Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Vehivavy Ny Ampahany Betsaka Amin'ireo Mpiasa Mpanamboatra Akanjo Ao Bangladesh, Saingy Tsy Izany Kosa Ny Mpitarika Sendikan'izy Ireo—Hatramin'izao

Garment workers at Alif Embroidery Village, a garment factory in Dhaka, Bangladesh. Credit: Amy Yee. Used with PRI's permission

Mpiasa mpanamboatra akanjo ao amin'ny Alif Embroidery Village, orinasa mpanamboatra akanjo ao Dhaka, Bangladesh. Sary: Amy Yee. Nahazoan-dalana

Ity lahatsoratra sy tatitra amin'ny onjam-peo avy amin'i Bruce Wallace ho an'ny The World ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 16 Septambra 2015 ary navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty-

Olona 15 ihany no antonona ny efitra kely ao amin'ny rihana fahatelon'ny tranobe biriky sy tafo fanitso iray ao an-drenivohitr'i Bangladesh, Dhaka. Maro ny olona mihaino ao an-dalantsara anilan'ilay efitra. Miasa ao amin'ny Dacca Dyeing, orinasa mpanao akanjo ho an'ny Gap sy Target, ankoatra ireo orinasa hafa izy rehetra. Te hanangana sendika izy ireo

Listen to this story on PRI.org »

Nahitana loza roa ny indostrian'ny fitafiana ao Bangladesh tao anatiin'izay taona vitsy lasa izay: ny afo tao Tazreen tamin'ny Novambra 2012 sy ny firodanan'ny Rana Plaza tamin'ny Aprily 2013. Nanaraka taorian'izany ny hetsika iraisam-pirenena manavao ny indostria, saingy fandaminana momba ny asa izany. Nitangorona tao anaty efitra tahaka ity iray ity ny vondrona mpiasa izay vehivavy ny ankamaroany mba hiresaka ireo dingana ampahibemaso sy mety mampidi-doza: Milaza amin'ny olona mitantana ny orinasan'izy ireo — izay lehilahy ny ankamaroany — fa mikasa hitambatra ao anaty sendikà izy ireo.

Reehfa tapitra ny antso hariva hivavaka tao ivelany, dia manomboka ny asany amin'ity vondrona ity i Sritee Akter. Izy no sekretera jeneralin'ny Federasion'ny Firaisankinan'ny mpiasa mpanamboatra akanjo. Efa mpiasa mpanamboatra akanjo ihany koa izy talohan'izany.

Shamima Akter, an organizer with the Bangladesh Garment and Industrial Workers Federation, talks to workers about intimidation they’re facing because of their labor organizing activity. Credit: Bruce Wallace. Used with PRI's permission

Shamima Akter, mpikarakara miaraka amin'ny Federasion'ny Mpiasa Indostrialy sy ny Mpanamboatra akanjo ao Bangladesh, miresaka momba ny fandrahonana atrehin'izy ireo noho ny hetsika arak'asa karakarain'izy ireo. Sary: Bruce Wallace. Nahazoan-dalana avy amin'ny PRI

Tamin'ny taona 1994, 250 taka — eo amin'ny 3 dolara — isam-bolana teo ny karamany, hoy izy tamin'izy ireo. Niady hatrany ho amin'ny zon'ny mpiasa izy nanomboka teo, hoy izy, ary efa nampidirina am-ponja indroa.

“Mpiasa aho. Fa tsy lehibe. Tsy mbola nilaza tena ho toy ny mpitarika aho,” hoy izy. “Mahatakatra kely kokoa noho ianareo aho. Saingy misy ny zavatra fantatrareo kanefa tsy fantatro.”

