Mpikatroka ao Myanmar Migadra 5 Taona An-tranomaizina Noho Ny Famazivaziana Ao Amin'ny Facebook Ny Fanamian'ny Tafika

An image posted to Chaw Sandi Tun’s Facebook page has caused controversy. (Photo: Chaw Sandi Tun / Facebook)

Sary tao amin'ny pejy Facebookn'i Chaw Sandi Tun niteraka resabe. (Sary: Chaw Sandi Tun / Facebook)

Avy amin'ny Irrawaddy, tranokalam-baovao tsy miankina ao Myanmar ity lahatsoratra nosoratan'i Salai Thant Zin ity ary navoaka eto amin'ny Global Voices indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Niatrika fitsarana ny tovovavy iray rehefa nizara sary mamazivazy tao amin'ny media sosialy izay raisina fa manevateva ny tafiky ny firenena.

Niditra Facebook i Chaw Sandi Tun, dimy amby roapolo taona, fantatra koa amin'ny anarana hoe Chit Thami mba hizara sary nomerika namboarina misy an'i Aung San Suu Kyi mitafy htamein maintso nentim-paharazana, miaraka amin'ny Lehiben'ny Komandàn'ny miaramila Snr-Gen Min Aung Hlaing sy mpiasa miaramila hafa mitafy fanamiana vaovao nasia-panovana izay mitovy volo ny loko maitso.

Mampitaha ny fanamiana vaovaon'ny miaramila amin'ny fiakanjon'ny lehiben'ny mpanohitra malaza, izay mitantana ny Antoko Ligy ho an'ny Demaokrasia Nasionaly (NLD) ary efa nogadrain'ny fitondrana miaramila teo aloha tamin'ny trano ambenana efa ho roapolo taona ilay sary.

Izao ny vakin'ny soratra ao amin'ny sary :

A screencap of Chit Thami's Facebook page

Pikantsarin'ny pejy Facebookn'i Chit Thami

[They] like the color of the longyi of Aunti Suu [Aung San Suu Kyi], so they had it tailored and are now wearing it.

Tian’ [izy ireo] ny lokon'ny longyi an'i Aunti Suu [Aung San Suu Kyi], ka nanjaitra izany izy ireo ary nitafy azy ankehitriny

Niteraka fahatezerana teo amin'ny fiarahamonina mandala ny nentim-paharazana (konservativa) ao Myanmar ny sary, izay raisina ho fanevatevana fa mitafy htamein, fitafiam-behivavy amin'ny sarong  Birmanina nentim-paharazana fantatra amin'ny anarana hoe longyi hoan'ny lehilahy.

Nametraka fitoriana an'i Chaw Sandi Tun tamin'ny 12 Oktobra avy amin'ny Fehezan-dalàna 34d amin'ny Lalànan'ny Fifanakalozana Elektronika ao Burma ny ekipan'ny komandy jeneralin'ny tafika ao Myanmar iray, ny Lietnà Kolonely Kyaw Htin ao amin'ny Komandy Atsimo Atsinanana ao Pathein. Mandràra ny fanimbana endrika ny fampahafantarana nomerika izay mety hampigadra hatramin'ny dimy taona any am-ponja, ny fomba manala baraka “fikambanana na olona” tahaka izao.

Taorian'ny fisamborana azy tamin'ny 12 Oktobra tao amin'ny foibem-pandinihantena ao Yangon, nentina tany amin'ny tobin'ny polisy i Chaw Sandi Tun ary notanana tao. Nentina teo anatrehan'ny fitsarana izy ny ampitso mitataovovonana ary amin'ny 27 Oktobra indray ny fotoam-pitsarana manaraka araka ny filazan'ny mpikambana iray ao amin'ny sendikan'ny mpianatra ao an-toerana izay manaraka akaiky ny raharaha momba azy.

Mpikambana teo aloha tao amin'ny Sendikan'ny Mpianatra ao amin'ny Distrikan'i Maubinn i Chaw Sandi Tun, izay nahazo diplaoma Bachelor  teknolojia ary nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehan'ny mpianatra manohitra ny Lalànan'ny Fampianarana tamin'ny fiandohan'ity taona ity tao amin'ny Fizaram-paritra Irrawaddy. Niala tao amin'ny sendikan'ny mpianatra izy nanomboka teo ary nanatevin-daharana ny antoko ao an-toerana NLD, ary miasa amin'ny fampielezan-kevi-pifidianan'ny antoko amin'izao fotoana izao.

Nilaza tamin'ny Irrawaddy ny lehiben'ny tafika ao Maubin, Lietnà Thein Aung, tamin'ny Talata fa tsy afaka maneho hevitra izy na manome fanazava fanampiny momba ny raharaha satria “tsy nahazo alalana”.

Chaw Sandi Tun farafahakeliny no olona faharoa nosamborina tamin'ity taona ity noho ny fizarana votoaty mamazivazy ao amin'ny aterineto ary raisin'ny miaramila fa manakiana. Tamin'ny volana Febroary, nosamborin'ny polisy i Aung Nay Myo, mpaka sary mahaleotena ao Monywa, rehefa nandefa sary mamazivazy tao amin'ny pejy Facebook-ny izay voalaza fa namazivazy ny manampahefana ao Myanmar. Navotsotra izy rehefa natao famotorana nandritra ny telo andro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.