Tantara mitohy hatrany ny ady ho amin'ny fitovian-jo rehefa mikasika ny lahy sy ny vavy no resaka, mety hoe mafimafy kokoa any an-kafa miohatra amin'ny ampahany sasany eto amin'izao tontolo izao. Vaka tanteraka ilay bilaogy Karibeàna Code Red [2], miompana amin'ny fiarovana ny fitovian-jon'ny vehivavy amin'ny lehilahy, izay matetika manao antso avo noho ny fisian'ny tsy rariny mifandray amin'ny maha-lahy na maha-vavy ao amin'ilay faritra, manoloana amin'ireo fanararaotana tsy maintsy zakain'ireo vehivavy avy any India Andrefana, milaza fa toa ekena noho ‘ny lafiny kolontsaina ny ankamaroan'ireo fankahalàna vehivavy ireo.
Ilay zava-nitranga ny faran'ny volana Jolay [3] no tena nifantohan'ilay bilaogy, resaka izay nahatafiditra ny filoha Haitiana Michel Martelly. Tany amin'ny fanaovana fampielezankevitra tany Miragoane [4], nitsikera ampahibemaso an'i Martelly sy ny governemantany ny vehivavy iray tao anatin'ireo vahoaka, nanontany hoe inona no eritreretin'izy ireo hatao momba ny tsy fahampian'ny tolotra herinaratra [5] ao amin'ny faritra misy azy. Namaly ny filoha, tsy niresaka ilay olana voalaza anefa, fa kosa, tamin'ny fitenenana ilay vehivavy mba “hitady lehilahy ary hankany anaty akata” [6] — nandraraka an-tany tanteraka ireo olany ary nilaza taminy fa ho voavahan'ny firaisana ara-nofo ireo olan'ilay vehivavy.
Tena henjana lavitra noho ny maha-hasidoana maneho ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy azy no fahitan'ny Code Red [7] ny fanamarihan'i Martelly :
Nandrahona vehivavy tamin'ny herisetra araka ny maha-vavy azy i Michel Martelly satria nikatsaka ny hitazona azy ho tomponandraikitra manoloana ny vahoaka izy.
Nitanisa mivantana avy tamin'ny tatitra iray [8] momba ilay zavatra nitranga izay niampanga an'i Martelly ho nanana fitondrantena tena ratsy lavitra ihany koa ilay bilaogy — tsy misy mihitsy porofo manohana ireo fitarainana ireo, na dia nanamarina aza io tatitry ny Miami Herald [9] io fa voarakitra anaty horonam-peo ary nalefa tamin'ny radiô Haitiàna ireo fanamarihan'ny filoha.
‘Ilay adala tsy manaja vehivavy’
Nandritra izany fotoana izany, haingana ny fanehoan'ny vahoaka ny hatezerany tamin'ilay zavatra nitranga tany Miragoane — nanao hetsi-panoherana [10] ireo vahoaka, na teny an-kianja na tany amin'ny sehatry ny bilaogy — ary nametra-pialàna [9] ireo vehivavy maro mpikambana [3]tao amin'ny governemantan'i Martelly.
