Manao Fihetsiketsehana Ho Fanoherana ny Fandrarana Zavamaneno Ao Amin'ny Garan'ny Metro Ao Hong Kong Ireo Mpiangaly Mozika

Musicians playing inside Tai Wai MTR station. Photo from HKFP.

Mpiangaly mozika milalao ao anatin'ny garan'ny MTR (metro) Tai Wai. Sary: HKFP.

Nosoratan'i Kris Cheng ity lahatsoratra ity ary navoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 4 Oktobra 2015. Navoaka indray ato amin'ny Global Voices ity dika eto ambany ity noho ny fifanaraha-piaraha-miasa.

Olona an-jatony mahery no nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana tao amin'ny garan'ny metro Tai Wai tamin'ny asabotsy hariva 3 Oktobra mba hanohitra ny fampiharana lalàna “mifidifidy” ao amin'ny Mass Transit Railway eo amin'ny entana vimbinina.

Namaly ny fanentanana tao amin'ny Facebook mandrisika ny olom-pirenena mba hitondra ny zavamanenon'izy ireo ao amin'ny garan'ny MTR ireo mpanao fihetsiketsehana milanja gitara, angorodao, trômbonina sy sodina.

Nitranga izao raha nampitandrina mpianatra mozika iray ao amin'ny Oiversite Baptista ny mpiasan'ny MTR mba tsy hitondra lokangabe ao amin'ny garan'ny Tai Wai tamin'ny volana lasa. Niampanga ilay mpiasa ho miherisetra amin'ireo mpiangaly mozika ny sasany noho izy ireo mody tsy mahita ireo entana mavesatra loatra hoentin'ny mpizaha tany sy mpivarotra mpaka entana – dia ireo Shinoan'ny tanibe izay mividy entana ao Hong Kong ary mitondra izany miverina any amin'ny sisin-tany mba amidy indray.

“Mitsangàna hanohitra ny tsy rariny”

Nilaza i Mavis Lung Man-Wai, mpampianatra yangqin izay nanomboka ny fanentanana Facebook fa faly tamin'ny fizotran'ny fihetsiketsehana izy.

I feel we have achieved our goal, because we have received a lot of media exposure. No matter whether MTR’s response can meet our demands or not, we have done what we can do.

Mahatsiaro aho fa nahatratra ny tanjona isika, satria nahazo fandrakofana marobe tamin'ny fampahalalam-baovao. Tsy maninona na manome fahafaham-po ny fitakiantsika na tsia izay valintenin'ny MTR, nanao izay azo natao isika.

Na dia nampanantena fakàn-kevitra amin'ny vahoaka momba ny politikan'ny entana aza ny Vondrona MTR, tsy namaly an'i Lung kosa ny orinasa.

MTR didn’t talk to me at all. I’ll send emails to them in my personal capacity to ask for exemption for musical instruments [from warnings and fines]… I hope musical organisations such as the Hong Kong Chinese Orchestra can do more, art organisations like the Arts Development Council, and universities that have a music department, as students are the ones that need to travel by MTR.

Tsy niresaka tamiko mihitsy ny MTR. Handefasako mailaka manokana izy ireo mba  tsy iharan'ny [fampitandremana sy sazy] ny zavamaneno… Manantena aho fa afaka manao zavatra bebe kokoa ny fikambanana ara-mozika toy ny Orikesitra Shinoa Hong Kong, ny fikambanana tahaka ny Filan-kevitry ny Fampandrosoana ny Zavakanto sy ny anjerimanontolo manana sampana mozika, satria ny mpianatra no mila mandeha amin'ny MTR.

Nilaza ihany koa i Lung fa tsy hitondra matetika ny yangqin-ny ao amin'ny MTR, saingy nanomboka ny fanentanana “mitsangana hanohitra ny tsy rariny” izy.

Miss Lung and her yangqin. Photo: HKFP

Ramatoa kely Lung sy ny yangqin-ny. Sary: HKFP

Mizana tsindrian'ila?

Avy amin'ny tarika ao an-toerana mampiroborobo ny soatoavina sy ny kolontsain'ny mponin'i Hong Kong ny atsasaky ny mpanao fihetsiketsehana, tahaka ny Hong Kong Localism Power izay nilaza fa tsy mampihatra ny lalànany manokana amin'ireo mpivarotra mpaka entana ny MTR fa mila vaniny amin'ny olona an-toerana.

Hoy ny vakin'ny sora-baventy iray tamin'ny fihetsiketsehana: “Manenjika Olom-pirenena Hong Kong ny [MTR] fa tsy ny Shinoa mpiditra an-tsokosoko – Tsy mila kolikolin'ny MTR”, raha hoy kosa ny vakin'ny iray hafa: “Mandray kolikoly ny mpiasan'ny MTR ary manampy ireo mpiditra an-tsokosoko tsy handoa haba.”