Tsy ara-dalàna ny fananganana sendikà ao Bangladesh, saingy mbola miezaka mihaona an-kiafina ny mpiasa. Namindra ny fihaonan'izy ireo teto izy ireo vao haingana noho ny mpifanolo-bodirindrina iray tao amin'ny toeram-pivorian'izy ireo taloha nanomboka nametraka fanontaniana tamin'izy ireo. Mampitandrina ireo mpiasa i Akter fa raha mahita antsika ny mpampiasa, dia hiezaka hampiady ny mpiasa izy ireo, hampanao sonia azy ireo izay mety hanenjehana azy ireo, ary mitady fomba handroahana azy ireo. Mety hampiasa herisetra ihany koa izy ireo.

Vertex, a garment factory in Dhaka, Bangladesh, spent $1.2 million to upgrade this factory of 4,500 garment workers. Credit: Amy Yee. Used with PRI's permission

Vertex, orinasa mpanao akanjo ao Dhaka, Bangladesh, nandany 1.2 tapitrisa dolara hanatsarana ity orinasa mampiasa mpiasa 4.500 ity. Sary: Amy Yee. Nahazoan-dalana avy amin'ny PRI

“Indray andro, mety hamely an'i Rahima izy ireo,” hoy i Akter, milaza vehivavy iray mipetraka eo akaiky eo. “Amin'ny andro hafa, mety olon-kafa indray no lasibatra. Tokony hampiaka-peo hanohitra ny fanararaotana ianareo, dia tsy ho sahy hamely mpiasa hafa intsony izy ireo.”

Roa taona lasa izay, nahazo fisondrota-karama nitolomana mafy ny mpiasa mpanamboatra akanjo— mahery avo roa henin'ny karama farany ambany — mitovy amin'ny 68 dolara isam-bolana. Nilaza i Akter fa hitolona mba hampiakarana avo roa heny izany indray ny sendika ao anatin'ny dimy taona manaraka. Mampanantena fialan-tsasatra lava kokoa ho an'ny reny avy niteraka sy fizarana tombontsoa ho an'ny mpiasa ihany koa ny lalàna vaovao mifehy ny asa. Saingy nilaza i Akter fa ny sendika ihany no afaka manatontosa izany fampanantenana izany ho tanteraka.

“Tahaka ny elo ny sendikà,” hoy izy tamin'ireo mpiasa. “Tsy ho lena ao anaty orana isika, ary tsy hafana ao anaty masoandro.”

Taorian'ny atsasakadiny teo ho eo, manomboka milahatra mameno taratasy milaza fa mila sendika ireo mpiasa. Manohy ny resaka ihany i Akter.

The offices of the Bangladesh Garment Manufacturers and Exporters Association, or BGMEA, tower above Dhaka. Four years ago, Bangladesh’s High Court has ruled that the building was built without proper approval and in an environmentally inappropriate place, and ordered it removed. It has not been. Credit: Bruce Wallace. Used with PRI's permission

Biraon'ny Fikambanana Mpanondrana sy Mpanamboatra Akanjo ao Bangladesh, na BGMEA. Sary: Bruce Wallace. Nahazoan-dalana

Andro vitsy taty aoriana, nihazakazaka tany amin'i Akter izaho sy ny mpandika teniko raha teny an-dalana avy tao amin'ny biraon'ny Fikambanana Mpanondrana  sy Mpanamboatra Akanjo ao Bangladesh, na BGMEA – vondrona indostria tompon'ny orinasa mpanao akanjo. 24 lavitrisa dolara ny vola miditra tamin'ny fanondranana akanjo tamin'ny taon-dasa, 80 isan-jaton'ny fitambaran'ny fanondranana entana ao Bangladesh. Ary maro ao amin'ireo manampahefana voafidy ao amin'ny firenena no mahazo tombontsoa amin'izany fanondranana izany. Izany no mahatonga an'i Akter hijoro hanohitra.

