Lahatsarim-Panadihadiana Mamakafaka ny hoe Ahoana izany Mainty ao Japana izany

The documentary features interviews with several individuals who identify as black living in Japan. Screenshot from YouTube.

Asongadin'ny lahatsary fanadihadiana ny antsafa niarahana tamin'ireo olona maro manondro tena ho mainty monina ao Japana. Pikantsary avy amin'ny YouTube.

Fantsona YouTube malaza sy miditra amin'ny fiteny roa manazava ny zavatra japoney rehetra i Rachel & Jun.

Amin'ny fisian'ny mpanjohy an'aliny ao amin'ny Twitter sy ny Facebook sy ny vilaogy mahazo mpijery an-tapitrisany isaky ny misy votoaty mivoaka dia lasa toerana faleha ato amin'ny aterineto hahazoana izay valin'ny fanontaniana momba an'i Japana rehetra ny Rachel & Jun.

Hita ao amin'ireo lahatsary malaza ny fijerin'ny Japoney izany hoe mihoa-danja na tsia, ahoana ny fomba hifanaovana fotoana amin'ny Japoney na ahoana ny fomba ividianana trano ao Japana.

Raha maka endrika fialamboly sy hanihany madinika ny Rachel & Jun rehefa mivilaogy (mibilaogy lahatsary) momba an'i Japana sy ny kolontsaina japoney, dia manolotra fomba fijery isafatsiroa momba ny fiainana ao amin'ny firenena ihany koa ry zareo.

Iray amin'ireo lahatsarim-panadihadiana malaza indrindra an-dry zareo ny Mainty ao Japana.

Nandany ora roa ny fanadihadiana mamakafaka ny fiainan'ny mponina tsy Japoney fito ao Japana izay manondro tena ho mainty.

Ireo nanaovana antsafa dia niresaka ny hoe ahoana izany mainty ao Japana izany, ampitahaina amin'izay iainan'ireo mponina tsy Japoney hafa ao Japan. Ny lohahevitra fito ao amin'ny fanadihadiana ihany koa dia miresaka ny maha hafa ny fiainana ao Japana, indraindray amin'ny lafiny tsara, raha ampitahaina amin'ny firenena niavian'izy ireo, indrindra fa ny ao Etazonia.

Naneho hevitra rehefa avy nijery ny fanadihadiana ny mpanoratra ao amin'ny Japan Times sady bilaogera monina ao Yokohama antsoina hoe Baye McNeil :

About this video, I will say this though: the black male experience in Japan is vastly different from the black female experience (as is the case in the US and other places as well…notice the vast majority of cop shootings are of black males…we are truly the endangered species there and the walking threat here–in the eyes of some).

[…] The VAST majority of black people in Japan ARE males! I would have liked to hear from more men. The two […] gave a bit of how intense it gets here in Japan with the fear / ignorance-induced behaviour of J-folk. And that gave the video an applaud-worthy balanced perspective.

Overall, this is by far the BEST video representation of the black experience in Japan I’ve seen to date […]

Momba ity lahatsary ity, dia hiteny ihany aho hoe hafa dia hafa mihitsy ny fiainana andavanandron'ny lehilahy mainty raha miohatra amin'ny fiainana andavanandron'ny vehivavy mainty (tahaka izay mitranga any Etazonia sy ny toeran-kafa ihany… mariho fa ny ankamaroan'ny tifitry ny polisy dia avy amin'ny lehilahy mainty… tena karazana ahiana tokoa izahay any ary atahorana rehefa mandeha eny an-dalana – eo imason'ny sasany).

Ny ANKAMAROAN'NY olona mainty ao Japana DIA lehilahy! te-haheno bebe kokoa avy amin'ny lehilahy aho. Ny roa […] dia manome ny kely amin'ny halalin'ny fihetsika feno tahotra/tsy firaharahiana eo amin'ny sarambaben'ny Japoney. Ary izany no mahatonga ny lahatsary ho mendrika ny hotehafana noho ny tsindrilentam-pomba fijery nataony.

Ambonin'izany rehetra izany dia ity no fanehoana an-dahatsary TSARA INDRINDRA ny iainan'ny mainty ao Japana hitako hatreto […]

Nosoratan'i McNeil ny tsanganana Black Eye [Maso Mainty] ao amin'ny Japan Times, ary vao haingana izy no nanoratra andiana fampahafantarana vehivavy mainty nanambady lehilahy Japoney ao Japana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.