- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nigadra Telo Taona An-tranomaizina Ny Mpisera Facebook Ejypsiana Iray Noho Ny Sary Sofin'i Mickey Napetrany Teo Amin'ny Sofin'ny Filoha, Abdel Fattah El-Sisi

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Lalàna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava
This photoshopped photograph of Egyptian president Abdelfattah El Sisi in Mickey Mouse ears has landed Facebook user Amr Nohan to three years in prison, according to reports [1]

Sarin'ny filoha Ejypsiana Abdel Fattah El-Sisi namboarina ho Mickey Mouse ny sofiny, izay nahatonga ilay mpisera Facebook, Amr Nohan higadra telo taona an-tranomaizina, araka ny tatitra.

Voalaza fa nosazian'ny fitsarana miaramila  telo taona an-tranomaizina ny mpisera Facebook Ejypsiana iray noho ny fanaovana sarin'ny sofin'i Mickey Mouse teo amin'ny sofin'ny filoha Abdel Fattah El-Sisi sy namoaka izany tao amin'ny habaka tambajotra malaza. Voalaza fa voampanga amin'ilay mahazatra “fikasana hanongam-panjakana” ihany koa i Amr Nohan.  Milaza ny fanehoan-kevitra an-tserasera fa miaramila zazavao i Nohan, ka izany no anton'ny nitsarana azy tamin'ny fitsarana miaramila.

Ejypsiana maro no namerina nandefa ny sarin'i Sisi/Mickey Mouse, maneho ny hatezeran'izy ireo noho ny didim-pitsarana..

Nanamarika ny fomba nanaparitahana ny sarin'i Sisi/Mickey Mouse taorian'ny didim-pitsarana i Tarakiyee:

Notsaraina tamin'ny fitsarana miaramila Ejipsianina i Amr Nohan, ary voasazy higadra 3 taona an-tranomaizina noho ny sary. Mamaly ny vahoaka.

Mamazivazy ny fomba maha-marefo ny fitondrana i M@Hon__3 rehefa rahonana amin'ny sary namboarina:

Lazao amiko kokoa ny sasany momba ny fitondrana marefo izay mihevitra fa mety hahaongana azy ny sary mamazivazy azy

Mitsikanikany i @shai_sada:

Telo taona an-tranomaizina noho ny sofin'i Mickey Mouse. Inona no mety hitranga raha molotr'i Donald Duck no azony?

Miezaka mandinika i Shaima Elbanna:

Alaivo sary an-tsaina hoe mandany telo taona an-tranomaizina noho ny sary nampidirinao tao amin'ny kaontinao ianao. Eny, efa firenena adala

Mbola vitsy ny vaovao mikasika ity raharaha ity hatreto, ankoatra ireo voalaza sy ireo fanehoan-kevitra hafa ao amin'ny Twitter. Misarika ny saina manoloana ny raharaha Nohan amin'ny alalan'ny diezy  #الحرية_لعمرو_نوهان [8] midika hoe #Fahafahana_ho an'i_Amr_Nohan ny mpanohana azy.