho ny taona maro nisian'ny fandripahana ala sy noho ny fisian'ny oram-baventy faramparany teo, dia nisy fihotsahan'ny tany tao El Cambray Dos (tanàna tokony ho dimy kilaometatra miala an'i Guatemala City) tamin'ny 1 Oktobra. Herinandro taorian'izany, nihoatra ny 200 ny olona maty, 300 no nanjavona ary 230 no nafindra toerana. Ampolony ihany koa no naratra vokatry ny fihotsahan'ny fotaka ary maromaro ny fananana potika.
Araka ny BBC, efa nampitandremina mialoha amin'ny mety isian'ny fihotsahan'ny tany eo amin'io faritra io ny mponina ao an-toerana. Naharitra sy mavesabesatra ny orana tamin'ity vanim-potoana ity ary efa nampanahy ny faritra ahitana olona efa ho atsasaky ny tapitrisa. Nanova ny fandaharam-potoana ho an'ny fihotsahan'ny tany efa niomanana (fantatra mialoha), izay tonga aloha kokoa tsy araka ny niheverana azy ny toetr'andro ratsy tanteraka.
Nandray fepetra maro hanampiana ireo niharam-boina ny Vokovoko Mena Goatemalteka.
¡#CruzRojaGt agradece tu apoyo! pic.twitter.com/F72qQmCVS5
— CruzRojaGuatemalteca (@CRGuatemalteca) October 6, 2015
Misaotra amin'ny fanohananao!
Maneho fisaorana ireo Goatemalteka malala-tanana rehetra nametraka ny fitokisan'izy ireo taminay amin'ny fitsinjarana ireo fanomezana voaray ao amin'ny foibe fanangonana izany. Na dia mbola tsy naharay vatsy aza izahay, mbola mila ny fanampiantsika hanampy azy ireo ara-bola ireo rahalahitsika ao El Cambray Dos :
Ny kaonty azonao hanomezana ny vola:
Acc No: 171578032 Banco Reformador
Acc No: 3033699352 Banrural Bank
Amin'ny anaran'ny Famatsiam-bola Vonjimaika ho an'ny Vokovoko Mena Goatemalteka
Azo alefa amin'ny alalan'ny tranokalanay ihany koa ny fanomezana: www.cruzroja.gt
Afaka mangataka taratasy fanamarinana (rosia) ny fanomezana natolotrao ianao.