Fomba Enina Nataon'ny Hery Mpomba Ny Governemanta Taorian'ny Hetsika Bodoy an'i Hong Kong

Occupy protestors prepare for a final sit-in at the protest area in Admiralty, Hong Kong, on December 11, 2014, after a judge issued an injunction allowing police to clear the last remaining camps. Photo by  Jason Langley. Copyright Demotix

Manomana fitorevahana farany ireo mpanao hetsi-panoherana “occupy” (Bodoy) ao amin'ny toerana fanaovana hetsi-panoherana Amirauté, Hong Kong, ny 11 Desambra 2014, taorian'ny namoahan'ny mpitsara iray didy manome fahafahana ireo polisy hanadio ireo toeram-pilasiana sisa tavela. Sary avy tamin'i Jason Langley. Fizakàmanana Demotix

Taratasy vao haingana avy tamin'i Lokman Tsu, mpampianatra ao amin'ny Fianarana ny Fanaovana Gazety sy ny Serasera an'ny Anjerimanontolo Shinoa ao Hong Kong, ary mpikambana efa ela tao amin'ny Global Voices, mampiseho fijery mampitahotra ny fomba nihoaran'ireo manampahefana any Hong Kong ireo mpifaninana aminy nandritra ny andro faha 79-n'ny hetsika “Occupy Central” (Bodoy ny Afovoany) izay niantomboka tao an-tanàna ny faran'ny taona 2014.

An'arivony ireo mpanao hetsi-panoharana nametraka ilay toerana filasiana tao afovoan'ny tanànan'i Hong Kong ny volana Septambra ny taona lasa teo, mba hangataka ny fahalalahana misafidy ireo mpirotsaka ho fidiana amin'ilay sambany ho fifidianana mivantana hataon'ny tanàna amin'izay ho lehiben'ny mpanatanteraka ao aminy ny taona 2017. Nametraka i Shina fa tokony hahazo fanohanana avy amin'ny kaomity maro an'isa mpametraka ny olona azo ho fidiana, kaomity feno an'ireo mpomba an'i Pékin, izay olona na iza na iza hieritreritra ny handrombaka ny toerana voalohany ao Hong Kong, faritra manana rafitra manokana, izay manana ambaratonganà fizakàn-tena ihany manoloana ny tanibe.

Niatrika ny herisetran'ireo polisy sy ny tsindry politika ary ny fampitahorana avy eo an-toerana sy any ivelany nataon'ireo manampahefan'i Hong Kong sy ny tanibe Shinoa ny Hetsika Bodoy, talohan'ny nanaisoran'ireo manampahefana azy. Nandray anjara lehibe tamin'ny fikarakarana sy ny fandrindràna ny hetsika ny teknolojia, lasa “fantsona tena ilaina ho an'ny fifaneraserana tamin'ny vahoaka,” araka an'i Tsui. Nofariparitany ho “rindran-tsehatra somary miavaka” io, tamin'ny fomba nanampian'ny teknolojia ireo hetsika sosialy.

Ho valin-kafatra, tsy hoe niaro tena fotsiny ny governemanta, fa araka ny nambaran'i Tsui, tena nanao hetsika hanoherana ihany koa. Lazalazain'ny taratasiny ireo tetikady maro karazana nampiasain'ny governemanta sy ireo mpiara-dia aminy handresena lahatra sy hanenàna ny hetsika Bodoy.

Nanampatra ireo lalàna efa lany andro momba ny fanarahamaso amin'ny Aterineto

Mikasika ny antso an-tariby, ny fax ary ny emailaka ihany ny lalàna mifehy ny fanarahamaso amin'izao, ary tsy milaza ireo serasera amin'ny Aterineto mihitsy. Tamin'ny fandàvana niverimberina ny hanamarina raha nitatra tany amin'ny resaka Aterineto ihany koa ireo fiarovana ireo, toy ny milaza ny governemanta hoe tsy misy io.

Nampiasa ny lalànan'ny fiarovana ny hosoka ety anaty aterineto hisamborana ireo mpikatroka mafana fo

“Iray amin'ireo fisamborana nahatonga olana natao tamin'ny alàlan'ny [Lalànan'ny Heloka Bevava] Toko faha-161, nahitàna ny fiampangàna tanora iray 23 taona avy any Mongkok tamin'ny ‘fidirana tamin'ny solosaina niaraka tamin'ny fikasàna hanao heloka bevava sy tsy mendrika’ ary ‘famorian'olona tsy ara-dalàna’, nolazaina ho nandefa hafatra ho an'olona maro tao amin'ny sehatra firesadresahana amin'ny Aterneto mba hanjohy azy amin'ny hetsi-panoherana ao Mongkok.”

