
Efitra #Pinjratod kely ao amin'ny oniversite Ambedkar. Sary avy amin'ny pejy Facebook “Pinjra Tod : Vakio ny Hidim-baravaran'ny Hotely”
Tamin'ny 9 Septambra 2015, nopetahana afisy an-jatony mivaky hoe ““Pinjra Tod”, izay midika ara-bakiteny hoe: “vakio ny trano” ny faritry ny Oniversiten'i Jamia Milia Islamia sy ny tranon'ny mpianatra manodidina. Miezaka manasongadina ny fanambatiana ny vehivavy ao amin'ny fampianarana akademika ny hetsika noho ny fisian'ny fitsipika hafa mifehy ny tranon'ny vehivavy mpianatry ny oniversite.
Tamin'ny volana Jiona ohatra, namoaka tsy fahazoan'ny vehivavy mivoaka manomboka amin'ny 8 alina ny oniversiten'i Jamia Milia Islamia ao Delhi. Ho an'izay rehetra tara, angatahina izy ireo mba hampiseho fahazoan-dalana nosoratan'ny mpiandry ny tranon'izy ireo ao an-toerana. Raha tsy manaja ireo fitsipika ireo ny mpianatra, dia azo esorina amin'izy ireo ny zon'izy ireo hanana trano hipetrahana ao amin'ny oniversite.
Taorin'izany, namoaka filazana manohitra izany fitsipi-pitondran-tena napetraka ho an'ny tranon'ny mpianatra vehivavy irery izany ny Vaomieran'ny Vehivavy ao Delhi. Nilaza ireo mpampiatrano fipetrahan'ny mpianatra ao amin'ny oniversite raha niaro tena fa napetraka izany fitsipika izany ho fiarovana ny vehivavy. Ho an'ny Jamia Millia Islamia kosa, nilaza izy fa mbola handinika indry ny fitsipika ho hanajana ny fitovian-jo.
‘Fanitsakitsahana mazava ny Zoko Hitovy zo amin'ny Rehetra’
Nanakoako teo amin'ireo mponina maro ao amin'ny faritranon'ny mpianatry ny oniversite ho an'ny vehivavy manerana an'i India ny hetsika #PinjraTod araka ny hita ao amin'ny sary nampidirina tao amin'ny pejy Facebook-n'ny “Pinjra Tod: Vakio ny Hidim-baravaran'ny Hotely“. Nanao hetsika ny mpianatra, ary milaza fa fanitsakitsahana mivantana ny zo demaokratika izany fitsipika izany.
Mpianatra tsy mitonona anarana ao amin'ny Youth Ki Awaaz nanoratra taratasy misokatra ho an'ny filoha lefitry ny Jamia Millia Islamia:
This difference in the hostel rules is a clear violation of my Right to Equality, bestowed to me in Article 15 of the Constitution, which prohibits the state from discriminating any citizen on the grounds of religion, race, caste, sex or place of birth. Making it mandatory for adult women to enter the hostel premises by 8.00 pm and making them get signed permission from their local guardians or parents 24 hours in advance, every time they decide to come late or take a leave, is a blatant violation of my Right to Freedom, which protects my life and personal liberty in Article 21 of the Constitution.
Fanitsakitsahana ankarihary ny zoko hitovy amin'ny zon'ny hafa ity fitsipiky samy hafa amin'ny tranon'ny mpianatra ity, araka ny voalazan'ny Lalàmpanorenana Andininy faha-15, izay mandràra ny fanjakana tsy hanavakavaka olom-pirenena noho ny antony ara-pivavahana, firazanana, saranga, ny maha-lahy na vavy na fiaviana. Fanitsakitsahana miharihary ny Zoko hanana Fahalalahana, izay miaro ny fiainako sy ny fahalalahako manokana voalazan'ny Lalàmpanorenana Andininy faha-21 ny fanerena ny vehivavy tsy maintsy miditra ao amin'ny faritry ny tranon'ny mpianatra alohan'ny amin'ny 8 ora hariva ary manery azy ireo mba hampiseho alalana nosoniavin'ny mpiandry trano ao an-toerana na ray aman-dreny 24 ora mialoha, isaky ny mody tara na haka fialan-tsasatra.
Tamin'ny fiandohan'ity volana Septambra ity, nitsikera ny fitsipika henjana ao amin'ny Kolejin'ny Injeniera, Trivandrum tamin'ny sioka i Dr Shashi Tharoor, mpikambana ao amin'ny Parlemanta sady minisi-panjakana teo aloha:
The repressive rules of girls'hostels in India: http://t.co/XMtBDkiADb I support the protests by the women of CET/College of EngineeringTvm
— Shashi Tharoor (@ShashiTharoor) September 13, 2015
Ny fitsipi-pangejana ao amin'ny hotelin'ny vehivavy ao India: Manohana ny fihetsiketsehana ataon'ny vehivavy ao amin'ny CET/Kolejin'ny Injeniera Tvm aho
Nanameloka ny fitsipika “mitondra-tena tahaka ny pelaka” ao amin'ny hotelin'ny oniversiten'i Ambedkar ao Delhi i Kavita Krishnan, mpikambana ao amin'ny Antoko Komonista ao India (Marksista–Leninista):
Ok, now AUD (Ambedkar Univ Delhi) says ‘no homosexual conduct’ on campus!!!! More #CampusPrisons that are… http://t.co/mZ886elO5F
— Kavita Krishnan (@kavita_krishnan) September 22, 2015
Eny, milaza ny AUD (Oniversiten'i Ambedkar Delhi) ankehitriny fa “tsy ekena ny fitondra-tena pelaka” ao amin'ny faritry ny oniversite!!! Fonjan'ny oniversite marobe izay….
