- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanavakavaka, Mpankahala Pelaka ary Anti-semita ny Minisitra Lefitry ny Fitaterana Voatendry Vao Haingana Ao Gresy

Sokajy: Eoropa Andrefana, Gresy, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
Cabinet members are sworn in for the third cabinet of Alexis Tsipras and the first after his re-election. At the Presidential Mansion in Athens, Greece on September 23, 2015. Photo by Wassilis Aswestopoulos. Demotix (c). [1]

Nanao fianianana tao amin'ny kabinetra fahatelon'i Alexis Tsipras ary voalohany taorian'ny naha-voafidy azy indray ireo mpikambana ao amin'ny kabinetra. Ao amin'ny lapam-panjakana ao Athena, Gresy, 23 Septambra 2015. Minisitry ny Fiarovana, Panos Kammenos sy ny Sekreteram-panjkana misahana ny Fotodrafitrasa, Dimitris Kammenos. Sary avy amin'i Wassilis Aswestopoulos. Demotix (c).

Tsy ampy 12 ora taorian'ny nanendrena ny minisitra lefitry ny fotodrafitrasa sy ny Fitaterana tao anatin'ny governemanta grika vao natsangana, voatery nametra-pialana i Dimitris Kammenos. Ny fe-potoam-piasany no fe-potoam-piasana ministerialy  fohy indrindra tao anatin'ny tantara Grika vaovao. Nambara tao amin'ny Twitter ny fialàny, taorian'ny fitakian'ny Praiminisitra Alexis Tsipras, izay tany Bruxelles namonjy ny zaikaben'ny mpitarika Vondrona Eoropeana momba ny krizin'ny mpitsoa-ponenana Syriana tamin'io fotoana io.

Mandra-pilaza ny marina momba ny raharaha lahatsoratra anti-semita sy mpanavakavaka, hanamora ny asan'ny governemanta amin'ny fametraham-pialàny ny minisitra lefitra.

Ny anton'ny fandroahana tampoka dia fanambarana izay, roa taona lasa izay, namoaka fanehoan-kevitra manavakavaka, antisemita sy mankahala pelaka tao amin'ny kaonty Twitter efa tsy miasa intsony i @portaporta (“isam-baravarana”) na i Kammenos.

Sioka maherin'ny 20.000 tao anatin'ny 24 ora nandroaka ny minisitra teo aloha Dimitris #Kammenos [3] no milaza hoe @protothema [4]

Mpikambana ao amin'ny antoko tsy miankina Grika elatra havanana i Dimitris Kammenos, izay mpiara-mitantana zandriny ao amin'ny antoko Syriza ankavia an'i Alexis Tsipras – fiarahana mampiady hevitra izay nahazoan'i Tsipras tsiny hatrany, ka voatsikera izy ankehitriny noho izy tsy nandinika tsara tamin'ny fanendrena ireo minisitra nataony tsy araka ny tokony ho izy.

Fantatry ny rehetra ireo fanevatevana antisemita sy fankahalana pelaka nataon'i Dimitris Kammenos (antsoina hoe #portaporta [8]) – ny olon-drehetra, afa-tsy ny praiminisitra izay nanendry azy.

Mino aho fa vao nahazo fidirana ao amin'ny Bokin'ny Tompon-daka Guinness ho mpanao politika mpitsipaka indrindra ny fitsipi-piarahamonina hatramin'izay i @atsipras [10]

Tokony misy olona mampahafantatra ny praiminisitra ny siokan'ireo kandida manaraka alohan'ny anomezana azy ireo andraikitra ao amin'ny minisitera. Fahadalàna manatantara izao.

Ny sioka izay nofafana haingana

Anisan'ny sioka malazan'i Kammenos ireo fanevatevana mivantana ny praiminisitra Alexis Tsipras, izay nantsoiny hoe jiolahy. Manaratsy ny firehan-kevitra ankavian'i Tsipras ihany koa i Kammenos
.

Nolazainy fa jiolahy i Tsipras ary notevatevainy ny foto-kevitra ankavia. Ary nahoana izany no nekeny ny minisitera?

Tamin'ny sioka hafa, nanameloka ireo olom-pirenena Grika mandray anjara amin'ny diabem-pireharehan'ny pelaka i Kammenos.

MITOHY ny fahombiazana amin'ny fifantenana minisitra

Sahisahy miditra ao anatin'ny tanin'ny teorian'ny tsikombakomba, naneho ny finoany mafy orina i Kammenos fa teti-dratsin'ny Jiosy ny zava-nitranga tamin'ny 11 Septambra 2001.

ggggggggggggggggggggggggg

Hoy ny vakin'ny sioka: “Aoka tsy ho adinoina. Jiosy 2.500 no niasa tao amin'ny WTC ary tsy nisy tonga niasa na dia iray aza tamin'io andro io.”

