- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitaovana Fikajiana Mesoamerican : Taolana Ho An'ireo Kajy Maoderina

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Tantara, Teratany
Ábaco mesoamericano. Captura de pantalla de video de YouTube.

Fitaovana fikajiana Mesoamerican. Pikantsary tamin'ny lahatsary [1] nalefa tamin'ny YouTube.

Fitaovana iray fikajiana nampiasaina tao amin'ireo kolontsaina Mesoamerican Espaniôla taloha ny nepohualtzintzin [2], tafiditra ao anatin'izany ireo Mayana, izay ankehitriny miverina any anaty fandaharam-pianarana maro, izay  mampiasa io fitaovana mahery vaika io mba hampianarana matematika dieny mbola kely amin'ny fomba voajanahary tanteraka.

Ny anarana nepohualtzintzin [3] dia noforonina avy amin'ny teny roa tao amin'ny teny Mesoamerican Nahuatl [4]: nepohual, izay midika ho “fanisàna”, ary tzintzin, izay midika ho “mendri-kaja na  maharaka ny toetrandro”. Noho izany, ny teny hoe nepohualtzintzin dia midika “Ny fanisàna maharaka ny toetrandro.”

Tsy misy fahagagàna mikasika io fitaovana tranainy io, fantatra tsotra fotsiny sahala amin'ny nepo. Tsy ilàna fampiasàna taratasy na pensilihazo io, saingy kosa manao ireo kajiny marina amin'ny fampiasàna vakana.

Nifototra tamin'ny isa 20 ny rafi-marikan'i Mayan, tsy toy ny fomba fanisàna ampiasaina ankehitriny mihintsy. Ahitàna ny isa aotra io fomba fanisàna mifototra amin'ny isa roapolo io [5]:

La notación en el sistema vigesimal es similar salvo que la base es 20. En este sistema se necesitan veinte cifras diferentes, 0, 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, y 19 que también se pueden representar como 0, 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, A, B, C, D, E, F, G, H, I y J.
[…]
Con el sistema numérico vigesimal, los mayas podían efectutar las operaciones matemáticas fundamentales por medio de tablas de sumar y de multiplicar y con la utilización de un ábaco constituido por una cuadrícula hecha con varillas, o dibujado directamente en el suelo, y se utilizaban piedrecillas o semillas para representar los números. Este ábaco recibía el nombre de Nepohualtzintzin.

.Mitovy avokoa ny tarehimarika mikasika ny fanisàna mifototra amin'ny isa roapolo, afatsy ny isa 20 izay io no fototra iaingana. Ilàna isa 20 samihafa io fomba io dia ny 0, 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, ary ny 19 izay asehon'ny isa 0, 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, A, B, C, D, E, F, G, H, I sy J.
[…]
Mikasika ny fomba fanisàna mifototra amin'ny isa roapolo, afaka hanaovana asa fototra matematika toy ny adisanin'ny fampifanampiana sy fampitomboana ry zareo Mayans amin'ny alalan'ny fampiasana boribory kely maromaro narafitra tanaty tabilao vita tamin'ny hazo, na tonga dia nofaritana avy hatrany teo amin'ny tany, ary nampiasàn'izy ireo vatokely na voan-javatra mba hanehoana ireo isa. Fantatra tamin'ny hoe nepohualtzintzin io fitaovana fanisàna io.

.Noho ny habetsahan'ireo kajy azo atao aminy, azo oharina amin'ny solosaina maoderina [6] ny nepohualtzintzin. Fitambaran'ireo vakana 91 voatsinjara ho tsanganana 13, misy vakana fito izy io. Ny isa iraika amby sivifolo dia ampahaefatry ny 364, mikasika ny isan'ny andro anatin'ny taona iray, ka ny isan'ireo vakana rehetra dia maneho vanintaona iray. Ny 91 indroa dia 182, tsingerim-potoanan'ny katsaka:

El sistema matemático del nepohualtzintzin surgió de la necesidad de sobrevivencia de nuestros antepasados; quienes, para cultivar la tierra, tenían que contar los días, los fenómenos de la naturaleza y sus ciclos y observar, por ejemplo, que el Sol, aparece día a día por el Oriente recorre el cielo hasta ocultarse por el Poniente.

