- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manao Hetsi-panoherana Ny Fanimbàna Ny Alan'i Prey Lang Ireo Moanina ao Kambodza

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Teratany, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana
Cambodian monks gather in the town of Battambang to demand protection of Prey Lang forest. [1]

Moanina Kambodziana nifamory teo amin'ny tanànan'i Battambang mba hangataka ny hiarovana ny alan'i Prey Lang.

Nanomboka ny volana Jolay 2015 no efa nanao hetsika teny an-dàlana ireo moanina ao Kambodza mba hangataka hetsika mafimafy kokoa amin'ny governemanta hanoherana ny fihazakazahan'ny fandripahana ny alan'i Prey Lang, ilay ala maina maintso lehibe indrindra any Cambodia sy ny Saikinosy Indoshina.

Manana ala mirefy 3.600 kilometatra toradroa i Prey Lang, tafiditra amin'izany ireo hazo lafo vidy lehibe, izay itoeranà farafahakeliny karazan-javamaniry 20 sy karazam-biby 27, samy atahorana ho lany tamingana. Maherin'ny olona miisa 700.000 no mivelona ao amin'ny 10 kilometatra amin'ilay ala. An'i Kuys ny ankamaroan'ireo mpihavy, vondrona teratany kely izay niaro ny Prey Lang efa an-jato taonany maro.

Tato anatin'ireo taona faramparany, nanome tany midadasika [2] ho an'ireo orinasa teo an-toerana sy avy any ivelanyny governemantan'i Kambodza mba hampandrosoana ny fambolena sy ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany afaka ataon'ny firenena. Kanefa, maro amin'ireo tany nifanarahana no misy ireo toerana arovana sahala amin'i Prey Lang. Nahatonga fifandirana isankarazany tamin'ny resaka lalàna sy fifandonana mahery setra manerana ny firenena ihany koa ny tsy fahampian'ny mangarahara manodidina ilay fanomezana tany.

Image from the Facebook page of 'Prey Lang - It's Our Forest Too' [3]

Sary avy tamin'ny pejy Facebook-ny ‘Prey Lang – It's Our Forest Too’ (Prey Lang – Alanay Koa Io)

Ny taona 2011, nanao hetsi-panoherana ‘Avatar [4] ireo Kambodziana mpikatroka mafàna fo sy ireo vondron-tanàna teratany, mba hitorohana ny fanimbàna ny Prey Lang. Niakanjo sahala amin'ireo olona Na'vi avy amin'ilay horonantsary Avatar an'ny Hollywood, nanainga ny governemanta ireo mpanao hesti-panoherana mba hanajanona ireo fanapahana hazo sy fambolena ” caoutchouc” any Prey Lang.

Mbola mitohy mandrak'androany ny hetsika hiarovana ny Prey Lang raha tsy misy fitsaharana ny fanapahana ny ala ao amin'ilay toerana. Nandritra ny fotoana mitovy amin'izany, vao maika nihombo [5] koa ny olan'ny fandripahana ny ala [6] ao Kambodza rehefa nanao fanomezana tany hafa indray ny governemanta.

 

#Kambodia [7] no miaina ny Fandripahana Ala Mihazakazaka Indrindra Maneran-tany”

Ny volana Jolay lasa teo, ireo moanina avy amin'ny Tambajotranà Moanina Tsy Miankina ho an'ny Rariny ara-tSosialy, nanatitra an-tànana [12] ireo fitaovana fanapahana hazo nogiazana teny amin'ny tompony, ho an'ny Sampan-draharahan'ny Ala sy Antenimieram-Pirenena tany Phnom Penh, renivohitry ny firenena, mba hanamarinana fa mitohy hatrany ny fanimbàna ny alan'i Prey Lang.

Nandefa fanangonan-tsonia tany amin'ny Sampan-draharahan'ny Ala an'i Kambodza momba ny Prey Lang ireo moanina.

Nanazava [15] Andriamatoa Hajaina Buntenh, lehiben'ilay vondrona, hoe maninona no nanapa-kevitra ny hanao hetsi-panoherana ireo moanina:

Tsy afaka ny hangina ireo moanina amin'ilay olana anefa hita izao ny taha mampiahiahy amin'ny fandripahana ny ala.

Ireo tompon'andraikitra amin'ny Sampan-draharahan'ny Ala ireo no ‘tompon'andraikitra dolara’, satria izy ireo tsy miraharaha ny ala na i Prey Lang ary mamela ireo mpivarotra ratsy hanohy isan'andro ny fanimbàna ny ala.

Cambodian monks delivered a protest letter to the government in Phnom Penh, the country's capital. Photo from the Facebook  page of 'Prey Lang - It's Our Forest Too' [16]

Nanome taratasim-panoherana ho an'ny governemanta tany Phnom Penh, renivohitry ny firenena, ireo moanina Kambodziana. Sary avy tamin'ny pejy Facebook-ny ‘Prey Lang – It's Our Forest Too’

Nandritra ny  herinandro faran'ny Septambra, nifamory [1] teny amin'ireo làlan'i Battambang indray ireo moanina mba hampahatsiahy ireo vahoaka sy ny tompon'andrakitra ao amin'ny governemanta fa manohy manimba ny alan'ny firenena ireo orinasa mpandraharaha amin'ny resaka fambolena.