- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nakatona Tao Amin'ny Facebook Ny Kabul Taxi. Ho Ela Velona Ny Kabul Taxi!

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Afganistana, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava
The cover of the Kabul Taxi facebook page which was closed by the social media service on ______

Sary rakotra ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Kabul Taxi izay nofafana tao amin'ny Facebook tamin'ny volana lasa teo.

“Mangidy ny fiainana, ankamantatra ny ho avy” hoy ny vakin'ny hafatra ao amin'ny varavarankely aoriana amin'ny Kabul Taxi, Toyota kely mavomavo nanjary endrika vaovaon'ny esoeso ara-politika ao Afghanistan mandra-pahanjavonany tao amin'ny Facebook tamin'ny volana lasa.

Manesoeso sady marani-tsaina ny hafatra, milaza ny fisiany nandritra ny fotoana fohy sy mandalo fotsiny niainan'ny taxi an'eritreritra ankafizin'ny mponin'i Kabul indrindra sy ny anjara tsy fantatra manokan'ny Afghanistan, izay amin'ny endrika pejy Facebook avokoa izany rehetra izany.

Nanoratra kaonty an'eritrerintra ny zava-niainany mitondra taxi foronin'ny eritreritra fa ‘nitondra’ mpandeha olona ambony – matetika manam-pahefana ambony – ary namindra ny fifanakalozan-kevitra ara-politikan'izy ireo ho lahatsoratra fohy teny an-dalana ho any amin'ny toerana aleha ny mpanoratra tsy mitonona anarana.

Na dia tsy nisy akory aza ny fifanakalozan-kevitra raha ny tena marina, zava-misy tsy mampahazo aina sy manao ampamoaka momba ireo lehilahy ao amin'ny seza aoriana izany .

Noho ny fitomboan'ny fampiasana fampitam-baovao sosialy ao Afghanistan, mihena ao anatin'izany ihany koa ny fitokisana ny haino aman-jery nentim-paharazana, izay matetika voatohintohina ara-politika, nipoitra ny sampam-baovao manesoeso tahaka ny Kabul Taxi izay sehatra hanehoan'ny Afgàna ny tsy fahafaliany amin'ny lalan'ny izoran'ny firenena amin'izao fotoana izao .

Hita ao amin'ity sehatra manesoeso ity avokoa ny fahasorenan'ny olom-pirenena amin'ny kolikoly, ny kiantranoantrano, ny tsy fandriampahalemana ary ny tsy fananan'asa. Nampihomehy azy ireo izany, ary nanampy azy ireo hiantsoantso mafy. Niakatra hatramin'ny 600.000 tao anatin'ny volana nanoratan'ny [1] Washington Post tantara telo mifanesy momba ny taxi ny isan'ireo mpankafy ny pejy 13 000 tany am-boalohany.

Saingy raha hita fa hisidina ny Kabul Taxi, dia nisy olona nanakana izany.

Nakaton'ny Facebook ny pejy fotoana fohy taorian'ny nandraisany ny mpanolotsaina ara-piarovam-pirenenan'ny Filoha Ghani, Hanif Atmar, sy ireo andian-tanora mpanolotsaina 27 manaraka azy, izay nasehon'ny Kabul Taxi ho toy ny ankizy ampihataina zanaky ny lehiben'ady sy sangany ara-politika Afgàna.

3.letter

Taratasin'i Hanif Atmar ho an'ny NDS. Niparitaka tao amin'ny aterineto.

Naneho hevitra momba ny karama ambony raisin'ireo tanora mpanolotsaina sy ny fomba nanendrena azy ireo ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Vondrona Mantra an'i Hanif Atmar”.

Tsy nankasitraka ny esoeso i Atmar, mpitsikilon'ny fitondrana komonista nandritra ny 1980. Nandefa taratasy ho an'ny Fitantanam-Piarovana Nasionaly (NDS) — sampam-pitsikilovana nasionaly ao Afghanistan izy — ary nangataka azy ireo mba hijery ny raharaha.

Ny fitarainan'i Atmar voalohany — asehon'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity io ankavanana io- dia esoeso mamoaka ny fanondroana sy ny andraikitry ny mpiasan'ny Filankevi-piarovana amin'ny fomba manala-baraka mampidi-doza ny fiainan'izy ireo.

Na dia mila fiheverana aza izany filazana izany, toa azo heverina fa noho ny nikitikitihana ny voninahitr'i Atmar no nanosika azy hanoratra ity taratasy ity.

