- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Netizen Report: Hibahana Ireo Antso Amin'ny WhatsApp sy Skype Ve Ejipta?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Abla Fahita, a comical hand puppet and sidekick of Egyptian television comic TKTK. The pupeet became the target of scrutiny after she was featured in a controversial Vodafone ad in 2013. Screen capture from advertisement via Mada Masr.

Abla Fahita, saribakoly an-tànana sy vahiny matetika ao amin'ny fandaharana mandeha amin'ny alina be ao Ejipta. Nofaritan'ireo manampahefana tamin'ny fomba tsotsotra [1] ho loza manambana ho an'ny filaminana izy taorian'ny nisehoany taminà dokambarotra Vodafone nahatonga resabe ny taona 2013. Dikasary avy tamin'ny dokambarotra nalefan'ny Mada Masr.

Netizen Report dia manome topimaso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, fandresena, ary fironana vao mipoitra amin'ny zon'ny Aterineto manerana ny tany.

Any Ejipta,  maro ireo mpampiasa nitatitra nanao tatitra tamin'ity herinandro ity (08-Okt-15) fa tsy afaka mampiasa ny tolotra antso amin'ny Skype, WhatsApp, na Viber. Amr Gharbeia [2], mpanolotsaina amin'ny resaka teknolojia sady mpikatroka mafana fo amin'ny Aterineto, nanara-maso ireo fivoaran-draharaha ireo [3] ary nitafatafa tamin'ireo mpampiasa manerana ny firenena mba hanamarina tsara hoe inona no tena zavatra mitranga sy raha toa ka vokatry ny didin'ny governemanta ireo fibahanana hita tamin'ireo tolotra ireo. Nanoratra [4] tao amin'ny Facebook i Gharbeia hoe efa nobahanana tany Ejipta hatramin'ny taona 2010 ny antso VoIP mankany an-tany lavitra amin'ny alalan'ny Skype, fa toa hita ho nihitatra tamin'ny WhatsApp izany nandritra ny herinandro voalohan'ny volana Oktobra. Notohizany hoe:

Misy tatitra mifanohitra amin'ny politikan'ny fanjakana mikasika ny fibahanana. Mandà ny fibahanana ireo fanambaràna ofisialy avy amin'ny NTRA [mpandrindra ireo fifandraisandavitra ao Ejipta], mandà ampahibemaso ny fibahanana ny mpisolotena ny mpanome tolotra ho an'ny mpanjifa, nefa taorian'ny tsindry, noho ny fisian'ny fitarainana betsaka tokoa avy amin'ireo mpampiasa, nilaza izy ireo fa didy avy any amin'ny NTRA ny fanapahan-kevitra hanaovana fibahanana….

Tsy ara-dalàna ny fampiasàna ny Aterineto ho an”‘ny antso lavitra, mahavoasazy an-tranomaizina na andoavana lamandy, araka ny andalàna faha 72 amin'ny lalànan'ny fifandraisandavitra nivoaka ny taona 2003. Iray amin'ireo fahadisoana betsaka ao amin'ny lalànan'ny fifandraisandavitra io lalàna io, fa na misy aza izany, lazaina fa ampahan'ny andraikitry ny NTRA ny fiarovana ny tombotsoan'ny mpanjifa.

Roa voasambotra tany Libanona noho ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook
Nahazo didim-pitsaràna na tsy nanatrika aza ilay mpanao gazety Mohammad Nazzal [5], nosaziana enim-bolana an-tranomaizina ary mandoa lamandy 700 dolara Amerikana tamin'ny nandefasany lahatsoratra tao amin'ny Facebook roa taona lasa izay, nisy izao fehezanteny izao “ambany toy ireo kiraroko ny rafitry ny lalàna,” izay nolazain'ireo manampahefana fa fanaovana tsinontsinona sy fanalana baràka. Tamin'ny tranga hafa, notazonina sivy andro ilay mpikatroka mafana fo ara-politika, Michel Douaihy, noho ny lahatsoratra tamin'ny Facebook izay nitsikeràny ny fomba nitondran'ireo manampahefana ilay mpivavaka Sunnite, Ahmed Al Assir, nandritra ny fisamborana [6] azy ny Aogositra lasa teo.

Vietnamiana Mpitoraka bilaogy, nafahana tany am-ponja
Nafahana tany am-ponja [7] i Ta Phong Tan, ilay Vietnamiana mpitoraka bilaogy. rehefa nahavita  telo taona tamin'ny saziny 10 taona. Nosamborina noho ny fiampangàna nanohitra ny fanjakàna izy, noho ny asany nitatitra ny kolikoly sy fanamparam-pahefana eo anivon'ny polisy sy ny rafitry ny fitsaràna.

