- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

VAOVAO MAFANA: “Afaka” Tamin'ny Vesatra Fampihorohoroana ireo Bilaogeran'ny Zone9 Ao Etiopia

Sokajy: Etiopia, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Vaovao Mafana, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Zone9 bloggers together in Addis Ababa, 2012. Photo courtesy of Endalk Chala.

Ireo bilaogeran'ny Zone9 tafaraka tao Addis Ababa, 2012. Sary natolotr'i Endalk Chala.

Ny Zoma 16 Oktobra, rehefa nandany 18 volana tany am-ponja, izay ny betsaka taminy dia ny fiandrasana ny fotoana fitsaràna mahakasika fiampangàna tsy mitombina ho nanao asa fampihorohoroana sy mihantsy herisetra, [1] dia nafahan'ny [2] fitsaràna iray tao Addis Ababa ireo bilaogeran'ny Zone9. [1] Tsy maintsy mbola handeha ankalalahana avy any amin'ny fonjan'i Kilinto izy ireo, saingy milaza ny fianakaviany fa amin'ny Alatsinainy 19 Oktobra izy ireo vao havotsotra, na alohan'izay.

Samy bilaogera mpandray anjara ao amin'ny Zone9, bilaogy itambarambe [3] avokoa izy dimy ireo, bilaogy izay miresaka ireo olana sosialy sy politika ao Etiopia ary manandratra ny zo maha-olombelona sy ny tamberin'andraikitry ny fanjakana.

Ny mpikambana iray ao anatin'ilay vondrona, Befeqadu Hailu [4]—sady mpanoratry ny Global Voices ihany koa—dia tsy mbola afaka amin'ny vesatra faritan'ny artikla 257 amin'ny lalàna'ny heloka bevava ao Etiopia, nefa milaza ireo tatitra fa vesatra maivana izany, izay famonjana mandritry ny enina volana no sazy ambony indrindra azo aminy. Satria efa hatramin'ny 25 Aprily 2014 i Befeqadu no tany am-ponja, lazain'ireo loharano akaiky azy fa ho azo iadiana hevitra ilay sazy.

Ohatra iray mibaribary amin'ny fandringàn'ny rafi-pitsaràna ao Etiopia sy ny tsy firaharahàna tanteraka ny fahalalahana maneho hevitra, nampitambatra ny Etiopiana tety anaty tambajotra sosialy ny raharaha Zone9 nampiasàna ny tenifototra #FreeZone9Bloggers [5], izay nipetraka ho hery iray tao amin'ny Twitter nanomboka tamin'ny andro nisamborana azy ireo. Androany, nitselatry ny fanehoana hafaliana sy fitakiana ilay tenifototra:

Misaotra an'izao tontolo izao tamin'ny fanohanana sy ny fanelezana ny fanetananay naharitra ela #FreeZone9Bloggers [6]! Manaporofo izany fa HERY GOAVANA BE NY FIRAISANKINA!

Araka izany, heveriko fa manamarika ny fiafaràn'ity fitsapàna sy aretin'andoha tsy mendrika ity io! Maivamaivana!!!

Hazalambo tsy nisy farany nataon'ny governemanta matanjaka tsy afaka nahitàna na heloka iray aza tamin'ny #FreeZone9Bloggers [6] satria ho fanombohana azy dia tsy nanan-tsiny izy ireo.

Rava ireo fanenjehana ny bilaogeran'ny Zone9, taorian'ny 18 volana nitànana am-ponja azy ireo

Mpikambana enina avy amin'ny Zone9, miaraka aminà telo mpifandray amin'ny mpanao gazety, no nosamborina sy nalaina tany an-tranony [14] ny 25 sy 26 Aprily 2014, ary notànana nandritry ny 11 volana talohan'ny niampangan'ny manampahefana azy ireo tamin'ny alàlan'ilay Fanambaràna miady amin'ny asa Fampihorohoroana [15] malaza ratsy ao Etiopia, izay nampiasaina hampidirana am-ponja ireo mpanao gazety fanta-daza sy bilaogera maro izay nanoratra fanakianana ny governemanta sy ny antoko eo amin'ny fitondràna.

Afaka tamin'ny fiampangàna azy ireo ny dimy tamin'ireo mpikambana manorina ilay vondrona ary navotsotra tamin'ny 8 Jolay 2015 [16]. Ny momba izay hoavin'ireo efatra sisa tavela kosa—Befeqadu, Natnael, Atnaf sy Abel— nijanona ho tsy hay hatramin'ny androany 16 Oktobra. Nandritry ny fotoana nitànana am-ponja azy ireo, efa in-30 niseho teo anoloan'ny mpitsara ireo bilaogera, navezivezin'ny fangatahana “fanalavàna fotoana” nataon'ny mpampanoa lalàna fotsiny, mba hanadihadiana ilay raharaha.

Maro tamin'ireo mpikambana ao amin'ilay vondrona no niaritra fampijaliana ara-batana, isany i Abel Wabela mpandika lahatsoratry ny Global Voices, izay nolazain'ireo nàmany fa lasa marenindrenina vokatry ny sazy ara-batana natao taminy. Kinga ireo mpanohana tao amin'ny Twitter nanipika ny haavon'ny fanehoan'ilay raharaha ny tsy fahatomombanan'ny rafi-pitsaràna ao Etiopia:

Herintaona be izao no nilaina mba hamarànana tanteraka raharaha iray izay porofo sandoka sy vavolombelona nandainga no nandrafitra azy. FAKON'OLONA!

Maro no mametraka teny toy ny hoe “fanafahana”, “fitsaràna” sy “fahefam-pitsaràna” any anatin'ny fitanisàna ataony :

Farany, afaka ihany ny #FreeZone9Bloggers [6]. Saingy tsy misy isaorana ny ‘fahefam-pitsaràna’. #Arahabaina [18] Zone9

Ny hafa nanontany raha handray andraikitra noho ny dona aterak'izao amin'ireo bilaogera sy ny fianakaviany ny governemanta:

Faly aho, saingy tezitra satria isika miaina anaty firenena izay ahafahan'ny governemanta misambotra na iza na iza noho ny zavatra tsy misy antony

Fotoana izao hitondràna ny fanentanana ho amin'ny dingana manaraka, takianay ny governemanta #Etiopiana hanao fialantsiny amin'ireo bilaogeran'ny Zone9

Tahàka ny maika lavitra noho ny zavatra hafa ny fanontaniana hoe inona no hanjo ireo olom-pirenena hafa voafonja noho ny fanoratany na fitenenany fanakianana ny governemanta—toa an'i Zelalem Workagenegu [23], bilaogera iray izay naiditra am-ponja taorian'ny namenoany ny fisoratana anarana handray anjara aminà fanofanana momba ny fampiasàna ireo fitaovana dizitaly sy ny media sosialy. Tahàka ny anipihan'ireo mpanohana marobe azy, ny “fanafahana” tsy midika fa tsy hanana vina hafa hanovàny ny fomba fanaony akory i Etiopia.

Afaka ankehitriny ireo #Zone9bloggers [24] , hiofo ho #FreeEthiopia [25] ve ny #FreeZone9Bloggers? Tsy mbola paradisan'ny fahalalahana miteny mantsy eto amin'ny firenana

Fetrandro farany ho an'ny #FreeZone9Bloggers [6] – 16 Oktobra 2015. Fetrandro farany ho an'ny  #FreeEthiopia [25] – Misitery