- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Takian'Ilay Fanentanana #StopLumadKillings (AtsaharoNyFamonoanaLumad) Ny Hiarovana Ireo Foko Manohitra Fitrandrahana Ao Atsimon'i Filipina

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Teratany, Tontolo_iainana, Vonjy Voina, Zon'olombelona

"Oplan Bayanihan [a military counterinsurgency program] pushes Lumads to evacuate their lands, but also paves the way for corporations to take hold of the land, and use the Armed Forces of the Philippines as their own security force as they plunder and suck the Earth of it's natural elements." Image by Anakbayan USA. [1]

“Oplan Bayanihan [fandaharanasa manohitra ny jadona miaramila] manosika ireo Lumads handao ny taniny, nefa koa manomana ny làlana ho an'ireo vondron'orinasa haka ny tany, sy mampiasa ny Tafika mitam-piadiana ao Filipina ho toy ny hery mpiaro azy ireo manokana amin'ny asa fandrobana sy fitsentsefan-dry zareo ny Tany sy ny singa voajanahariny.” Sary sy maribolana avy amin'i Anakbayan USA.

Tamin'ny fanehoankevitra mahakasika ireo tatitra milaza fa ireo hetsika ataon'ny milisy sy ny asa fitrandrahana no mamindra toerana [2] ireo foko Lumad, marobe ireo Filipiana no niantso ny governemanta mba hihetsika haingana hampitsaharana ny herisetra atao an'ireo vahoaka indizena tompontany. Fiantso iraisan'ny rehetra ny hoe Lumad, entina hanondroana ireo foko indizena ao  Mindanao, ilay nosy faharoa lehibe indrindra ao Filipina, any amin'ny faritra atsimon'ny firenena.

Notaterin'ireo mpitarika Lumad avy any amin'ny faritanin'i Surigao fa tafihan'ireo milisy ny sekoly sy ny vondrom-piarahamonin-dry zareo, nanery [3] olona maherin'ny 2.000 handao ny trano fonenany ka nankany an-tendrombohitra sy nitady fialofana [4] any afovoan-tanàna. Marobe ireo avy amin'ny vondrom-piarahamonina Lumad izay efa navitrika nanohitra ny fidiran'ireo  orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany. [5]

Ny Kaomisionam-Pirenena Momba ny Kolontsaina sy ny Taokanto (NCCA), masoivoho iray an'ny governemanta, dia namaritra ny herisetra atao amin'ireo Lumad ho toy ny fanafihana [6] atao amin'ny kolontsaina Filipiana :

Eken'ny NCCA ny fisian'ireny vahoaka indizena ireny sy ireo mpitarika azy ho toy ny fototra sy hazondamosina amin'ny lova ara-kolontsaina tsy hita maso ananan'ny firenena. Izy ireo no mpitondra ireo fomba amam-panao nentin-drazana tsy manam-paharoa teo amintsika. Mpamono ny fanahin'ny vahoakantsika izay mpamono azy ireo. Amin'ny maha-mpampita hita maso ny rafi-pahalalàna vita sedran'ny fotoana, ireo traikefa sy fomba fanao, ny fandratràna azy ireo dia fanimbàna ny fototry ny kolontsaina ho amin'ny fampandrosoana maharitra ny firenentsika.

Nandritry ny andro maro tamin'ny Septambra, nalaza tao Filipina ny tenifototra #StopLumadKillings [7]‬‬ tao amin'ny Twitter rehefa nandray ny tambajotra sosialy ry zareo Filipino mpisera amin'ny aterineto mba haneho ny firaisany hina amin'ireo Lumad nafindra toerana. Ireto ambany ireto ny sasany tamin'ny sary sy kisarisary fanehoana fanohanana ny Lumad :

The banner reflects the stand of the Catholic Church in Tandag City where more than 2,000 Lumad evacuees have sought shelter. Photo shared on Facebook by Manassas Benedict L. Serrano. [8]

Maneho ny fijoroan'ny Fiangonana Katolika ao amin'ny Tanànan'i Tandag ny faneva eto, toerana izay nahitan'ireo Lumad 2.000 mahery fialofana. Sary nozarain'i Manassas Benedict L. Serrano tao amin'ny Facebook

Teachers in Manila join call for the protection of the Lumad. Photo from the Facebook page of Carl Marc Ramota. [9]

Mpampianatra ao Manilla mamaly ny antso hisian'ny fiarovana ireo Lumad. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Carl Marc Ramota.

