Mety ho fomba iray mahaliana handinihana ny zavamisehon'ireo vondron'olona mifindra monina mankany amin'ny firenena manankarena kokoa ny vazivazy, ka lasa zandriolona any ry zareo. Ohatra velona amin'izany toe-javatra izany indrindra ny Amerikana latina monina any Etazonia ka hitan'ny tambajotran'ny televiziona amin'ny teny espaniola Univision [2] ny tsena mety hahazoambola : taranaka mbola tanora, manana kolontsaina roa amin'ny ankapobeny. Matetika ahitana taranaka faharoa sy fahatelo amin'ny mpifindra monina ireo mpijery ireo ary tena amin'ny fampiasana ny haino aman-jery vaovao.
Natomboky ny Univision, tambajotra natao ho an'ny lahatsary fohy mampihomehy ny Flama [3]. Azo jerena amin'ny aterineto amin'ny alalan'ny Hulu [4] sy YouTube [5] irery ihany ny votoatin'ny Flama [6] ary miresaka lohahevitra toy ny fomba fiaina, fanatanjahan-tena, mozika, ary indrindra fa ny tantara fampihomehezana izy. Ny fampihomehezana no fivoy fanazavana ny fahasamihafana ara-kolontsaina eo amin'ny Latinos sy ny Etazoniana, sy ireo hevi-diso, fitsaratsaram-poana ary fitsarana an-tendrony.
Ny teny Anglisy no tena mibahana amin'ireo lahatsary – matetika miaraka amin'ny dikantsoratra – ary natao ho an'ny mpijery tanora liana amin'ny kolontsaina Amerikana Latina. Ahitana fijoroan'ny Flama matanjaka ihany koa ao amin'ny Twitter [7], Facebook [8], Instagram [9], ary ny Google+. [10]
Na dia ny saranga antonony Amerikana Latina aza no tena asongadin'ireo lahatsary, ary tsy mametraka olana amin'ny fanavakavahana iaretan'ity vondron'olona isankarazany indrindra ao Etazonia ity, misy ny sehatra hitsikerana ny fitsaratsaram-poana sy ny fitsarana an-tendrony ratsy mieli-patrana, izay matetika aparitaky ny fiarahamonina Amerikana Tavaratra momba ity vondrona ity. Ireto ny sasany amin'ireo olana mampiasa vazivazy sy hatsikana :
Ny olana iainan'ireo Amerikana Latina vaovao ao amin'ny birao, vokatry ny fahasamihafan'ny firafitry ny fianakaviana sy ny hevi-diso ara-kolontsaina sy ara-pitenenana :
Ny fahatezerana asehon'ny Amerikana Latina manoloana ny fitsarana an-tendrony ataon'ny Amerikana Tavaratra ho fanimbazimbana azy ireo :
Ny fitsaratsaram-poana fa leo mandre ireo namany sy olom-pantany Amerikana Tavaratra amin'ny toe-batan'izy ireo “ny “Latina fotsy” :
Toe-javatra mifandraika amin'ny fampifangaroana teny roa, indrindra ny fampiasana ny teny “Espanglisy” :
Fitsaratsara-poana ny vehivavy Amerikana Latina amin'ny fotoana idiran'izy ireo amin'ny fifandraisana mampihetsi-po:
Amin'ny fomba tahaka izany, mihantsy ireo vato misakana fanehoam-panondroana ireo Amerikana Latina ny Flama ary mampiseho ny fahamaroana sy fahasamihafana misy ao aminy. Tsy mahafantatra olana tahaka ireo nofaritana eo ambony ireo ny vondrom-piarahamonina lehibe ao Etazonia, saingy fanararaotana goavana hanapariahana ny tombotsoam-bahoaka ny fifampihaonan'ny kolontsaina.