Tsy nitondra zavamaneno ny ankamaroan'ireo mpanao fihetsiketsehana saingy nihiaka teny filamatra manohitra ny orinasa MTR.

“MTR Mahamenatra!”

Ramatoa kely Ng, mpanao fihetsiketsehana nilaza hoe:

I live in Lohas Park, I have to take MTR with my cello. I have had it for ten years and it was fine before – it’s not reasonable to give warnings to people with musical instruments now. It’s disturbing many students, but they have no choice.

Mipetraka ao Lohas Park aho, tsy maintsy mitondra ny lokangabeko ao amin'ny MTR aho. Folo taona no nananako izany ary nisosa tsara izany taloha – tsy ara-dalàna ny fanomezana fampitandremana ankehitriny ho an'ny olona mitondra zavamaneno. Manohintohina mpianatra maro izany, saingy tsy manan-tsafidy izy ireo.

Miss Ng with her cello. Photo: HKFP.

Ramatoa kely Ng sy ny lokangabeny. Sary: HKFP.

Nilaza izy fa lehibe ny lokangabeny izay 134 santimetatra ny haavony – 4 santimetatra mihoatra amin'ny torolalan'ny MTR.

“Mahafinaritra raha misy kalesy (fitondrana entana) manokana”

Nahasarika ny maro tamin'ny sodiny i Patrick Brousseau, mpampianatra mitafy sikina. Manana soso-kevitra hafa ho an'ny MTRC i Brousseau:

Considering that the first and last cars usually have bigger open spaces, the MTR [can] just [ask] people with oversize baggage to go to those cars. I think most people would say ‘yeah, I can do that’, right? It would be nice if there were special carriages, because then it would help transport bicycles on the train. But also I don’t think that the smuggling problem is going to go away very soon […] If the MTR actually introduce baggage cars… for people transporting goods to China… they can make a ton of money, and kill two birds with one stone.

Satria malalaka kokoa matetika ny fiara voalohany sy farany, afaka mangataka fotsiny amin'ny olona miaraka amin'ny entana mavesatra tafahoatra ny MTR mba handeha amin'ireo fiara ireo. Mihevitra aho fa hilaza ny ankamaroan'ny olona hoe “Eny, afaka manao izany aho’, sa tsy izany? Mety ho tsara raha misy kalesy mitondra entana manokana, satria hanampy amin'ny fitondrana ireo bisikileta eny amin'ny fiaran-dalamby izany. Saingy tsy mino kosa aho fa hivaha tsy ho ela ny olan'ny fitondrana entana an-tsokosoko izany […] Raha mampiditra fiara natokana ho an'ny entana  … ho an'ny olona mitondra entana mankany Shina ny MTR … dia mety mahazo vola aman-taonina, ary mahafaty vorona roa amin'ny vato iray.

Nitendritendry sy nihira hira malaza amin'ny teny Kantoney ireo mpanao fihetsiketsehana sasany, tahaka ny “Ao ambanin'ny Lanitra Midadasika” hiran'ny tarika Beyond, hira matetika re amin'ny fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia.

hiran'ny tarika Beyond

“Miomana ny handoa onitra aho eto”

Mpanao fihetsiketsehana iray hafa nandoko ny gorodon'ny gara ho fanoherana ny MTRC “manelingelina ny asa fivelomana sy manafoana ny zavakanto”. Nofafany ny gorodona alohan'ny hodiana.

“Fihetsiketsehana manohitra ny MTR manafoana ny zavakanto”

Nilaza ilay mpanao hosodoko Perry Dino, matetika hita amin'ny hetsi-panoherana hoe:

MTR should give people a chance to bring musical instruments, as some are teaching music for a living and don’t have money to take taxis or vans.

Tokony manome fahafahana ho an'ny olona mba hitondra zavamaneno ny MTR, satria mampianatra mozika izay toy ny asa fivelomana ny sasany ary tsy manam-bola handraisana taxi.

Painter Perry Dino. Photo: HKFP.

Mpanao hoso-doko i Perry Dino. Sary: HKFP.

Nilaza ihany koa i Dino fa mihoatra ny toro-lalanan'ny MTR amin'ny entana ny tabilaon'ny hosodokony rehefa itarina. “Vonona handoa onitra aho eto,” hoy izy.

Andriamatoa Lee, izay nitondra elo mavomavo atao fanoharana fa tsy zava-maneno nilaza hoe:

Hong Kong people should protect children’s right to learn music. In the past it was allowed to carry musical instruments into stations. Why not now?

Tokony hiaro ny zon'ny ankizy hianatra mozika ny vahoakan'i Hong Kong. Azo natao taloha ny mitondra  zavamaneno eny amin'ny gara. Nahoana no raràna izany ankehitriny?

Mr Lee with his yellow umbrella. Photo from HKFP.

Andriamatoa Lee miaraka amin'ny elony mavomavo. Sary: HKFP.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.