Tantara tamin'ny 20 Oktobra 2015
Ry Andriambavilanitra, Afaka Manao ny Silipon-dehilahy ho Lasa Atao Fitafiam-Behivavy Ianao ho Fitsitsiana. Jereo Ity Fandaharana Amin'ny Fahitalavitra Ity

Nitontongana tao anatin'ny fotoan-tsarotra ny toekarena Rosiana. Mora vidy ny solitany, nandaniana volabe (iza no mahalala hoe ohatrinona) ny firotsahan'ny miaramilan'i Moskoa ao Okraina ary ao Syria ankehitriny, ary amporisihana ny vehivavy mba hanao ny silipon-dehilahy ho lasa akanjo ambonim-behivavy.
Namono Olona Maherin'ny 200 Ny Fihotsahan'ny Tany Tao Goatemala. Afaka Manampy Ireo Niharamboina Ianao
Nandray fepetra maro hanampiana ireo niharam-boina tamin'ny fihotsahan'ny tany tao an-tanànan'i El Cambray Dos izay namoizana ain'olona maherin'ny 200 ny Vokovoko Mena Goatemalana.
Tetikasan-Kira Manokana Ny Vokatra Farany Ho An'ny 43 Avy Amin'ny #Ayotzinapa Ao Meksika … Azo Trohana Maimaimpoana!
Ny mampiavaka ny tarika Santiaguero dia ny fifantohan'izy ireo amin'ny mozika ambany lisansa Creative Commons izay mitaratra ny olana ara-tsosialy amin'izao fotoana izao ao amin'ny faritra sy ny firenena. Natokana ho an'ireo mpianatra Ayotzinapa nanjavona ny sangan'asan'izy ireo farany.
Mpikatroka ao Myanmar Migadra 5 Taona An-tranomaizina Noho Ny Famazivaziana Ao Amin'ny Facebook Ny Fanamian'ny Tafika

Nampitaha ny fanamiana vaovaon'ny tafika amin'ny fitafy nentim-paharazana fanaon'ny lehiben'ny mpanohitra sady mendrika tamin'ny Nobel Aung San Suu Kyi ny lahatsoratra Facebook.
Niaraka Niresaka Momba Ny Lasa Sy Ny Ankehitriny Tao Amin'ny Twitter i Amerika Latina sy Espaina Nandritra Ny Andron'i Christophe Colombe
"Tamin'ny 1492, voaraoka tao amin'ny taniny ny vazimba teratany. Tamin'ny 2015, mitovy amin'izany ihany. Mbola maro ny zavatra tokony atao."