Angamba ny tena olana amin'ireo sioka rehetra an'i Kammenos dia ny sary namboamboarina ny tobim-pamorian-gadra Nazi ao Auschwitz, ahitana ny teny faneva Alemà “Macht Frei Arbeit” (“Manafaka Anao ny Asa”) dia nosoloina teny Grika hoe ” Μένουμε Ευρώπη “(“Mijanona ato Eoropa Izahay”), izay nankalazaina nandritra ny vanim-potoanan'ny fitsapa-kevi-bahoaka [19] vao haingana tao Gresy, raha nikasa hampitaha ny krizy ara-toekarena Grika amin'ny Famonoana Tambabe [19]ny sasany.

CIRuOgXWUAE6gee

Hoy ny vakin'ny fanazavana amin'ny sary: “Mijanona ato Eoropa izahay, hoy ry zareo, amin'ny fomba rehetra, ento izahay hanasonia izay rehetra lazain-dry zareo. Eny, hoy aho, fa tokony handoa ny vidiny aloha izy ireo.”

Nanindrona dia nanindrona ny setriny [20] avy amin'ny Foibem-Piarahamonina Jiosy tao Gresy, navoaka tamin'ny 24 Jona :

The Central Board of Jewish Communities in Greece expresses the outrage and the repudiation of the Greek Jewry at the shameful photo posted on Facebook by MP Dimitris Kammenos (of the Independent Greeks – ANELL party). The post trivializes in the most hideous way the sign over the gate of Auschwitz. In the photo posted the “We stay in Europe” moto has replaced the world known sign which “welcomed” 1.500.000 Jews who were tortured and exterminated by the Nazis in the gas chambers. We call upon the President of the Greek Parliament and the representatives of all democratic parties to condemn the malevolent trivialization of the Holocaust of the 6 million Jews and all the victims of this barbarity, a trivialization that at the same time downplays the importance of the struggle against Fascism and Nazism in our country. We must not stay indifferent to such phenomena because if our society allows the distortion of the historical truth and memory of the Holocaust, it would have been as if we reopened the gate of Auschwitz to new crimes against humanity.

Ny Foibem-pitantanana Ny Fiarahamonina Jiosy eto Gresy dia maneho fahatezerana sy fitsipahan'ny Fokonolona Jiosy Grika marindrano  ilay sary mahamenatra navoakan'ny solombavambahoaka Dimitris Kammenos (avy ao amin'ny antoko tsy miankina Grika ANELL) tao amin'ny Facebook. Fanaovana tsinontsinona amin'ny fomba ratsy indrindra ny sora-baventy eo ambonin'ny vavahadin'i Auschwitz no asehon'ny tsanganana. Nosoloina marika fanta-daza manerantany “fampandrosoana tsara” ireo Jiosy 1.500.000 izay nampijaliana sy naringan'ny Nazi tao anaty efi-tranon'etona ny sary navoaka misy ny teny filamatra “Mijanona ato Eoropa izahay”. Miantso ny Filohan'ny Parlemanta Grika sy ny solontenan'ny antoko demokratika rehetra izahay mba hanameloka ny fanaovana tsinotsinona ny Fandripahana Jiosy 6 tapitrisa sy ireo niharam-boina rehetra tamin'izany habibiana izany, sady fanaovana tsinotsinona manamaivana ny maha zava-dehibe ny tolona fanoherana ny Fasisma sy ny Nazisma tato amin'ny firenentsika. Tsy tokony hijery fotsiny ny trangan-javatra tahaka izao isika satria raha mamela ny fanovana ny marina ara-tantara sy ny fahatsiarovana ny Famonoana Tambabe ny fiarahamonina, dia tahaka ny hoe nanokatra indray ny vavahadin'i Auschwitz hidirana amin'ny heloka bevava vaovao atao amin'ny zanak'olombelona isika.

Ny voka-dratsy

Ao anatin'ny ezaka fiarovan-tena, nilaza i Dimitris Kammenos fa tsy ny kaonty Twitter-ny ihany fa ny kaontiny rehetra ao amin'ny media sosialy no tantanin'ireo ekipa ahitana olona 15, izay nitarika fisovohana na fisomparana (hacking) sy “fanovana ny marina” maromaro. Tsy dia liana sy tsy matoky ny fanazavana sy ny fialan-tsinin'i Kammenos ny vahoaka hatramin'izao.

Tsy maintsy lazaiko izay tsapako momba azy. Omaly, nanao tiako sarim-batomamy vorona iray aho ary nilaza tamin'ny vadiko fa nisy nanao piraty ny facebook-ko

Tena matotra ankehitriny, hafiriana no nitadiavana ny fialan-tsiny tonga amin'ny “nisy nisompatra”? Dork

Nolaviny ireo sioka manavakavaka rehetra, nilaza izy fa nisy nisompatra, mandresy lahatra ireo mbola misalasala, satria fantatra fa kanosa ny fasista.

Amin'ny vanim-potoanan'ny media sosialy, izay ahafahan'ny olom-pirenena mitabataba mafy sy manohitra mibaribary izay tsy rariny sy tsy ara-pitsipi-pitondratena, tsy olo-malaza mahefa ny zavatra rehetra sy “tsy azo kitihana” intsony tsy tahaka ny teo aloha ireo mpanao politika rehefa voafidy