Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

10 Oktobra 2015

Tantara tamin'ny 10 Oktobra 2015

Miaramila Isiraelianina nitsofoka an-tsokosoko tao amin'ny fihetsiketsehana palesitinianina ary manambana basy azy ireo avy eo

Nipongatra an-tserasera ny sarin'ireo Isiraelinianina miaramila manao fitafiana Palesitinianina. Voalohany, dia ahitana miaramila isiraelianina maromaro manao ho toy ny Palesitinianina mitora-bato miaraka amin'ny Palesitinianina. Avy eo ry zareo nanambana basy ny Palesitinianina

Angona Boky Vaovao Hoan'ny Ankizy Manaisotra Ny Hevitrao Momba Ireo Printsesy

Tsy mbola nonina tao anaty lapa mihitsy ireo vehivavy maherifo amin'ireo tantara ireo na koa miandry printsy mahafatifaty hoavy sy hamonjy azy ireo.

Ampahatsiahivin'ilay Fanehoan-kevitra Fanambaniana Vehivavy Nataon'ny Filoha Haitiana Amin'Ireo Karaibiana Mpiaro Ny Vehivavy Fa Mbola Ho Lava Ny Làlany

Manomboka amin'ny hiran'ny fanolanana ataon'ireo zazalahy mpianatra ka hatramin'ireo fandrahonan'ny ministera, mbola mizaka ny vokany amin'ny fitenenana ampahibemaso ihany ireo vehivavy manerana an'i Karaiba, hoy ny bilaogy Code Red mpiaro ny zon'ny vehivavy.

Mpanoratra Sady Mpanao Gazety Belarosiana Svetlana Alexievich No Nandrombaka Ny Loka Nobel Literatiora 2015

Alexievich no vehivavy faha-14 nahazo ny loka Nobel Literatiora, ary mpanoratra amin'ny teny Rosiana voalohany nahazo ny voninahitra hatramin'ny 1987 nahazoan'i Joseph Brodsky, poeta ny loka.