Tantara tamin'ny Septambra, 2015
Ny Tantaran'i Raiza Ruiz, Nolazaina Fa Maty Nefa Velona Mirijarija Be
Nambara fa maty i Raiza Ruiz taorian'ny fidarabohan'ny fiaramanidina iray tao Amazona. Na dia hita velona nony andro maro taty aoriana aza, hafahafa tsy mahazatra ny toerana misy azy manoloana ny lalàna.
Tsy Irery Ireo Bilaogeran'ny Zone9: Mpiserasera Ethiopiana Maro Ihany Koa No Voampanga Amin'ny Fampihorohoroana
Maro be ireo bilaogera Ethiopiana, mpikatroka antserasera sy mpanao politika izay mbola tsy ao anaty sarintany ny anaran'izy ireo. Ankoatra ny raharaha malaza Zone 9 Bloggers, misy ihany koa ireo tanora hafa marobe miatrika fiampangana mitovy amin'izany.
Sariitatry Ny Charlie Hebdo Momba An'i Aylan Kurdi, Miteraka Andiana Adihevitra iray Hafa
Adihevitra iray vaovao indray momba ny fahalalahana maneho hevitra no nateraky ny sariitatra farany navoakan'ilay gazetiboky frantsay mpanaraby, momba ny olan'ny mpitsoa-ponenana sy an'i Aylan Kurdi, ilay zazakely siriana maty an-drano .
Netizen Report: Miteraka Fitiavana Sy Fankahalana Amin'ny Aterineto Ny Krizin'ny Mpitsoa-ponenana
Ao Hongria, Serbia sy Alemaina, nandray fepetra tamin'ny fanomezana finday, fahana, sy fidirana amin'ny Wifi ho an'ireo mpitsoa-ponenana ny mpilatsaka an-tsitrapo ao an-toerana.
Miharatsy Kokoa Ny Mahazo Ny Vondrona Mpanohana Ny Tanora LGBT Malaza Indrindra Ao Rosia
Nanome baiko ny Vkontakte - tambajotra sosialy malaza indrindra ao amin'ny firenena mba hanakatona ny kaontin'ny Ankizy-404 ao amin'ny habaka, miaraka amin'ny kaontin'ireo vondrona LGBT efatra hafa ny sampam-panjakana mpanara-maso ny fampitam-baovao ao Rosia, Roskomnadzor .
Sarimihetsika “Zavon'i Srebrenica” Mampiseho Ireo Olona Sisa Niangana Tamin'ny Vono Olona Mahatsiravina Indrindra Tao Eoropa
Sarimihetsika vaovao momba ireo sisa niangana tamin'ny fandripahana tao Srebrenica navoaka nandritra ny Fetiben'ny Sarimihetsika Sarajevo faha-21 herinandro vitsy lasa izy ity. Tatitra avy amin'i Alessandra Goio sy Marta Vidal.
Ireo Hetsika ‘Maimbo Ianareo’ any Libanona
[...]tsy nety tonga mihitsy izany vahaolana izany, satria ireo mpanao politika -- nozarazarain'ireo tsy fifankahazoana teo an-toerana sy tamin'ny faritra -- tsy nahavita nifanaraka [...] Efa tonga ny fotoana, kanefa mbola tsy nahita vahaolana ireo manampahefana. Noho izany, nandray an-tànana ny raharaha ireo mponina
Mihamanatona ny fifidianana, mitodika any amin'ny media sosialy i Myanmar eo amin'ny kihon-dalan'ny demaokrasia
Eto amin'ity fifidianana ity no ijeren'ny maro ny fahavononan'ny governemanta amin'izao fotoana izao hanatontosa fifidianana marina sy madio, sy ho dingana lehiben'ny tetezamitan'ny firenena mankany amin'ny demaokrasia maoderina.
Zokiolona Thailandey Mpanao Gazety, Notànana Taorian'ny “Fanitsiana Toetsaina”
"Tsy ho voatazona ny fahalalahana raha tsy vonona ny hiaro azy io isika," hoy i Pravit tamin'ny bitsika nalefany ny andron'ny nitazonana azy.
Arantin'ny mpisera Twitter manerantany ny sakafo okrainiana hita any am-pivarotana ao amin'ny toerana misy azy
Niangavy tamin'ny mpanjohy azy ny minisitry ny fambolena ao Okraina hamoaka sary ireo vokatra avy ao Okraina hita any amin'ny mpivarotra voka-pambolena sy fiompiana manerana izao tontolo izao hampisehoana ny fahalavitana tongan'ny voka-pambolena aondran'ny firenena any ivelany.