Voaràra ao Bangladesh ny Sendikà tamin'ny 2007 noho ny lalàna vonjimaika tohanan'ny miaramila izay natao handaminana ny korontana ara-politika. Saingy nisy ny fandaminana faobe momba ny asa hatramin'ny nandaniana ny lalàna vaovao mifehy ny asa  tamin'ny 2013. Tokony ho sendikà 400 no nekena nanomboka teo, araka ny filazan'ny Foiben'ny Firaisankina ao Dhaka AFL-CIO. Miaro mpiasa mpanamboatra akanjo 150.000 ankehitriny ny sendikà, mbola ampahany kely amin'ireo efatra tapitrisa fitambarany. Ara-tantara, vitsy ny vehivavy mpitarika, kanefa vehivavy ny 80 isanjaton'ny mpiasa mpanamboatra akanjo.

“Matetika, ahitana ambaratongam-pitondrana maro ireo sendikà ireo, ny lehilahy no tena manjakazaka amin'izy ireo, hoy i Sanchita Saxena, mitantana ny Foibem-pianarana Chowdhury ao Bangladesh ao amin'ny Onivertiten'i Berkeley. “Matetika mpiasa mpikambana amin'ny sendikà matihanina ireo filohan'ny sendikà na ny lehibe ao amin'ny sendika, ka mbola tsy niasa teo amin'ny orinasa mpanao akanjo izy ireo.”

Mitombo ny vehivavy mpitarika sendika, na dia izany aza. Vehivavy (Nazma sy Kalpona Akter – tsy misy fifandraisany amin'i Sritee Akter) ireo mpitarika roa hita matetika indrindra misahana mpiasa mpanamboatra akanjo ao amin'ny firenena . Nitatitra ny AFL-CIO fa vehivavy avokoa ankehitriny ny roa am-pahatelon'ny mpitarika eny amin'ny ozinina.

Ary mety ho vaovao tsara ho an'ireo sendika izany satria miezaka mandresy lahatra ireo mpiasa mpanamboatra akanjo mba ho sahy hanasonia (hiditra sendikà) izy ireo. Hain'ny mpikarakara Sritee Akter ny fomba firesahana amin'ireo mpiasa arakaraky ny fahaizany. Ohatra, mampiasa fanoharana izy izay Bengali any ambanivohitra ihany no mety mahatakatra ny fomba fihazonana karazana trondro malama indrindra.

Garment workers in Dhaka gather at a "women's cafe" after work to learn about workers' rights and responsibilities. Credit: Amy Yee. Used with PRI's permission

Mpiasa mpanamboatra ankajo ao Dhaka mitangorona ao amin'ny “fisotroana kafe ho an'ny vehivavy” taorian'ny asa mba hianatra momba ny zon'ny mpiasa sy ny andraikitr'izy ireo. Sary: Amy Yee. Nahazoan-dalana

“Malama toy ny trondro malama ireo tompony, ary fantatrao ve ny ilaintsika hakana trondro malama?” Hoy izy nanontany.

“Lavenona!” hoy ireo mpiasa.

“Lavenona. Ny lavenona no fitambarantsika [sendikantsika],” hoy i Akter. “Mila miray hina ny mpiasa rehetra.”

Nohamariniko volana vitsivitsy taorian'ny fihaonan'i Akter tamin'ny mpiasan'ny orinasa Dacca Dyeing. Nilaza izy fa nolavin'ny fanjakana indroa ny fangatahana fananganana sendikà napetrak'izy ireo, indroa nolazaina fa tsy nahazo sonia avy amin'ny 30 isan-jaton'ny mpiasa ilaina.

Tsy kivy i Akter na izany aza. Nilaza izy fa mbola hamerina ny fangatahana indray, ary amin'ny manaraka, hanangona sonia avy amin'ny 70 isan-jaton'ny mpiasa izy ireo. Araka ny nolazainy tamin'ireo mpiasan'ny Dacca Dyeing tamin'ny voalohany, “Tsy afaka mipetraka fotsiny eo misaron-doha ianareo. Tsy maintsy mitaky ny zonareo ianareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.