Amin'ny tranga tafahoatra, voalaza fa nampahafantatra fitsipika 14 natao manokana hoan'ny mpianatra vehivavy ny Kolejin'ny Injeniera Sri Sairam. Anisan'ny tafiditra amin'izany fitsipika izany ny fomba fitafy, tahaka ny tsy fahazoana manao leggings (pataloha manara-batana), pataloha tery , kiraro avo be, tsy fahazoana mandoko volo sy tsy fahazoana mitondra famataranandro lehibe mihaja, ary koa famerana ny fifaneraserana, toy ny tsy fahazoana manao fety ao amin'ny faritry ny fampianarana, tsy fahazoana mitondra vatomamy be dia be hozaraina ary tsy fahazoana manao Facebook na WhatsApp.
Sri Sairam Engg College, Chennai's list of NO's for their girls. Bcoz girls are distractions not students? pic.twitter.com/NvAxXMZYjn
— Sangita Nambiar (@Sanginamby) September 21, 2015
Kolejy Sri Sairam Engg, ny lisitry ny Chennai amin'ny TSY hoan'ny vehivavy. Satria fialam-boly ny ankizivavy fa tsy mpianatra?
Tsy vao voalohany ny mpianatra no nampiaka-peo manohitra ny fitsipika. Tamin'ny taona 2010, nanao fihetsiketsehana ny mpianatra taorian'ny fanohintohinana nataona mpiasa tsy mpampianatra tamin'ny mpianatra roa. Voalaza fa voatsikera noho ny fampiharana fitsipika tahaka ny “fonja” toy izany ny kolejy. Na dia nolavin'ny filohan'ny Kolejin'ny injeniera Sri Sairam aza ny namoahana ny fitsipika, nanamafy ny fisian'ny fitsipika toy izany ireo mpianatra taloha efa nahazo diplaoma tao amin'ny kolejy. Mahagaga fa kolejin'ny injeniera maro ao amin'ny faritra Tamil Nadu no ahitana fitsipika “famaizana” manavakavaka tahaka izany ho fampitoniana ny ray aman-dreny.
Nahazo laka ny Pinjra Tod
Nanoratra tao amin'ny Youth Ki Awaaz nilaza izay ho vokatry ny hetsika Pinjra Tod i Shambhavi Saxena:
The Pinjra Tod movement, comprised of women from colleges in Delhi University, Jamia Milia Islamia, Ambedkar Univeristy, National Law University and Jawaharlal Nehru University, grew out of a simple Facebook page, where female hostel and PG residents began sharing their bitter experiences with guards, wardens, principles, landlords and the like. What is clear from all these stories is the need for an all-out rejection of these restrictive rules and the patriarchal protectionism they are built on.
Nihoatra amin'ny pejy Facebook tsotra azy ny hetsika Pinjra Tod, ahitana ny vehivavy mpianatry ny kolejy ao amin'ny oniversiten'i Delhi, Jamia Milia Islamia, Oniversiten'i Ambedkar, Oniversiten'ny Lalànam-pirenena sy ny Oniversiten'i Jawaharlal Nehru, nizara ny traikefa mangidy niainan'izy ireo niaraka tamin'ny mpiandry trano, ny mpiambina, ny tale na mpandraharaha an-tsekoly, ny manampahefana ara-piarahamonina ao an-toerana sy ny hafa mitovitovy amin'izany. Ny mazava amin'ireo tantara rehetra ireo dia tokony holavina amin'ny fomba rehetra ireo fitsipika mamepetra sy ny fiarovana ny fanjakazakan-dehilahy iorenan'izany.
Nahazo olona maro ny fanangonan-tsonia tao amin'ny Change.org nataon'ny Pinjra Tod, izay manazava tsara ny andraikitry ny hetsika. Na izany aza, nisy ny fivadihan-javatra raha nahazo fandrahonana avy amin'ireo mpikatroka hery ankavanana Haindò ireo mpikambana roa amin'ny hetsika avy ao amin'ny Oniversiten'i Delhi tamin'ny 22 Septambra 2015. Nitangorona tao amin'ny komisarian'ny polisy Maurice Nagar ny vondrona mpianatra teo amin'ny 40 teo mba hametraka fitarainana an-tsoratra (FIR).