Nibahana ny vohikalan'i Bitcoin i Venezoela, tamin'ny ady amin'ny vola vahiny
Vohikala maro no nobahanan'ny CANTV Venezoelana, araka ireo tatitra [8]. Mbola tsy mazava ny anton'ilay fibahanana. Ireo resaka roa tena malaza mandeha no milaza fa mety noho ny tsy fahatomombanana ara-teknika no anton'io na ezaka tsotra izao hanivanana ireo vohikala mihitsy. Vohikala maro mifandray amin'ny Bitcoin [9]ny maro ao anatin'ireo vohikala voakasika ireo, tafiditra amin'izany ny coindesk.com sy ny blockchain.info

Ireo Thailandais mpisera amin'ny Aterineto manao fitorevahana virtoaly, mba hanoherana ny sosokevitra “hisian'ny làlana tokana”
Nandidy ny hanenàna ny fotodrafitrasa mampiray an'i Thailand amin'ny Aterineto maneran-tany ny Minisitry ny Loharanom-baovao sy ny Teknolojian-tserasera Thailandais, noho izany, handalo amin'ny làlana tokana daholo ireo serasera rehetra, manome alalana ny governemanta hanana fahafahana misimisy kokoa hanara-maso sy mety hanivana ny votoaty amin'ny Aterineto. Ho valin'ilay sosokevitra, nanao “fitokonana virtoaly [10]” ireo mpisera amin'ny Aterineto ny 30 Septambra, tamin'ny fanotofana ireo vohikalan'ny governemanta tamin'ny serasera ka nahavoatery azy ireo hikatona. Tafiditra ao amin'ireo andiana fepetra noraisin'ny NCPO ilay làlana tokana, mba hanenàna ny fahalalahana miteny hatramin'ny nisian'ilay fanonganam-panjakana, tafiditra amin'izany ny fandaniana lalàna fiarovana [11] henjana sy famoretana ireo mpanao gazety [12] ary ny media tsy miankina.

Mpianatra nosamborina tany Indonezia noho ny fandefasana ny porofo fakàna vola nataon'ny polisy fanerena
Indoneziana iray mpianatra amin'ny anjerimanontolo no nosamborina ary nampangaina [13] ho nanala baràka polisy taorian'ny nandefasany ny lahatsarin'ilay birao, nisy ny fikasàn'ilay polisy hanery azy hanome vola nandritra ny fampiatona ho fisavàna mahazatra ny fiara eny an-dàlana. Nampangaina teo ambanin'ny Lalànan'ny Fanomezam-baovao amin'ny Fifandraisana ara-elektronika [14] ao Indonezia izy.

Syriana mpikirakira informatika nofonjaina, nafindra tany amin'ny toerana tsy fantatra
Syriana-Palestiniana, injeniera amin'ny informatika, Bassel Khartabil, nafindra avy tao amin'ny fonjany [15] ho any amin'ny toerana tsy fantatra, mitondra ho amin'ny fahatahorana hoe mety tandindonin-doza ny ainy. Notànan'ny governemanta Syriana i Bassel ny 15 Martsa 2012, ary nampijaliana dimy andro nialohan'ny nitazonana azy tsy ankiteniteny nandritra ny sivy volana. Farany, nampangaina ihany izy ny volana Desambra 2012, nolazaina ho “nitsikilo ho an'ny fanjakana fahavalo” ary nafindra tany amin'ny Fonja Adra, izay nijanonany hatratramin'ny 3 Oktobra 2015. Nisy hetsika tamin'ny Aterineto [16] nitaky ny hanafahana azy tsy misy hatak'andro.

Aza mampiasa Reporta hoy ireo manampahaizana amin'ny fiarovana
Reporta [17], tolotra amin'ny finday novolavolain'ny Fikambanana Media Iraisampirenen'ireo Vehivavy [17], antsoiny hoe “ny hany tolotra fiarovana feno, tokana, afaka hita manerana ny tany, noforonina manokana ho an'ireo mpanao gazety.” Fa vao nahely kely foana ilay izy dia hitan’ ireo mpikaroka fa feno tsy fahampiana amin'ny resaka fiarovana. Novinavinaina ny hanampy ireo mpiasan'ny media sy ireo mpitoraka bilaogy amin'ny fanaovany tsara ny asany sy ho voaaro tsara, miaraka amin'ireo tolotra afaka ampiasaina sahala amin'ny fomba fanamarinana ho an'ireo mpanao gazety eny ampandehanana ary bokotra “ho an'ny fahatairana”, miahiahy fatratra ihany ireo manampahaizana momba ny fiarovana [18] momba ny fibaribarian'ny tsy nahavitàn'ilay fikambanana nahatratra ny fiarovana fototra (faran'izay kely) amin'ny teknolojian'izy ireo. Tsy naborak'ilay fikambanana hoe aiza ireo angon-drakitra voaray no alefa, ary sarotra ny hilaza hoe hatraiza ny fiarovana ireo loharanom-baovao ireo rehefa eny an-dàlana eny. Tsy misy porofo ihany koa hoe nohamarinina imasom-bahoaka ilay izy, fomba fanao mahazatra ho an'ireo fitaovana vaovao ho an'ny fiarovana.

