- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao Gazety Serba Sotasotain'ny Polisy Eo Am-panaovana Tatitra Momba ilay Toerana Hanorenana Ao Belgrade Mahatonga Resabe

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Serbia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava
Istinomer journalists being confronted by  municipal police officers. Screenshot of Istinomer video. [1]

Mpanao gazetin'ny Istinomer nifanehatra tamin'ny polisy kaominaly. Dikasarin'ny lahatsarin'ny Istinomer.

Nosakànana sy nosotasotain'ny polisy ireo vondronà mpanao gazety tany Serbia ny Zoma 25 Septambra teo, raha saika haka lahatsary hatao tatitra amin'ilay tetikasa fanorenana Waterfront, mahatonga resabe [2], izay hampiantrano hotely raitra ho an'ireo mpanankarena ary trano tsara tarehy manatrika ny Renirano Sava ao Belgrade.

Nisy mpaka lahatsary tao amin'ilay vondrona naka antsokosoko lahatsary ilay fotoana nifanenjanana, fony nandidy azy ireo hiala ny toerana ny polisy kaominalin'i Belgrade. Avy eo ireo mpanao gazety, izay miasa ho an'ny Istinomer (“Truth-meter” – Fandrefesana ny marina), tranonkalam-baovao Serba manao fanadihadiana ara-politika, dia nahazo fiampangàna [3] ho  “manelingelina ny asan'ireo [polisy] tomponandraikitra tamin'ny fidirana teo amin'ny faritr'ilay fanorenana.”

Mampiseho polisy roa nanatona ireo mpanao gazety ilay lahatsary. Nampiseho ny famantarana ny maha-mpanao gazety azy ny iray tamin'ireo mpanao gazety, niaraka tamin'ny taratasy famantarana azy ireo manokana, nanazava fa miomana handrakitra lahatsarinà tafatafa atao eo amin'ilay toerana izy ireo. Nilaza ireo polisy fa eo amin'ny toerana fanorenana an'olon-tsotra izy ireo ary tokony hiala. Nanipika ireo mpanao gazety fa tsy misy marika milaza ny maha-tanin'olon-tsotra ilay toerana fanorenana mihitsy eo. Niaiky ireo polisy fa tsy afaka mahita na iray aza izy ireo. Minitra vitsy taty aoriana, natonin'ireo tomponandraikitry ny kaominina telo hafa indray izy ireo, izay niteny azy ireo hiala ihany koa. Ny iray amin'ireo mpanao gazety nilaza fa vonona ny hiala izy ireo raha toa ka omena antony tokony hialàny eo amin'ilay toerana.

Nangataka ilay mpaka lahatsary hampirina ny fitaovany ny iray amin'ireo tomponandraikitra, nilaza fa “tsy marina tsara ilay toerana” ary “mahatsapa izy fa ho simba ilay fitaovana.” Rehefa nilaza ilay mpaka lahatsary fa mety tsara eo amin'ny misy azy ilay fitaovana, namerina indray ilay polisy, “tsapako fa hisy zavatra hanjo an'iny. Matokia ahy.” Raha vao nahare izany ilay mpanao gazety, Vesna Radojevic, niteny ilay polisy izy ny “hamela ilay fitaovany irery” ary hiantso ny polisim-panjakana. Nitaky ny taratasy mombamomba ny tsirairay ireo polisy kaominaly ary nanomboka nanoratra fiampangàna.

Nisy fotoana, naka ny fitaovany fakàna lahatsary ilay mpaka sary iray tao amin'ny vondrona, nametraka ny lohan'ny fitaovana tamin'io, ary noentin'ny polisy an-keriny izy taorian'ny nandavany ny hametraka ny fitaovana fangalàny lahatsary.

Nandefa ilay lahatsary tsy nasiana fanapahana tao amin'ny YouTube sy Facebook ny Istinomer.

Hahatonga olana ara-toekarena sy amin'ny lafiny endrika ilay tetikasanà Fanorenana

Tsy voalohany izao no tratry ny olana tamin'ny fitaterana vaovao momba ilay tetikasa fanorenana Belgrade Waterfront [4] ny mpanao gazety tsy miankina, nanomboka tamin'ny nanambaràna azy io ny taona 2014.