Women march in #Haiti [11] capital of Port-au-Prince to protest President #Martelly [12]‘s #Miragoâne [13] comments http://t.co/DgZCksYfpX [14]
— Michael Deibert (@michaelcdeibert) August 4, 2015 [15]
Nanao diabe tany Port-au-Prince renivohitry #Haiti [11] ireo vehivavy mba hanoherana ilay fanehoan-kevitry ny Filoha #Martelly [12] tany #Miragoâne [13]
Tao amin'ny Twitter aza nisy fanangonan-tsonia tamin'ny Aterineto [16] mihitsy nanohitra ilay fanehoankevitr'i Martelly manambany ny vehivavy ary, niady hevitra momba ilay valin-kafatra mankahala vehivavy nataon'i Martelly tamin'ny tsikeran'ilay vehivavy ireo mpisera amin'ny Aterineto:
Depuis l'incident de #Miragoâne [13] je me fais un devoir de ne plus écouter ce que #martelly [17],pdt bouffon,qui ne respecte pas les femmes a à dire
— Chantal M. Elie (@chantalmelie) September 10, 2015 [18]
Hatramin'ny nisian'ilay tranga tao #Miragoâne, ataoko adidy mihitsy ny tsy mihaino izay tian'ilay #martelly, filoha vendrana, izay tsy manaja ireo vehivavy, ho tenenina
Nisy iray mpampiasa Twitter nieritreritra fa fanampin'ilay filazàna ny fomba fiasa feno kolikolin'ny governemantany tsotra izao ilay fanehoan'i Martelly ny fanaovana tsinontsinona vehivavy :
#Haiti [11] #Martelly [12] is not only corrupt, but he's a sexist pig as well. #ThankUHillary [19]! http://t.co/4cXophjpEV [20]
— James S. Henry (@submergingmkt) August 6, 2015 [21]
#Haiti #Martelly, tsy hoe feno kolikoly fotsiny, fa kisoa mpanao tsinontsinona vehivavy ihany koa. #ThankUHillary!
Tsy gaga tamin'io zavatra nolazainy io ireo hafa:
#martelly [17], pushed & pushed the limit to see how far he can get & he got far… He was never able to stand others who stood up to him!
— Chantal M. Elie (@chantalmelie) August 6, 2015 [22]
nanosika ary nanosika hatrany ny fetrany i #martelly, mba hahitàny hoe hatraiza no afaka ataony & ary nahita ny farany izy izao… Tsy vitany velively ny tsy hihetsika manoloana ireo manohitra azy!
I've come to the conclusion that he doesn't care anymore and it shows through his behavior #Martelly [12] #OnceUponATime [23]
— kandida Gio (@GioJules) July 30, 2015 [24]
Tonga tamin'ny tsoakevitra aho hoe tsy misy hiraharahàny izany intsony ary asehony amin'ny fihetsiny mihitsy izany #Martelly #OnceUponATime(IndrayAndroHono)
Ho an'ireo sasany, anefa, tsy misy mihitsy fialantsiny azo aroson'ilay mpiangaly mozika lasa mpanao politika izay nantsoina fahiny hoe Sweet Micky:
fuck yeah Sweet Micky can talk shit abt whatever the fuck. but President Michel Martelly better get his shit settled as MY PRESIDENT.
— Kitty Pride (@birdie_leii) July 30, 2015 [25]
Kiii Eny e afaka miresaka zavatra tsy misy dikany momba izao diky rehetra izao i Sweet Micky. fa tsaratsara kosa raha toa ny filoha Michel Martelly mba mieritreritra tsara ny vava avoakany amin'ny maha-FILOHAKO azy.
Ary eny, nisy ireo sasany nanohana an'i Martelly…
While Marie Lucie of #Vision2000 [26] appeared to have made excuses 4 #Martelly [12]‘s anti-women comments, @RTVCHAITI [27] having field day w/ intl focus.
— Jacqueline Charles (@Jacquiecharles) August 3, 2015 [28]
Raha niseho ho nanao fialantsiny tamin'ny fanehoankevitra tsy tia vehivavy nataon'i #Martelly i Marie Lucie avy amin'ny #Vision2000, vaovao niompana tamin'ny iraisam-pirenena no nalefan'ny @RTVCHAITI tontolo andro.
