Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

17 Oktobra 2015

Tantara tamin'ny 17 Oktobra 2015

Miarahaba tamin'ny namotsorana ireo bilaogeran'ny Zone9 ny Global Voices ary mampanantena fa mbola hitolona ho amin'ny fahalalaham-pitenenana ao Ethiopia

"Nahavita nanangana fotoan-dehibe tsy mampino tamin'ny alalan'ny fanentanana sy ny diezy #FreeZone9Bloggers ny mpanohana. Andao ampiasaina izany hirosoana hatrany, ho fanoitra hiarovana ny zon'olombelona ao Ethiopia sy manerana izao tontolo izao.."

Lahatsarim-Panadihadiana Mamakafaka ny hoe Ahoana izany Mainty ao Japana izany

Fakafakain'ny bilaogeran-dahatsary roa malaza ao amin'ity fanadihadiana feno sy lava ity izany atao hoe mainty ao Japana izany.

Te Hamafa An'i Syria Amin'ny Sarintanin'izao Tontolo Izao Ny Olo-malaza Iray Amin'ny Fananganana Ny Aterineto Rosiana

Ny fitsabahan'i Moskoa ao Syria dia ny hampisy fiantraikany somary mahatsikaiky indray ao Rosia. Iray amin'ireo fizaran-tantara hafahafa indrindra amin'ity raharaha ity ny fanohanana tafahoatra ataon'i Anton Nossik amin'ny fanafihana an'habakabaka vaovao ataon'i Rosia ao Syria

Mihantsy Ny Sivana Ireo Mpanao Sariitatra Ara-politika Amin'ny Fampisehoana Ny ‘Demokrasia’ Amin'ny Endrika Thailandey

"Ilay mpanao sariitatra ara-politika nitsikera ny governemanta tohanan'ny miaramila ao Thailandy indray no mpanao gazety farany nampanantsoin'ny tafika hanaraka "fanitsiana fihetsika" ."

Nigadra Telo Taona An-tranomaizina Ny Mpisera Facebook Ejypsiana Iray Noho Ny Sary Sofin'i Mickey Napetrany Teo Amin'ny Sofin'ny Filoha, Abdel Fattah El-Sisi

Nosazian'ny fitsarana miaramila telo taona an-tranomaizina ny mpisera Facebook Ejypsiana iray noho ny fanaovana sarin'ny sofin'i Mickey Mouse teo amin'ny sofin'ny filoha Abdel Fattah El-Sisi sy ny famoahana izany tao amin'ny habaka tambajotra malaza.