- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Olona Efatra ao amin'ny Dinika Nasionaly Toniziana Nandrombaka Ny Loka Nobel Fandriampahalemana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
The Tunisian National Dialogue Quartet won this year's Nobel Peace Prize "for its decisive contribution to the building of a pluralistic democracy in Tunisia in the wake of the Jasmine Revolution of 2011." [1]

Nahazo ity Loka Nobel Fandriampahalemana tamin'ity taona ity olona efatra ao amin'ny Dinika Nasionaly Toniziana noho ny fandraisany anjara lehibe tamin'ny fananganana ny demaokrasia mandala ny fahamaroan-kevitra ao Tonizia taorian'ny Revolisiona Jasmina 2011.”

Ao anatin'ny hafaliana ny Toniziana satria nankasitrahana tamin'ny alalan'ny fanomezana loka Nobel Fandriampahalemana ireo olona efatra mpikarakara ny Dinika Nasionaly ny fandrosoana ara-demaokratikan'izy ireo. Nandray anjara lehibe tamin'ny fanelanelanana ireo ankolafin-kery samihafa ireo olona efatra avy amin'ny fikambanan'ny firaisamonim-pirenena ireo ary izany no tetezamita mankany amin'ny demaokrasia feno, taorian'ny fionganan'ilay mpanao didy jadona Ben Ali Zeinalabideen nandritra ny revolisiona Toniziana.

Maneho ny fahatsapany rehareha sy hafaliana tamin'ireo mpanjohy azy 110K ao amin'ny Twitter i Tounsiahourra (Toniziana Afaka):

Nilalalala ho an'ny Loka Nobel Fandriampahalemana androany ny reniko, izay tsy nilalalala [4]nandritra ny taompolo iray, tahaka ireny ramatoa nalahelo olona efa nanjavona ela ary nipoitra tampoka. Fahatsapana fahamarinana izay takatro tsara.

Hoy izy tamin'ny sioka hafa:

Andro feno hafaliana eo amin'ny fiainako ity

Hoy ny komitin'ny Loka Nobel:

The Quartet was formed in the summer of 2013 when the democratization process was in danger of collapsing as a result of political assassinations and widespread social unrest. It established an alternative, peaceful political process at a time when the country was on the brink of civil war. It was thus instrumental in enabling Tunisia, in the space of a few years, to establish a constitutional system of government guaranteeing fundamental rights for the entire population, irrespective of gender, political conviction or religious belief.

Niforona nandritra ny fahavaratra 2013 ny “Quartet”, raha tandindonin-doza hirodana noho ny vono olona ara-politika sy ny fikomiana ara-tsosialy nieli-patrana ny dingana ho amin'ny demaokrasia. Nametraka dingana ara-politika hafa sy milamina ny Quartet tamin'ny fotoana saika nidiran'ny ady an-trano tao amin'ny firenena. Fitaovana nahafahan'i Tonizia, tao anatin'ny taona vitsy, nanangana rafi-dalàmpanorenan'ny governemanta miantoka ny zo fototra ho an'ny mponina rehetra, tsy mijery ny maha-lahy na vavy, na firehana ara-politika na koa finoana ara-pivavahana izany.

Ny Sendika Jeneralin'ny Mpiasa Toniziana (UGTT), ny Konfederasiona Toniziana momba ny Indostria, ny Varotra ary ny Asatanana (Utica), ny Ligin'ny Zon'Olombelona Toniziana (LTDH), ary ny Holafitry ny Mpisolovava Toniziana no mandrafitra ny Quartet.

Hoy ny komity nanampy:

the Quartet exercised its role as a mediator and driving force to advance peaceful democratic development in Tunisia with great moral authority.

Nanao ny asany amin'ny maha mpanelanelana ny Quartet ary hery mamelona ny fampandrosoana demaokratika milamina ao Tonizia miaraka amin'ny fahefana ara-maoraly lehibe.

Nilatsaka tamin'ny fotoana lehibe ho an'i Tonizia ny loka, Tonizia izay niharan'ny fanafihana vao haingana tao amin'ny Mozea Bardo [6]tao an-drenivohitra Tunis tamin'ny volana Martsa, ary namoizana ain'olona 22, narahana fanafihana iray hafa nahafaty olona tao amin'ny torapasika fialan-tsasatra ao Sousse [6]tamin'ny volana Jona, ka mpizahatany 38 no namoy ny ainy tamin'izany.

Tonizia no firenena Arabo voalohany nampiditra ny fihetsiketsehana goavana manohana ny demaokrasia tamin'ny Desambra 2010, izay nitarika ny olona manerana ny tontolo Arabo ihany koa hanongana ny fitondrana manerana ny faritra. Anisan'ny revolisiona nahomby indrindra tao amin'ny faritra izany, miampy ny fifidianana filoham-pirenena demaokratika [7]izay nahavoafidy tamin'ny taondasa ilay mpanao politika goaika antitra, Beji Caid Essebsi, 88 taona avy ao Nida Tounes ho filoha.

Marobe manerantany no nankalaza ny mari-pankasitrahana. Nanjary malaza tao amin'ny Emirà Arabo mitambatra ny diezy amin'ny teny Arabo  #تونس_تفوز_بنوبل_للسلام [2]  izay midika hoe Nahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana i Tonizia, maro ireo manatevin-daharana ny amboarampeo mba hankalaza ny fandresen'i Tonizia:

olona 2.018.597 no nahita ny #تونس_تفوز_بنوبل_للسلام [2] hatramin'ny nandefasana azy voalohany mandra-pahatonga azy ho Lohahevitra malaza

Nisioka tamin'ireo mpanjohy azy 46.9K tao amin'ny Twitter ilay Ejipsiana Nervana Mahmood:

Arahabaina i Tonizia. Faly fa “manampy” ny demaokrasia ny lohateny fa tsy “manatanteraka” .

Mpanao politika Ejipsiana Mohamed ElBaradei [12] nisioka tamin'ireo mpanjohy azy 3,7 tapitrisa tao amin'ny Twitter:

Tena faly ho an'ny vahoaka Toniziana. Firesahana, fiarahana, demaokrasia sy fanajana ny zon'olombelona ihany no lalan-tokana

Avy ao Arabia Saodita, Abu Mathkour nanamarika:

Tsy nitsabaka tao Tonizia izy ireo, ka nisy ny fihavanam-pirenena sy ny filaminana. Arahabaina i Tonizia.

Saingy ho an'ny sasany, fihetsika tsy misy dikany ny loka, na iza na iza mahazo azy.

Dima S., mamaritra ny tenany ho toy ny mpanara-maso Arabo avy ao Afovoany Atsinanana, naneho ny fisalasalany mikasika ny loka, na efa talohan'ny nanambarana ny vokatra aza:

Afaka adiny iray, fanambarana ny Loka Nobel Fandriampahalemana. Mety hahazo ny loka ihany koa na ireo mpidaroka baomba amin'ny hopitaly, mpanao heloka bevava amin'ny ady sy ireo mpankafy loatra ny ady an-trano ara-pivavahana aza

Mabrouk (arahabaina) i Tonizia sy ny Toniziana izay nino ny filaminana!