- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona Ny #Aldub Ary Ahoana No Ironana Be Ao Amin'ny Twitter Isanandro?

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Mediam-bahoaka, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina
Alden Richards and Maine “Yaya Dub” Mendoza. The tandem is known as Aldub. Photo from the Facebook page of Eat Bulaga [1]

Alden Richards sy Maine “Yaya Dub” Mendoza. Ireo Filipiana roa miara-msehatra fantatra amin'ny hoe Aldub. Sary avy amin'ny pejy Facebook Eat Bulaga

Ny Aldub dia mitondra antsika ho amin'ireo Filipiana kintan'ny fahitalavitra,  Alden Richards sy Maine “Yaya Dub” Mendoza, izay niaka-daza tamin'ny nilalaovany mivantana ny ampahan-tantara iray mampitaintaina nandritra ilay fandaharana lava indrindra fandefa rehefa mitatao vovonana ao Filipina, “Eat Bulaga [2]“. Vetivety ilay tantaram-pitiavana lalaovin'ireo mpisehatra roa ireto dia nahasarika [3] mpijery marobe tao amin”ny fahitalavitra sy tao amin'ny Aterineto [4].

Tsotra kely ny tsiambaratelon'ilay fampisehoana : tanora roa mpifankatia misedra ny sakantsakana marobe sy ireo fanamby mba handresena lahatra ireo zokiolona ao amin'ny fianakavian'izy ireo hoe tokana an-tany ny fifankatiavan'izy roa. Zara raha mihaona ry zareo, ary amin'ny alàlan'ny fàfan'ny fahitalavitra ihany vao mifanerasera.

Tao anatin'ny telo volana farany dia lasa fironana niely be manerantany tao anatin'ny Twitter ny tenifototra #Aldub. Nanomboka ny Aogositra, efa ho iray tapitrisa isanandro ireo bitsika aterak'ilay tenifototra. Tamin'ny 26 Septambra lasa teo, bitsika 25,6 tapitria no azony [5]nihoaran'io [6] fandaharana io ny isan'ireo mpijery fahitalavitra nijery ny lalao fiadiana izay ho tompondaka erantany tamin'ny ady totohondry Manny Pacquiao natao ny Novambra 2014.

Niaiky [7] i Rishi Jaitly, Filoha Lefitry ny Twitter any Azia, Pasifika ary Afovoany Atsinanana, fa “tranga manerantany” [8] marina tokoa ny Aldub :

Tranga iray manerantany ny Aldub ao amin'ny Twitter ary maneho ny tena fomba fampifandraisan'ny sehatray ireo Filipiana mpankafy tantaram-pitiavana mahafinaritra, amin'ny maha toy ny feonkira sosialy azy ho an'ny fahitalavitra.

Overseas Filipino maritime workers show support for Aldub. Photo from the Facebook page of Eat Bulaga [9]

Ireo Filipiana tantsambo miasa any ivelany maneho fanohanana ny Aldub. Sary avy amin'ny pejy Facebook Eat Bulaga

Ny herin'ny fironana [10] erantany ananan'ny Aldub dia avy amin'ny isa maroben'ireo Filipiana miaina na miasa any aminà firenena maro. Misy 12 tapitrisa ireo Filipiana any ampitan-dranomasina. Maro no mampifandray ny azy amin'ny tantaram-pitiavan'ireo olon-droa ao amin'ny Aldub, izay mikolokolo  ny fifandraisany noho ny elanelan-tany lavitra misy eo amin'izy ireo, amin'ny alàlan'ny fàfana. Zava-mahazatra izany ho an'ireo fianakaviana Filipiana mampiasa webcam sy “smartphone” izany mba hifandraisana amin'ireo olon-tsy foiny any amin'ny firenena hafa.

Aza iasana saina akory ny hoe mety handao anao aho. Zavatra sarotra tanterahana izany. Tsy hahaita hafa ankoatra anao mandrakizay aho

Inoan'ny sasany amin'ireo mpanoratra ihany koa fa nanentana [17] ireo Filipiana olon-tsotra ny Aldub satria milaza fomba fitondrantena sosialy ilay seho, ny fitsinjaran'ny saranga, ny kolontsaina nentin-drazan'ireo Filipiana. Mikitika kely ny fomba fitondrantenan'ireo vato nasondrotry ny tany sy ny fomba fijerin'izy ireny mifikitra amin'ny nentnin-drazana manoloana ny fifandraisana maoderina ihany koa ilay seho.

Tsy ela akory izay no voamarina ny fiantraikan'ny Aldub teo amin'ny fiainana sôsialy taorian'ny nahazoany ny loka [18] iray avy amin'ny Media Sôsialy Katôlika noho ny fampiroboroboany ny soatoavina miabo. Katôlika no ankamaroan'ny mponina ao Filipina.

Ny sasany, na izany aza, miantso ny Filipiana mba ho mailo kokoa amin'ireo olana sôsialy fa tsy hoe hijery Aldub foana isanandro. Ity ny hafatra tamin'ny sariitatra navoakan'ny gazety Manila Times:

olana goavanan'ny firenena ve????? Tsy amin'izao fotoana! Ampy antsika izay!!!  😏