Women activists in Manila show support for the Lumad. Photo from the Facebook page of Tudla [10]

Vehivavy mpikatroka mafàna fo ao Manila maneho fanohanana ny Lumad. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Tudla

Facebook users were asked to share this profile photo created by human rights group in support of the Lumad. [11]

Nangatahan'ireo mpampiasa Facebook ny hampiasàna ity ho sary momba ny tena, noforonin'ny vondrona mpiaro zon'olombelona ho fanohanana ny Lumad.

Mpianatra avy amin'ny St Scho-Manila manao sakana maresaka be ho fanohanana ny #StopLumadKillings [12].

Tonga taminà firenena hafa ihany koa ny fanentanana #StopLumadKillings. Ireto ambany ireto ny sary maneho ny firaisankina iraisampirenena ho an'ireo Lumad :

Filipino teachers in University of California Berkeley show support for the Lumad. Photo from the Facebook page of Joi Barrios-Leblanc [15]

Filipino mpampianatra ao amin'ny Anjerimanontolon'i California Berkeley maneho fanohanana ny Lumad. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Joi Barrios-Leblanc

Filipino activists in New York City show support for the Lumad. Photo from  Anakbayan USA [16]

Filipino mpikatroka mafàna fo ao an-tanànan'i New York maneho fanohanana ny Lumad. Sary avy amin'ny Anakbayan USA

Solidarity from a Palestinian family. Photo shared on Facebook by Mark Moreno Pascual [17]

Firaisankina avy amin'ireo fianakaviana Palestiniana. Sary nozaraina tao amin'ny pejy Facebook-n'i Mark Moreno Pascual

Belgian activists show support for Lumad communities. Photo from the Facebook page of Tinay Palabay [18]

Belza mafàna fo maneho fanohanana ho an'ny vondrom-piarahamonina Lumad. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Tinay Palabay

Human rights activists attending a conference in Germany show support for Lumad communities. Photo from the Facebook page of Tinay Palabay [19]

Mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona nanatrika fihaonambe tany Alemàina maneho fanohanana ireo vondrom-piarahamonina Lumad. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Tinay Palabay

Activists in the Netherlands show support for the Lumad. Photo from the Facebook page of Marlon Toledo Lacsamana [20]

Mafàna fo avy ao Holandy maneho fanohanana ny Lumad. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Marlon Toledo Lacsamana

‪Victoria Tauli-Corpuz, mpitondra teny manokan'ny Firenena Mikambana momba ny resaka Zon'ireo vahoaka indizena sy Michel Forst misahana ny momba ireo toe-draharahan'ny mpiaro zon'olombelona, dia niantso [21] ny tafika hampitsahatra ny fibodoany ireo sekoly sasany an'ilay foko :‬

Tsy azo ekena, tena ratsy ary mifanohitra amin'ny zon'olombelona iraisampirenena sy ny fenitra iraisampirenena amin'ny resaka maha-olombelona ny fibodoana ataon'ny tafika amin'ireo andrim-panjakana sivily sy famonoana sivily, indrindra fa any aminà toerana toy ny sekoly izay tokony ho toerana azo antoka tsy hahitàna ny karazana herisetra tahaka izany ho an'ireo ankizy.

Ho azy ireo indray, nolavin'ny miaramila ny hoe nanao hetsika ivelan'ny tafika ry zareo mba hisotasotàna ireo vondrom-piarahamonina Lumad. Nisisihany ny hoe ny adim-poko no fototry ny herisetra any amin'ny faritra Lumad. Saingy tsy manaiky [22] izany ny governoran'ilay faritany ary niampanga ny miaramila ho nanangana milisy sy nanome fiadiana ho azy ireny. Efa nilaza ny hampanao fanadihadiana [23] momba ilay olana ny Loholona ao Filipina.