Tamin'ny 22 sy 23 Aogositra, nampanantsoin'ny [2] NDS ireo lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny gazety ao an-toerana iray hohadihadiana noho izy ireo voarohirohy fa tompon'andraikitry ny pejy.

Na dia efa navotsotra aza ireo mpanao gazety, mbola niteraka fifanjevona tao amin'ny fampitam-baovao sosialy ny zava-nitranga

Nanomboka ny volana Septambra no tsy niasa ny Kabul Taxi

Mpiserasera Facebook iray nanoratra hoe [3]:

Kabul Taxi is closed but it is idiotic to think it will prevent people to think critically or speak up in today's world with many ways for communication.

kt12

“Ny filan-kevitra, izay i Atmar no mpanome baiko” hoy ny vakin'ny lahatsoratra eo ambanin'ny sarin'i Hanif Atmar, mpanolo-tsainan'ny Fiarovam-pirenena. Sary: Kabul Taxi.

Nakatona ny Kabul Taxi saingy adalàna ny mihevitra fa hanakana ny olona tsy hitsikera na hiloa-bava amin'izao tontolo ankehitriny ahitana fomba maro amin'ny fifandraisana izao izany

Mety raisin'ny sasany ho marika mampiahiahy fankatoavan'ny Facebook ny sitrapon'ny governemantam-panjakana ny fanakatonana, saingy tsy nijanona hatreo ny tambajotra media sosialy fa mbola nahitana pejy maromaro manana anarana sy tanjona mitovy amin'izany izay nipoitra fotoana fohy taorian'ny nanakatonana ny Kabul Taxi.

Milaza fa entin'ny saofera iray ihany ireo taxi vaovao rehetra. Anisan'ny mpandova ny seza-boninahitra azo itokisana ny pejy [4] manana tiako 96 000 sy milaza fa ‘Kabul Taxi vaovao tena izy’.

Nampiseho [5] pikantsarin'ny mailaka milaza fa avy ao amin'ny Facebook ny pejy. Ao amin'ny mailaka, tsy mety mamerina ny pejy ny orinasa, angamba taorian'ny fifandraisana tamin'ny manampahefana ara-piarovanai Afghàna:

Screen Shot 2015-10-02 at 10.32.02

Miarahaba,
Nesorina ny pejinao “Kabul Taxi” fa nanitsakitsaka ny Dinam-Pampiasana azy. Ny pejy Facebook dia najoro ho amin'ny fandraharahana na fampiroboroboana fotsiny ihany. Ankoatra ny zavatra hafa, ny pejim-pankahalana, fandrahonana, na vetaveta dia voarara. Akatonay ihany koa ny pejy mamelo olona na vondron'olona, na natsangan'olona tsy nahazo alalana ho amin'izany. Raha nesorina noho ireo antony eo ambony ireo ny pejinao, dia tsy ho averina intsony. Ny fanohizana ny fampiasana ny Facebook amin'ny tsy tokony ho izy dia mety hiafara amin'ny fahaverezan'ny kaontinao tanteraka.
Ny Ekipa Facebook

Mampiseho fanentanana, ‘Atmar sy ny Kabul Taxi’ [6] ny lahatsoratra iray hafa navoakan'ny pejy, mampiseho ny mpanolo-tsaina ara-piarovana novazivazian'ny taxi mavomavo iray — Kabul Taxi. Mifarana amin'ny fanambarana hoe: ‘Saofera Kabul Taxi aho’ ny fanentanana

kt8

Sorena noho ireo pejy marobe mizara lahatsoratra mitovy ny mpiserasera Facebook mamantatra hoe iza no taxi hosoka ary iza no tsy hosoka..

Azo fenoina ny banga navelan'ny pejy raha resaka votoaty esoeso no jerena, saingy ny mahamanimanina ny maro dia ny adihevitra mafana misy isaky ny lahatsoratra tao amin'ny pejy orizinalin'ny Kabul Taxi.

Toa toy ny tsy hiverina intsony izany, raha tsy hoe vonona hizaka ny fiantraikan'ny famoahana ny mombamomba azy ny mpamorona azy (ny pejy).

Iray volana monja taorian'ny fanjavonany, manembona ny fiaram-pitaterana ankafiziny ny Afghàna, mivavaka mba any ho any izy, miandry hiaraka amin'ny mpijery maminy tanteraka.

[Dikan-teny avy amin'ny soratra Pashto ao amin'ny varavarankelin'ny Kabul car]: Ela Tsy Nifankahita!