Fomba fanisàna nilain'ireo razambenay teo aloha teo amin'ny fiainany ny fomba fanisàna nepohualtzintzin; tsy maintsy nanisa andro izy ireo mba hahafahany niasa ny tany, ny zava-mitranga ara-natoraly sy ireo tsingerina fandalovany, sady mijery, ohatra, fa isanandro dia miposaka avy any atsinanana foana ny masoandro, miakatra eny an-danitra, ary avy eo mody any andrefana.

Tsara ny manamarika fa ny sivilizasiona Mayan no voalohany [7] tao Amerika nanehoana ny isa aotra [8]:

Las matemáticas mayas han dejado una huella en el tiempo; antes que cualquier otra civilización, los mayas originaron un concepto revolucionario: el cero.
El cero es un símbolo comúnmente utilizado para representar la nada; sin embargo, el concepto maya del cero no implica una ausencia ni una negación; para los mayas, el cero posee un sentido de plenitud. Por ejemplo, al escribir la cifra 20, el cero, puesto en el primer nivel, únicamente indica que la veintena está completa.

Namela dian-tanana teo amin'ny fotoana ny matematika Mayan; talohan'ireo sivilizasiona hafa, tonga niaraka tamina foto-kevitra revolisiona iray ny Mayans: ny isa aotra.
Marika iray entina hanehoana zavatra tsy misy ny aotra; nefa, ny foto-kevitra Mayan mikasika ny isa aotra tsy midika mihintsy tsy fisiana na fandàvana. Ho an'ny Mayans, midika ho fahafenoana ny aotra. Ohatra, raha hanoratra ny isa 20, ny aotra, apetraka eo amin'ny laharana aloha, dia midika tsotra fotsiny fa feno ny isa.

.

Ankehitriny, nanjary nampiasaina [9]io fitaovana talohan'ny tantara espaniôla io mba hahamora ny  fampianarana matematika, ankoatra ireo fampiasàna hafa:

Su uso habitual fomenta la habilidad numérica, mejora la capacidad de concentración, de razonamiento lógico, la memoria, la agilidad mental, el procesamiento de información de forma ordenada y la atención visual. Se podría considerar que el uso del nepo es una excelente forma de ejercitar el cerebro, manteniéndolo activo y ágil a cualquier edad. El NEPO es uno de los pocos aparatos que estimula el mayor número de sinapsis (contactos neuronales) entre ambos lóbulos cerebrales simultáneamente, además de promueve en el niño el desarrollo de la motricidad fina.

Fampiasa matetika, mamporisika ny fanamoràna manisa io, manatsara ny lafiny fihandronan-tsaina, fomba fisainana lojika, fitadidiana, hakingana ara-tsaina, firindràna eo amin'ny fikirakiràna ny vaovao ary fisarihana jery. Azo heverina ho làlana iray mahomby amin'ny fanazàrana ny atidoha ny fampiasana nepo, satria mitazona azy mba hihodina tsara ary mety foana ho an'ny salan-taona rehetra. Ny nepo dia iray amin'ireo fitaovana vitsivitsy izay manetsika indray miaraka ny betsaka indrindra amin'ireo retsika (fifandraisan'ireo nerona mpitatitra hetsika) eo anelanelan'ireo lavaka ao amin'ny atidoha, fanampin'izany mba ho fanandratana ny fampivoaran'ireo ankizy ny fahaizan'izy ireo mampiasa ny maoterany.

Ity tranonkala [10] ity dia manolotra torolalana fampianarana ny fomba fampiasàna ny nepohualtzintzin. Ao anatin'ny lahatsary eto ambany, asehon'ny profesora  Everardo Lara González ny fomba fanaovana kajy matematika amin'ny nepo: