- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miaramila Isiraelianina nitsofoka an-tsokosoko tao amin'ny fihetsiketsehana palesitinianina ary manambana basy azy ireo avy eo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Palestina, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
The undercover Israeli protesters seen pointing guns at Palestinian stone-throwers in a still from a video taken by AFP and shared on YouTube today. Still shared by @joeyayoub on Twitter [1]

Isiraelianina “Mpanao fihetsiketsehana” hita manambana basy Palesitinianina mpanao fihetsiketsehana hita amin'ny lahatsary nalain'ny AFP ary nozaraina tao amin'ny YouTube. Nozarain'i @joeyayoub tao amin'ny Twitter

Nipongatra an-tserasera ny sarin'ireo Isiraelinianina miaramila manao fitafiana Palesitinianina. Ny lahatsary, nalain'ny AFP [2], dia ahitana miaramila isiraelianina maromaro manao ho toy ny Palesitinianina mitora-bato miaraka amin'ny Palesitinianina ny Tafi-Piarovana Isiraelianina eo ivelan'i Beit El, ao amin'ny Morondrano Andrefana Voabodo. Hita avy eo ireo miaramila ireo namoaka ny basiny ary nitifitra tany amin'ireo mpanao fihetsiketsehana miezaka ny mandositra. Raha mandositra ny maro afa dia misy mpanao fihetsiketsehana iray kosa hita ho voadarok'ireo miaramila miafin'endrika izay nohatevenin'ny namany manao fanamiana laharana avy eo. Hita ao amin'ny lahatsary ihany koa ny mpanao fihetsiketsehana iray manao t-shirt mainty azon'ny IDF ary navela haratra teo amin'ny tany. Araka ny AFP, mpanao fihetsiketsehana telo no noratrain'ny IDF tamin'ity raharaha ity.

Araka ny tatitry ny Al Jazeera [3], izay nanatsonga ny mpitondratenin'ny Tafika Isiraelianina dia “manodidina ny 350 teo ho eo ny Palesitinianina nifandona tamin'ny vondro-tafika isiraelianina teo akaikin'ny toeran'ny voanjo ao Beit El. Nilaza izy fa notafihana tamin'ny baomba tavoahangy sy vato ny miaramila Isiraelianina ka roa no naratra nampidirina hopitaly.”

Nanohy ihany ny tatitra :

“Palestinians regularly accuse Israel of placing Arabic-speaking infiltrators among demonstrators in order to make arrests.”

Tsy mitsahatry ny ampangain'ny Palesitinianina ho manatsofoka olona mpiteny arabo ao amin'ireo mpanao fihetsiketsehana i Isiraely hiomanany amin'ny fisamborana.

Ny fifandonana tamin'ity indray mitoraka ity kosa dia nitranga ora vitsivitsy taorian'ny tsatok'antso roa [4] tao Jerosalema Atsinanana voabodo sy tao an-tanàna isiraelianina ao Kiryat Gan. Nitohy nandritra ny telo herinandro ny fifandonana teo amin'ny Palesitinianina sy ny voanjo Isiraelianina taorian'ny fifanandrinana tao amin'ny Mosken'i Al-Aqsa sy ny manodidina ny Tanàna Fahagola.

Fadi Arouri nizara sary maromaro kokoa na tamin'ny Facebook [5] na tamin'ny Twitter tamin'ity toe-draharaha ity ihany izay nahitana Isiraelianina nisovoka tao anatin'ny fihetsiketsehana palesitinianina :

Vondrona mpisovoka iray nanafika sy nisambotra Palesitinianina mpanao fihetsiketsehana akaikin'i Ramallah androany

Nanazava [5]izy tao amin'ny Facebook:

A combination of pictures shows Israeli undercover unit attacks palestinian protesters and arresting 3 of them, one of the protesters shot from a close distance in the head. this is during clashes near DCO / Beit Eil Checkpoint in the north of Al-Bireh city in occupied west bank

Tambatamba-tsary maneho vondro-tafika miafina nanafika Palesitinianina mpanao fihetsiketsehana ary nisambotra ny telo tamin'izy ireo, voatifitra akaiky teo amin'ny lohany ny iray amin'ireo mpanao fihetsiketsehana, Nitranga nandritra ny fifandonana akaikin'ny toera-pisavana eo DCO / Beit Eil ao avaratr'i Al-Bireh ao amin'ny Morondrano Andrefana voabodo izany rehetra izany

Diana A. namariparitra lahatsary hafa tamin'ity tranga ity ihany, nizara izany tao amin'ny Facebook avy amin'ny Sampam-Pampielezam-Baovao Shehab [11], ho “maharikoriko” :

Maharikoriko mihitsy ity lahatsarin'ny polisy miafina mitifitra sy misambotra tanora maratra ity . Fifandonana eto BeitEl amin'izao fotoana izao – 3 no naratra

Ity lahatsarin'ny fampielezam-baovao Shehab [11] ity dia efa nisy nijery nihoatra ny 60.000 ary mbola mitombo izany amin'izao fotoana izao.

Araka ny tatitry ny gazety Isiraelianina Haartez [16] dia nandray anjara tamin'ity raharaha ity ny voanjo :

Two Palestinian youths were reported injured, one seriously, by live fire from IDF troops and settlers east of Bethlehem on Wednesday morning. It is not known at this stage whether the youths were hit by fire from the IDF or settlers.

The incident occurred when settlers joined soldiers in attempting to clear stone-throwing Palestinians from the road leading to the settlement of Tekoa.

Tanora Palesitinianina roa no naratra, naratra mady ny iray avy amin'ny bala tena izy natifitry ny vondro-tafika IDF sy ny voanjo ao atsinanan'i Betilehema tamin'ny alarobia maraina. Tsy mbola fantatra amin'izao fotoana izao raha avy amin'ny IDF na avy amin'ireo voanjo ny bala nahavoa ireo tanora ireo.

Nitranga ity raharaha ity raha nanatevin-daharana ireo miaramila ny voanjo tamin'ny fiezahana namafa ireo vato natoraky ny Palesitinianina hiala ny arabe mizotra mankany amin'ny tobin'ny voanjo ao Tekoa.

Ny tambajotram-baovaon'i Palesitinina kosa dia manoritsoritra [17] ireo “mpanao fihetsiketsehana ” nasovoka ho mpitsikilon'i Isiraely:

At least three were seriously injured and then kidnapped by IOF and undercover special agents (Musta’ribeen) during a protest that was headed towards the Beit Eil military checkpoint east of Ramallah on Wednesday afternoon.

Sources said that the armed masked special agents have opened fire, alongside the IOF, on the protesters. The demonstration was launched from Birzeit University near Ramallah, and was headed towards the Beit El military checkpoint north Ramallah.

One of the three wounded was shot in the head, and dragged down by the soldiers. There are unconfirmed news on his death as his injury is highly critical.

Telo farafahakeliny no naratra mafy taorian'ny fakana an-keriny nataon'ny IDF sy ny mpitsikilo tafasovoka  (Musta’ribeen) nandritra ny fihetsiketsehana iray izany nizotra nankany amin'ny toera-pisavan'ny miaramila tao Beit Eil ao atsinanan'i Ramallah tamin'ny alarobia folakandro.

Nilaza ny loharanom-baovao vitsivitsy fa nitifitra mpanao fihetsiketsehana niaraka tamin'ny IOF ireo mpitsikilo vondrona iray manokana. Niainga avy ao amin'ny Oniverisiten'i Birzeit akaikin'i Ramalla ny fihetsiketsehana ary nitodi-doha naankany amin'ny toera-pisavan'ny miaramila ao Beit Eil ao avaratr'i Ramallah.

Voatifitra teo amin'ny lohany ny iray tamin'ireo telo naratra, ary notaritaritin'ny miaramila. Misy ny filazana tsy voamarina tamin'ny fahafatesany noho ny ratrany mety hahafoizana aina.