…fa nitsangana niray hina tamin'ny mitovy aminy ny ankamaroan'ireo mpikatroka mafana fo mpiaro vehivavy sy ireo vondrom-behivavy :
Women's groups denounce silence of women ministry, women political leaders, the PM re: #Martelly [12]‘s comments. #vision2000 [29]
— Jacqueline Charles (@Jacquiecharles) August 3, 2015 [30]
Ampangain'ireo vondrom-behivavy ny fahanginan'ireo vehivavy minisitra, ireo vehivavy mpitarika ara-politika, ny PM re: fanehoankevitr'i #Martelly. #vision2000
Women's group says awaiting reaction from @UN [31] and @EU_Commission [32] on #Martelly [12]‘s comments. “They have a right to say something.” #vision2000 [29]
— Jacqueline Charles (@Jacquiecharles) August 3, 2015 [33]
Nilaza ny vondrom-behivavy fa miandry ny fihetsiky ny @Firenena Mikambana sy ny @Kaomisiôna Eorôpeana momba ilay fanehoankevitr'i #Martelly. “Manan-jo ny hiteny zavatra izy ireo.” #vision2000
Efa nametra-pialàna ihany koa ny mpiasa-panjakana ambony iray hafa tao amin'ny governemantan'i Haiti:
Another #Martelly [12] govt official, this one Minister of Agriculture Fresner Dorcin, resigns http://t.co/lLQrj19eVs [34]
— Michael Deibert (@michaelcdeibert) September 19, 2015 [35]
Nametra-pialàna ny mpiasam-panjakana iray hafa tao amin'ny governemantan'i #Martelly, Fresner Dorcin Minisitry ny Fambolena
Ny làlana lava tsy maintsy mbola hodiavina ho an'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy Karibeana
Mandritra izany, notohizan'ny lahatsoratry ny Code Red [7] ny resaka hitanisàna ireo tranga hafa mikasika ireo fandrahonana ireo vehivavy sy ireo sarimbavy tany amin'ny faritra maro — Mpianatra zazalahy Barbadiàna [36] “nihira hira mankasitraka ny fanolanana: Tek dickey and roll”; ny vokatry ny adin'i Caleb Orozco hampitsaharana ireo lalàna manohitra ny sarimbavy any Belize [37]; ary ny fandrahonana ampahibemaso nataon'ny mpiasa-panjakana iray ao amin'ny governemanta [38] tamin'ny vehivavy mpikatroka mafana fo iray tany Goiana — nahatonga tsoakevitra hoe “lalim-paka ao amin'ireo mpifankatia tsy mitovy taovam-pananahana / olona mametraka ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ny fankahalàna vehivavy sy ny herisetra amin'ny sarimbavy”:
Ambinambin-javatra ny fanolanana. Afaka manandrana io ireo zazalahy mpianatra ary afaka mandrahona ireo vehivavy olon-tsotra amin'io ny Filoha.
Nilazàna ireo vehivavy mpikatroka mafana fo fa mila mihaona amin'ireo lehilahy mitia vehivavy any amin'ny misy azy ireo isika, fa mila mamela ireo lehilahy amin'ny fankahalàny vehivavy isika (sahala amin'ny hoe afaka manan-tsafidy amin'izany resaka izany isika?) toy ny hoe dingana iray tsy azo eo noho eo amin'ireo fitarainantsika hanana ny maha-olona feno ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy. Mila mahay mahandry sy milamina ary tsara isika. Tambatsela mandrafitra ny fiarahamonintsika ny fanilihana vehivavy. Ny miaina manaraka azy io no tsara indrindra noho ny manafoana azy. Tsaratsara kokoa ny manao atrikasa io noho ny manongotra ilay ahiahy ratsy!
Nifarana tamin'ny naoty malahelo ilay lahatsoratra, na hoe mbola manohy miady amin'ny tsy fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy isan'andro aza ilay bilaogy — sy ireo vehivavy miteny mivantana manerana an'i Karaiba:
Misy ireo andro, na miady mafy fatratra aza ireo mpiaro ny zon'ireo vehivavy Karaibiana mamirapiratra, tafalentika ao anatin'ilay hafatra miverina tsy miova ary mandeha amin'ny lafivalo hoe tsy misy dikany ireo vehivavy sy ireo zazavavy. Ary ny sisa tamin'ny fotoana? Mijanona ao an-dohanao ilay hira fanenjehana ventesin'ny zazalahy mpianatra manatefotefoka ny filoha.