- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Mandrahona” Hivadika Silamo Ny Tanàna Kely Ortodoksa Serba Ahafahana Manavao Ny Fiangonana Ao An-toerana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Serbia, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Mediam-bahoaka
A street in the village of Šopić. Photo by Dungodung, used under CC BY-SA 3.0 license.

Arabe ao amin'ny tanàna kely Šopić. Sary avy amin'i Dungodung, CC BY-SA 3.0 license.

Nandrahona “hivadika Silamo daholo” ny mponina ao Šopić, tanàna kely ao ivelan'i Belgrade ihany raha tsy navaozin'ny paroasy tamin'ny Oktobra 2015 ny fiangonana Ortodoksa ravan'izy ireo. Tamin'ny taratasy ho an'ny Patriarka Irinej ao amin'ny Fiangonana Ortodoksa Serba, niantso ny mpitarika Fiangonana ireo mpikambana ao amin'ny paroasy mba hanohana ny fanavaozana ny fiangonana kely Šopić 150 taona izay ravan'ny loza voajanahary tamin'ny vanin-taona mafana lasa teo.

Araka ny filazan'ny gazety Serba mpivoaka isan'andro Alo!, nanomboka ny olana raha nandrava ny fiangonana tao anatin'ny minitra vitsy ny tafio-drivotra tamin'ny volana Jolay 2014, nanala ny tafo, ary nandrava ny lakolosim-piangonana sy ny rafi-trano. Nandritra izany fotoana izany, nanapa-kevitra handrodana tanteraka ny fiangonana ny pretran'ny paroasy ary hanamboatra fiangonana vaovao eo amin'ny toerana na dia eo aza ny fitarainan'ny mponina ao an-toerana mba hiarovana ny rafi-trano efa zato taona sy tapany. Tamin'ny taratasy [1] nalefa ho an'ny mpitarika ny Eglizy Serba Ortodoksa, hoy ny mpiangona ao amin'ny paroasy hoe:

Ako ne dobijemo vašu podršku, koju očekujemo kao vernici i vaši ikreni mirjani, bićemo prinuđeni da, bože me prosti, pređemo kolektivno u islam kako bismo po pozitivnim zakonima Republike Srbije dobili bolju zaštitu za naše objekte i da kao naši stari mučenici na taj način čpuvamo našeg Gospoda Isusa Hrista u srcu, a na glavu stavimo bilo koju kapu koja će nam omogućiti da od bahatosti i bilo čije samovolje zaštitimo naše svetinje.

Raha tsy mahazo ny fanohananao izahay, fanohanana izay antenainay amin'ny maha-mpiangona iray finoana sy mpanara-dia mahatoky anao, voatery (hamela heloka anay Andriamanitra) hiova Silamo avokoa izahay mba ahafahanay, araka ny lalàna tsara ny Repoblikan'i Serbia, hahazo fiarovana tsara kokoa ho an'ny tempolinay sy hitandrina ny Tomponay Jesosy Kristy ao am-ponay tahaka ny nataon'ny maritiorantsika fahiny, ary hametraka izay satroka eo amin'ny lohanay mba ahafahanay miaro ny toerana masina amin'ny avonavona sy didy jadon'ny olona.

Nanampy tamin'ny fanambarana ho an'ny haino aman-jery ny mpiangona ao amin'ny paroasy Šopić fa tsy manohitra tanteraka ny fananganana fiangonana vaovao izy ireo raha tsy kitihana na asiana fanamboarana ny fiangonana taloha, nilaza koa fa mahatsiaro izy ireo fa tsy mba arovana tahaka ireo finoana vitsy an'isa hafa ao Serbia ny finoan'izy ireo.