Polisy Ogandey Nanaboridana Vehivavy Avy Amin'ny Antoko Mpanohitra Teo Imasom-bahoaka

A screenshot of YouTube video showing police officers arresting the opposition official.

Pikantsary tao amin'ny lahatsary Youtube mampiseho ireo polisy misambotra olona ambony ao amin'ny fanoherana.

Nosamborina sy naboridan’ny polisy imasom-bahoaka ny tompon'andraikitra iray avy ao amin'ny antoko mpanohitra Ogandey, Fifanakalozan-kevitra ho an'ny Fanovana Demokratika (FDC) rehefa avy nosakanan'izy ireo teny an-dalana handeha hanatanteraka ny fihetsiketsehana ny lehiben'ny antoko, Dr. Kizza Besigye.

Hita amin'ny sary mifampitolona amin'ireo mpiasampanjakana, izay mangeja azy sy mandrovitra ny ankajony i Zainab Fatuma, mpikambana ao amin'ny Komity Mpanatanteraka Nasionaly sady sekreteran'ny antoko FDC misahana ny tontolo iainana. “Nahoana no esorinareo ny akanjoko?” hoy izy mihiaka imbetsaka ao amin'ny lahatsary.

Na izany aza, nandà ny polisy Ogandey fa tsy nanaboridana azy izany, nilaza ry zareo fa i Fatuma tenany ihany no nanaisotra ny akanjony.

“Fanitsakitsahana tafahoatra ny zon'olombelona”

Ireo mpitandro ny filaminan'ny Ogandà ireo dia efa zatra ny manaboridana vehivavy mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana milamina manohitra ny tsy fahazakan'ny filoha Yoweri Museveni ireo feo maningana.

Tamin'ny fanehoan-kevitra manoloana ny zava-nitranga, namoaka fanambarana manameloka ny fanimbazimbana tafahoatra mihatra amin'ny vehivavy mazoto amin'ny sehatry ny politika ao Oganda ny firaisan'ny fikambanan'olom-pirenena:

The women’s movement, civic associations and women leagues of political parties and citizens who identify with adherence to the Constitution by all state institutions strongly condemn the use of degrading and dehumanizing acts by the Uganda Police Force which is mandated to provide law and order. These acts manifest as both a political tool to intimidate women’s leadership but also as a grave human rights abuse.

Manameloka tanteraka ny fampiasana fihetsika manimba sy tsy mendrika ny maha-olombelona ataon'ny Mpitandro ny filaminana Ogandey izay nirahina hametraka filaminam-bahoaka ny hetsiky ny vehivavy, ny fikambanan'ny olom-pirenena sy ny ligin'ny vehivavy amin'ny antoko politika sy ny olom-pirenena mankatò ny Lalàmpanorenana avy amin'ny andrim-panjakana rehetra. Hita ho fitaovana ara-politika entina hampitahorana ny fitariham-behivavy ary koa fanitsakitsahana goavana ny zon'olombelona izany fihetsika izany.

Nahatezitra ireo olom-pirenena Ogandey marobe ny zava-nitranga sy ny nataon'ny polisy, nahatonga ny sasany hiray hina hanohitra ny herisetran'ny polisy amin'ny alalan'ny fandefasana hafatra ho an'ny Inspektera Jeneralin'ny Polisy, Kale Kayihura tamin'ny fampiasana ny diezy #SomeoneTellKaihura.

Mpisolovava sady mpikatroka Ogandey, Jacqueline Asiimwe nisioka hoe:

Tsy hanaboridana vehivavy ny andraikitry ny polisy fa hanitsy manoloana ny heloka bevava!

Godber Tumushabe, mpisolovava sady mpanadihady ara-politika nanoro hevitra hoe:

Tsy hiaro ny didy jadona ny fanaboridanana vehivavy. Andraso rehefa tonga aminao izany.

“Mampihoro-koditra ireo sary ireo”

Nanamarika i Bireete Sarah, mpikatroka ny zon'olombelona hoe:

Tsy mendrika hajaina ihany koa ny fitondrana tsy manaja vehivavy.

Nanamarika i Elektrolyte fa:

Natera-behivavy ny polisy. Mampihoro-koditra ireo sary ireo. Tsy mitam-piadiana anefa ireo vehivavy

Nanambara i Jacqueline Asiimwe hoe:

Herisetra mihatra amintsika rehetra ny herisetra mihatra amin'ny iray amintsika! Raha manaboridana ny iray aminay ianao, dia efa manaboridana anay rehetra!

Nandefa sary mampiseho fomba fitafy vaovao ho an'ny vehivavy mba tsy iharan'ny fanaboridanana i Asiimwe Angella:

Fomba fitafy vaovan'ny vehivavy ao Oganda mba tsy iharan'ny fanaboridanana

Nanontany i Penelope Sanyu:

Raha afaka nanaboridana azy imasom-bahoaka ianao, mihoron-koditra aho maka sary an-tsaina izay mety ataonao ao amin'ny efitry ny fonja

“Tsy azo ekena, mampalahelo, tsy ilaina ary hafahafa”

Nitatitra momba ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety notontosain'ny Fikambanan'ny Mpandala ny Lalàna Oganda (ILS) mba hiampanga ny fihetsiky ny polisy, mpanolotra vaovao ao amin'ny NTV Oganda, Sheila Nduhukire nanoratra hoe:

Mandray izany zava-nitranga izany ho tsy azo ekena, mampalahelo, tsy ilaina ary hafahafa ny ULS- Ruth

Nampanantena hiara-hiasa amin'ny vahoaka ny fikambanan'ny mpandala ny lalàna mba hamantatra ireo polisy mpiasampanjakana:

“Vonona hiasa miaraka amin'ny vahoaka ny ekipam-panasoavam-bahoaka ato aminay hamantatra ireo polisy ireo”

Miavaka amin'ny fampiharana lalàna mangeja, fanomezana fandaminana ara-miaramila ireo tokony ho sivily mpitandro filaminana, ny fandraisana mpiasa sy ny fanofanana milisy mahamenatra ataon'ny fitondrana, ny fandrahonana hatrany hanasazy ny fampitam-baovao nomerika sy an-taratasy (gazety) ary ny fanafoanana fanehoan-kevitra ao amin'ny haino aman-jery sosialy ny fitondran'ny filoha Yoweri Museveni. Raha ampiana ity zava-nitranga farany ity, toa hifa fa mandavaka ny tenany ity fitondrana efa 30 taona ity ary tsy mieritreritra fampandrosoana ara-politika sy fahalalahana sivily mihitsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.