Sivana Aterineto mipetraka ho azy tamin'ny fampiasana ny fangatahana fanesorana votoaty

“Mihoatra ny isan'ireo fangatahana natao nandritra ny efatra taona mitambatra teo aloha ny isan'ireo fangatahana fanesorana votoaty tao anatin'ny efatra volana, ny volana Oktobra 2014 ka hatramin'ny volana Febroary 2015”

Fanafihana DDoS izay tena betsaka tsy mbola nisy toy izany

“Nanana fahafahana ny hanafika ireo karazana vohikala mampiahiahy azy ny tany amin'ny mpomba ny governemanta, niaraka tamin'ny fanafihana ratsy tena tsy mbola nanam-paharoa (500 Gigabytes isaky ny segondra), tafiditra tamin'izany ny vohikalan'ny Apple Daily, gazety manohana ny demôkrasisa any Hong Kong, sy ny PopVote, sehatra fifidianana amin'ny Aterineto an'ny Anjerimanontolon'i Hong Kong, nahatonga an'i Matthew Prince, ny Filoha Tale Jeneralin'ny orinasa mpampiantrano izay misahana manokana ny fiarovana amin'ny DDoS, hiantso azy io ho ‘fanafihana amin'ny Aterineto lehibe indrindra tao anatin'ny tantara.’”

Mpaneho hevitra ety anaty aterineto mandray “50 cent”

Nameno ireo fifanakalozan-kevitra amin'ny Aterineto, bilaogy ary ireo tambajotranà media sosialy mitovy amin'ireo mpaneho hevitra mandray vola izay miasa ho an'ny governemanta any rehetra any, ireo fanehoan-kevitra mpomba ny governemanta. Inoana amin'ny ankapobeny, fa ireo mpaneho hevitra mpomba ny governemanta dia karamain'ireo vondrona politika tohanan'ny governemantan'i Hong Kong sy Beijing.

Fandokoana ireo hetsika mifandray amin'ny teknolojia ho toy ny tetidratsy Amerikana

Amin'ny trangan'i Hong Kong, “nanosika tantaranà ‘fitsabahana avy any ivelany’ ny governemanta, fitantaràna tsy fitiavana ny avy any ivelany, izay miampanga ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena ho tsy manana ny maha-izy azy intsony, hoe ampiasain'ireo governemanta avy any ivelany sy vatsian'ireo vola, indrindra ny governemantan'i Etazonia, izay mitady ny hanozongozona sy handemy an'i Shina amin'ny fikotrehana hetsi-panovàna entina amin'ny anaran'ny ‘demôkrasia.’”

Namarana ilay taratasy tamin'ny teny mitondra fisainana i Tsui:

Mbola manana ny fahafahana hampahery ireo hetsika sosialy ny Aterineto; mety hanampy anatin'ny fotoana voafetra hanentsina ny tsy fahampian'ny fahalalahana aza izy. Nefa manome sosokevitra ny hetsika [Bodoy i Hong Kong] hoe ho samy eo amin'ny sampanan-dàlana ny Aterineto sy Hong Kong, hoe tsy afaka handray ny fahalalahany ho toy ny fanomezana ireo roa ireo. Tsy miteny akory izany hoe tsy misy intsony ny toerana hisian'ny fizakàn-tena sy fahalalahana ao amin'ny Aterineto na ao Hong Kong; kanefa, mitombo ihany ny fanaovana anjorom-bala azy ireo, ary amin'izany ankehitriny, dia takatry maro tsara ho toy ny zava-maningana fa tsy ny fenitra.

Ny Jolay 2015, nivoaka tao amin'ny Gazety Shinoa ho an'ny Fifandraisana ilay taratasin'i Tsui, nitondra ny lohateny hoe “Ny fahatongavan'ny fanjanahana ny sehatry ny Aterineto any Hong Kong: ireo valin-kafatry ny governemanta amin'ny fampiasana ireo teknolojia vaovao amin'ny hetsika elo”. Vakio ilay taratasy feno ao amin'ny bilaogin'i Tsui.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.