Tajiks : Tezitra Amin'ny Gorvernemanta Amin'ny Fanovàna Ny Renivohitra Mahafinaritr'izy ireo

800px-Tajik_Parliament_House,_Dushanbe,_Tajikistan

parliemantan'i Tajikistan. Wikipedia.

Nisy antso natao tao amin'ny Avaaz, ny 13 Oktobra, miantso ny filohan'i Tajikistan firenena  Sovietika teo aloha sy ny ben'ny tanànan'i Dushanbe renivohitra, mba hanova ilay fanapahankevitra hanimba ireo tranoben'ny fandraharahàna sy kolontsaina ao anivon'ilay tanàna, mba hahazoana toerana malalaka ho an'ireo trano vaovao manaka-danitra.

Nahatonga onjanà adihevitra lehibe tao amin'ny Facebook ilay antso, teo amin'ireo olona izay mifandray akaiky amin'ireo tranoben'ny vanim-potoana Staline ireo ny fahatanoràna lalainy.

Nilaza izao i Rahima Tuychieva:

Без этих зданий Душанбе потеряет душу! историю! и будет таким бездушным и каменным городом!

Hanary ny fanahiny sy ny tantarany i Dushanbe raha tsy eo ireo tranobe ireo, ary ho lasa tanàna tsy misy fanahy sy vatovatoana.

Nanamafy  izany i Lidiya Isamova:

эти здания помнят многих великих людей нашей страны, как можно вырывать страницы своей же истории, вы ведь не вандалы, ГОСПОДА, ПРИНИМАЮЩИЕ РЕШЕНИЯ!!

Mampahatsiahy olona lehibe maro avy eto amin'ny firenentsika ireo tranobe ireo. Ahoana no ahafahantsika manala pejy amin'ny tantarantsika? Ireo olona mandray ireo fanapahankevitra ireo, tsy mpihetraketraka ve ianareo?

Azo lazaina ho tanàna vaovao i Dushanbe, namboarina vao latsaky ny zato taona lasa izay, fony namolavola repoblika ho an'ireo vahoaka miteny persiana ao Azia Afovoany ireo Sovietika.

Naorin'ny Rosiana izany ny ankamaroan'ireo tranobe ao Dushanbe, manan-daja amin'ny lafiny fandraharahana sy koltoraly, nampiasa fifangaroana endrika Eoropeana mahazatra sy endrika ‘nasionaly’ kokoa, na tatsinanana.

Miaraka amin'ireo tranobe maro notànana tamin'ny fotoanan'i Staline, fony mbola nanana ny anjara toerany teo amin'ny fomba Sovietika fandrafetana tanàna ny endrika, nanana ny endrika manintona manokana i Dushanbe, amin'ny maha tanàna azy, raha noharina tamin'ny sasany amin'ny fifaninanana kaominista taloha.

Fa mandrahona ny hanova zavatra maro, hahatonga ilay tanàna safatsiroa ho lasa korotam-by sisa, ilay Drafitra Ankapoben'ny tanàna, miaraka amin'ny drafitra fandravàna ireo toerana manamarika ny tanàna efa ela nipetrahana teo, ary ireo mpitondra ny firenena matimaty amin'ireo endrika trano goavana mitovy amin'ny any Dubai.

Amin'izao, ao aminà firenena izay mety hampiditra anao any am-ponja mandritra ny alina maromaro ny fitokonana na fidinana an-dalambe tsy misy dikany aza, nandray ny Facebook hanaovana ny adiny ireo Tajiks, mba hiadiana ny hitazonana ny toerana fisotroana dite nasionaly, ny lapa tranainin'ny Filoha, ny Lapan'ny tanàna ao Dushanbe, ny Parlemanta, ary ny toerana roa fanaovana tantara an-dapihazo.

Rohat teahouse. Photo from Panoramio

Toerana fisotroana dite Rohat. Sary avy tamin'ny Panoramio an'ny mpampiasa Maris Teteris. Nahazoan-dàlana.

Tezitra i Rajab Mirzo:

Чойхонаи Рохат ин на танхо бинои зебои милли, балки хотирае аз овони самимияту арзони ва бакадрии инсонхост. Касри Президенти имруза факат еддошт аз гирдихамоихову хунрезихои аввалин надорад, дар ин макон таърихи давлати имруз Точикистони мустакил бандубаст шуда. Бинои парлумон барои хар точику точикистони аз он чихат арзишманд аст, ки Эъломияи Истиклолро дар он кабул кардаанд. Сафхахои китоби таърихро наканед!