Miampanga ny “Lalàna Stalker” ao Pero ny Fikambanan'ireo Firenena Amerikana
Tao anatin'ny taratasy ho an'ny governemanata Peroviana, n [19]y mpitondra teny manokan'ny Fikambanan'ireo Firenena Amerikana ho an'ny fahalalahana miteny dia nilaza ireo ahiahiny mikasika ilay volavolan-dalàna ho an'ny fiarovana. Ilay lalàna fantatra ofisialy amin'ny hoe Didim-panjakàna No. 1182 [20], fa fantatr'ireo mpikatroka mafana fo amin'ny Aterineto hoe “Ley Stalker [21]” (“Lalàna Stalker”), izy io dia hanome fahafahana ireo manampahefana mpampihatra lalàna ho tafiditra amin'ny angon-drakitry ny finday, tsy misy fampandrenesana, ary mitaky ireo orinasan-tserasera mba hitazona mandritra ny telo taona ireo angon-drakitra. Nanipika ny filàna ny fandefasana ny lalàna toy izany eo amin'ny adihevitry ny vahoaka ilay mpitatitra, ary nangataka ny hanomezana vaovao misimisy kokoa momba ny antony nanaovana io lalàna io sy ny toerany amin'ireo lalàna misy ankehitriny.

Tsy misy ‘Safe Harbor’ intsony ho an'ireo orinasanà teknolojia Amerikana, hoy ny fitsaràn'ny Fiombonambe Eoropeana
Nolazain'ny Fitsaràna Eorôpeana ny tsy mampanan-kery ilay Fifanarahana Safe Harbor [22] eo amin'ny Fiombonambe Eoropeana sy Etazonia, tao anaty fanapahankevitra iray manan-tantara [23] tamin'ity herinandro ity. Ao amin'ilay Safe Harbor [24], nanome fahafahana mampita ny angon-drakitra ara-barotra teo amin'ny Fiombonambe Eoropeana sy Etazonia ny Fiombonambe Eoropeana, na teo aza ny fenitra avobe kokoa an'ny Fiombonambe Eoropeana momba ny fiarovana ny fiainana manokana, miaraka amin'ny fepetra hoe manaiky ny hanaraka ireo karazana foto-kevitra amin'ny fiarovana ny fiainana manokana ireo ny orinasa Amerikana manao sonia. Kanefa, nilaza ny fitsaràna [25] fa manohintohina ilay fifanarahana sy ny zon'ireo Eoropeana amin'ny fiainana manokana ireo famborahana nataon'ny PRISM sy ny fanarahamason'ny governemanta Amerikana amin'ny angon-drakitra.

Fikambanana mangataka ny Facebook mba hitsabo ny politikany momba ‘ny “fametrahana ny tena anarana”
Ilay Nameless Coalition, fitambaranà Fikambanana Tsy Miankina Amin'ny Fanjakana maneran-tany, izay ahitana ny Global Voices, niantso ny Facebook mba hanova ny politikany mitaky ireo mpampiasa azy mba hampiseho ny “tena anarany” na anarana ara-dalàna amin'ireo fametrahana ny mombamomba azy ireo. Taminà taratasy misokatra [26], manoratra ilay fikambanana fa ny Facebook dia “mitazona rafitra izay tsy mijery ny zava-misy iainan'ireo mpampiasa any amin'ireo firenena tsy tandrefana, manosika ireo mpampiasa azy ho amin'ny loza, tsy manaja ny mombamomba ireo mpampiasa azy, ary mametra ny fahalalahana miteny.” Niantso fanovàna maro [27] amin'ilay politika ilay vondrona, tafiditra amin'izany ny hoe mamela ireo mpampiasa ny handà ny fiantsoana amin'ny alalan'ny dingana fiantsoana an-tsoratra sy ny fanomezana antontan-taratasy mazava amin'ilay dingana fametrahana ny mombamomba anao  raha toa ka ilaina. Nitatitra ny amin'ilay taratasy ireo mpanao gazety maro hafa [28] , izay mbola tsy nanomezan'ny Facebook valinkafatra ofisialy.

Fikarohana Vaovao
BBalancing Act: Ahian-Doza Ny Fahalalahan'ny Fanaovan-gazety satria Sahirana ny Manao Hestika Ahitam-bokatra ny Eoropeana Mitambatra” [29]”—Kaomity Miaro Ireo Mpanao Gazety

Nandray anjara tamin'ity tatitra ity i Juan Arellano [30], Mary Aviles [31], Ellery Roberts Biddle [32], Marianne Diaz [33], Lisa Ferguson, Weiping Li sy Sarah Myers West [34].