Tetikasa fanorenana lafo vidy ilay tetikasa, fiaraha-miasan'ny governemanta Serba sy ireo mpampiasa vola avy any Emirats, mitentina 3,5 lavitrisa Euros, izay manana tanjona ny hanatsara ny endriky ny tanàn-dehibe an'i Belgrade sy ny toekareny, amin'ny fanomezana aina ny ampahan'ny tanàna tsizarizary amin'ilay morony havànan'ny renirano Sava. Ahitàna toerana fivarotana zavatra lafo vidy io ary toerana fivarotana antsinjarany, trano fonenana lafo vidy, hotely valo, toerana malalaka fiantsenana ary tilikambo lehibe tokoa mirefy 220 metatra.

Ao aminà firenena izay latsaky ny 500 dolara isam-bolana ny karaman'ny olona, ary ao aminà tanàna izay tsy malaza mihitsy amin'ny fahatongavan'ny olona manankarena na vahiny hanorim-ponenana, maro ireo manontany tena hoe iza marina ary no hividy ilay fonenana lafo vidy rehefa ho amidy izy io ny volana Oktobra 2015.

Nitondra ny fijery tamin'ireo loza ary “antony tsy mahamety” ny hanorenana tetikasa lehibe sahala amin'izany manamorona ny renirano ireo mpanao maritrano maro teo an-toerana sy tany ivelany. Ny volana Martsa 2015, niantso ny hametrahana “fanajanonana haingana” [5] ny tetikasa Belgrade Waterfront ny Akademian'ny Mpanao Maritranon'i Serbia, tamin'ny filazàna ireo teboka maro [6] mety hampidi-doza ny tanàna, ny renirano, ary ireo mipetraka ao amin'ireo tranobe, araka ny rafitrany sy araka ny fitaovana ampiasaina aminy.

Fitakiana mangarahara kokoa

Eo anilan'ireo resabe manodidina ilay rafitra sy ny fiarovana, samy sahirana amin'ilay tsy fahampian'ny mangarahara momba ny tetibola mifandray amin'ilay tetikasa fanorenana goavana tantanin'ny fanjakana ireo mpanao gazety tsy miankina, manampahaizana, ary fikambanana maro. Ny volana Martsa 2015 , nanoratra [7] antonta-taratasy nilaza “Ireo olana sy fanontaniana mikasika ny Belgrade Waterfront” Transparentnost Srbija, ilay sampana ofisialy Serba ho an'ny Transparency International – Fangaraharana Iraisam-pirenena:

Hatramin'ny tsy nanaovana fanadihadiana ny fahafahana mamerim-bola amin'io karazana asa io, na hoe nisy sa tsia ny fanamarinana nataon'ny Kaomisiôna an'ny Fiarahamiasan'ny Fanjakana sy ny Tsy miankina, tena zava-dehibe ny mampahafantatra ny vahoaka hoe rahoviana no hatao sonia ilay taratasy fifanarahana, raha misy ireo lafiny mahatonga resabe ao anatin'ilay fifampiraharahàna ary hoe inona avy ireo vokatra ratsy mety hitranga sy ireo fandaniana ho raisin'ny fanjakana an-tànana amin'ity tranga ity.

Mbola tsy nahazoana valiny hatreto ireo fanontaniana mikasika ny andinindinin'ny fampiasam-bola vatsian'ny hetra vola sy ireo fizotry ny fiantsoana ny tolotr'asa, ary tsy mbola naseho vahoaka ihany koa ny taratasy fifanarahana nataon'ny fanjakana niaraka tamin'ireo mpampiasa vola avy any ivelany.

Satria napetraka ho atomboka ny faran'ny Septambra ny farany ilay fanorenana nahemotra teo, nanavao ny fahalinany amin'ilay tetikasa indray ireo mpanao gazety. Toa vao mainka handrongatra ny fitiavan'ireo mpanao gazety hanadihady ilay tetikasa io fifandonana farany teo amin'ny mpanao gazetin'ny Istinomer sy ny polisy kaominaly io.