Tsy hoe tranom-pirenana tsara tarehy fotsiny ny toerana fisotroana dite Rohat, fa fahatsiarovana avy amin'ireo fotoana matotra, maha-olona ary takatry ny rehetra ihany koa. Tsy mampahatsiahy ireo hetsi-panoherana nihoson-drà fotsiny ny lapan'ny Filoha, fa ihany koa ny pejy voalohany tamin'ny fanorenana ny fanjakana Tajik maoderina. Manan-danja lehibe aminay ny tranoben'ny Parlemanta satria natao sy nolaniana tao anatin'io ny fanambaràna ny Fahaleovantena. Aza fafàna ireo pejin'ny tantara!

Nitaraina i Zarina Khalilova:

Чайхана “Рохат”, театр им.Лохути, “Зеленый театр” и пр., это – моя Родина, мой город, мой дом! Это воспоминания, детство, юность, первое свидание… Это – ДУША города, в котором ты родился и сформировался. Это – отчий дом!!! Это – прошлое, которым дорожишь, которое греет душу. И пусть сохранится его ДУША!

Toerana fisotroana dite Rohat, toerana fanaovana fampisehoana an-dapihazo Lohuti, ary ireo ambiny hafa, ireo no tanindrazako, ny tanànako, ary ny tranoko. Fahatsiarovako ireo, ny fahazazako sy ny fahatanoraka, ny fifamotoanako voalohany… Fanahin'ny tanàna nahaterahako sy nahalehibe ahy io. Tranon-draiko io. Io no lasako mamiko indrindra, ny lasa, izay manafàna ny fanahiko. Aleo ho kajiana ny fanahiny!

Ho fanampin'ireo zavatra rehetra napetraka amin'ireo mombamomba anao sy ireo adihevitra maro anatin'ireo vondrona, manana pejy Facebook manokana mihitsy ilay hetsika miaro ny tantaran'i Dushanbe, ary efa nosoniavin'ny olona am-polony ilay fanangonan-tsonia tao amin'ny Avaaz.

Fa kely kosa ny fihetsehampon'ilay governemanta izay efa nanorina ny tranomboky lehibe indrindra any Azia Afovoany, ny toerana fisotroana dite lehibe indrindra ary ny maoske lehibe indrindra, raha vao resaka momba ireo toerana tranainy, mahafinaritra no atao.

Ny 13 Oktobra, nilaza ny Minisitry ny Kolontsaina fa samy tafiditra ao anatin'ny lisitr'ireo toerana dimy manan-tantara ao Dushanbe ny Parlemanta sy ny Lapan'ny Filoha.

Kanefa, iray andro talohan'io fanambaràna io, nisy fanambaràna tamin'ireo mpanao gazety  nataon'i Nurali Saidzod, filoha lefitry ny kaomitin'ny fanorenana sy ny maritrano,  hoe tsy misy manana lanja ara-tantara ireo tranobe harodana:

 

Чайхана «Рохат» не имеет никакой уникальности. Если вы увидите эскизы того, что будет на ее месте построено, то вы то же самое скажете

Tsy misy maha-safatsiroa io toerana fisotroana dite Rohat io. Raha hitanareo ny endrik'ireo haorina eo amin'ny toerany avy eo, hiteny mitovy amin'izany ihany koa ianareo.

Dushanbe amin'ny alina, avy tamin'i Bahrom Jalilov. Nahazoana fahazoandàlana.

Nanamarika ny fihetsiketsehana tsy fahita firin'ireo fiarahamonim-pirenena, ao amin'ny firenena izay mahazatra ny olona ny mangina sy miala arak'izay tratrany ny resaka politika, ilay zavatra nolazaina momba ireo tranobe manan-tantara.

Fa tsy fampiononana ho an'ireo mponina izay mahatsapa voahilikilika lavitra tsy hifandray amin'ny toerana nahaterahany izany.

Nitaraina i Michelle Zarina Gerber:

Я вообще не узнала город. Да, он чужой, не мой родной Душанбе. Теперь я по нему не скучаю. Зачем скучать по чужому городу и чужим людям?

Tsy mahafantatra ity tanàna ity intsony aho. Tanàna avy any amin'ny tany tsy fantatra ity, tsy ny Dushanbe-ako. Ankehitriny tsy halaleho ity tanàna ity aho. Inona no tokony alahelovana tanàna tsy fantatra sy vahoaka tsy fantatra?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.