- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mba Hahatsapàny Tsara Ny Manjo Ireo Mpitsoa-ponenana, Alemàna Mpanao Lalàna Mifanome Tànana Ao Anaty Sambo Fingotra Fanavotana Aina

Sokajy: Eoropa Andrefana, Alemaina, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Politika

Parlemantera ao anaty sambo fingotra fanavotana aina tao Berlin. Sary: Chris Grodotzki / jib collective for SeaWatch. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Ny 13 Oktobra teo, niainan'ireo parlemantera avy ao amin'ny Bundestag Alemàna ny fahatsapàna izany hoe eny ambony sambokely fanavotana aina tsy azo antoka izany, miaraka aminà olona an-jatony hafa.

Ny hetsika mahaleotena Sea Watch [1] no tao an-damosin'ilay fanentanana nampihetsi-po, izay mikendry ny hisarihana ny saina ho amin'ny toe-draharahan'ireo mpitsoa-ponenana mamakivaky an'i Mediterane hihazo an'i Eoropa.

Nifamotoana teo amoron'ny Spree tao Berlin ireo mpanao lalàna naniry handray anjara ho ao anatin'ilay sambo fingotra fanavotana aina. Nibitsika momba ilay hetsika i Lisa Paus, parlemantera avy amin'ny antoko maitso ao Alemaina. Nalainy ho ohatra ny mpikambana iray ao amin'ny Mpitsabo Tsy Voafetran-tsisintany raha niresaka mikasika ny zavatra niainany teny ambonin'ilay sambo fingotra niaraka tamin'ny Sea Watch:

Taterin'ny Mpitsabo tsy Voafetran-tsisintany ny momba ny  #seawatch [2] sy ny fahatsapàna mampangorintsina mandritry ny asa fanavotana eny an-dranomasina #refugeeswelcome [3]

Nohazavain'ny Sea Watch tao amin'ny tranonkalan- [6]dry zareo fa ilay fanentanana dia natao hifanandrify tamin'ny fotoana nanombohana ny “Operation Sophia”  ataon'ny Fiombonambe Eoropeana hiadiana amin'ireo mpanondrana olona, izay manome fahafahana ho an'ny tafika hiakatra any anatiny sy hangihy ny sambo ahiahiana ho manao fanondranana olona manerana an'i Mediterane. Nankatoavin'ny Bundestag [7] ny fanapariahana miaramila hatramin'ny 950 ho amin'izany asa izany tany ampiandohan'ny Oktobra.

Ny tanjona voalohan'ny Sea Watch dia ny hamonjy aina eny an-dranomasina Mediterane; hatreto, olona 2.000 no efa novonjen'ilay fikambanana tsy ho azon-doza teny an-dranomasina. Mandritra izany, ny olana fototra ho an'ny Fiombonambe Eoropeana hatramin'ny nifaranan'ny “Operation Mare Nostrum” tamin'ny faran'ny 2014 dia ny hiarovana ny sisintaniny sy handraisana fepetra manoloana ireo mpanondrana olona.

Tsy ireo rehetra mpanao politika no tonga teny ambonin'ilay sambo niaraka tamin'ilay hetsiky ny fikambanana. i Paus nihanihany hoe tsy hita akory izay nalehan'i Horst Seehofer filohan'ny Sendika Sosialy Kristiana (CSU), izay nanameloka ny politikan'ny governemanta momba ny mpitsoa-ponenana ho toy ny manome vahana loatra ny gaboraraka :

Fanentanana ho fanabeazana. Indrisy fa tsy sahy niakatra teny akory i  @seehofer [8] mpanakorontana

Parlemantera iray avy amin'ny antoko Sosialy Demaokraty (SPD) nanoratra hoe:

Faran'izay mampivarahontsana sy ratsy, nilalao sambonà mpitsoa-ponenana teo amin'ny renirano Spree ny #seawatch [2] sy ireo parlemantera avy ao amin'ny Bundestag Alemàna

Io andro io ihany, nanambara ny  Sea Watch fa mety hanitatra ny ezaka ataony ho any Lesbos, Greece [14]:

Fomba araka ny lalàna. Ankehitriny! Antso sy fanambaràna: hanomboka ny asa fanavotana sy ny asa fanarahamaso ao  #Lesbos [16] ny #SeaWatch [15]