Inona Mikasika An’i Kazakhstan No Ambaran’ny Hadisoam-pamindran'ny Filoha Nazarbayev Momba Ny Aty Matavy (Foie Gras) Amintsika

Moulard duck foie gras with pickled pear. Wikipedia image.

Moulard atin-gàna matavy miaraka amin'ny poara misy vinaingitra. Sary avy amin'ny Wikipedia.

Fotoana Marie Antoinette izany ho azy; ny fanehoankevitra fanary izay nampiseho fa tena tsy mifandray amin’ny zava-misy ara-toekarena sy ny tsy fitoviana mitombo hatrany ao anatin'ny fireneny manankarena solitany izy. Ary felaka rambon-trondro ho azy ny Aterineto raha ny tokony ho izy.

Ny Filoha Nursultan Nazarbayev any Kazakhstan, 75 taona, manana ny laza goavana ao anatin'ny fanjakana matanjaka ao amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha 17 tapitrisa izay notantaniny hatramin’ny talohan'ny fahaleovantena tamin'ny 1991.

Nefa misy ihany koa ny fitombon'ny mponina izay mitady fanovàna ao amin'ilay firenena ao Azia Afovoany.

Izany dia ahitana indrindra ny tanora leo ny rafitra vesaran'ny tsy fahombiazana sy ny kolikoly ary ny toekarena miankina amin'ny vidin-tsolika maneran-tany. Maro amin'izy ireo no miaina ao amin'ny Facebook sy Twitter.

Izany mponina izany ihany no nipoaka rehefa injay niteny i Nazarbayev tamin'ny 7 Septambra, nandritra ny fitsidihana arak’asa tany amin’ny faritr’i Akmola ao Kazakhstan afovoany, hoe:

Самое главное, что покушать у нас есть…Все остальное, к примеру, западная одежда – можно прожить и без этого. Правда? Без фуа-гра, бананов, вредных вообще для нас…Без самых лучших, огромных Ленд Крузеров тоже можно прожить.

Ny zava-dehibe indrindra dia ny fananantsika sakafo. Ny zavatra hafa rehetra – ny fitafiana Tandrefana – afaka miaina tsy misy izany isika. Marina? Tsy mila aty matavy, akondro, izay manimba ny tenantsika […] afaka miaina ihany koa isika raha tsy misy ny Land Cruisers tsara indrindra, lehibe indrindra.

Nangataka ny vahoaka hahatakatra ny fiakaran'ny vidin-tsolika sy ny tsy hihinana aty matavy i Nazarbayev.

Ny zava-misy manodidina ny fanehoankevitra nataon’i Nazarbayev dia ny fahambanian’ny vidin‘ny barila amin’ny fanondranana lehibe indrindra ao Kazakhstan: ny solika tsy voadio.

Ny fitotonganan'ny vidin-tsolika maneran-tany, sy ny krizy ara-toekarena ao Rosia mpifanolo-bodirindrina, no niteraka ny vaninandron’ny fitsitsiana tany Kazakhstan, izay nahitana fitombon’ny harinkarena faobe mahavariana tao anatin’ny taona folo voalohany taorian'ny arivo taona faharoa.

Kanefa, na nandritra ny vanim-potoana nidanganan'ny vidin’ny solika aza, tsy ny Kazakhs rehetra no hitondra Aty Matavy ao anatin'ny Land Cruisers-ny. Maro no mbola tsy nandre mihitsy ny fahaizana manokana momba ny fikarakaràna atin-gana na gisa.

Haingana ny nampahafantaran'izy ireo azy an’izany:

[Eo amin'ny sary : Ny karazana aty matavy-nay] Ny fotoana izay tsy mbola nanandramanao mihitsy aty matavy ary nandraràny anao tsy hihinana izany.

[Lohatenin’ilay lahatsoratra nobitsihana: Aorian'ny fifidianana solombavambahoaka, hiakatra 15% ny vidin’entana] Ankehitriny tena tsy ho afaka hividy aty matavy isika!

Tamin'ny fiarovana hafahafa ny fanehoankevitra hafahafa nataon’ny filoha, nilaza i Dauren Abaev, mpitantsoratr'i Nazarbayev ary mpandrindra ny fifandraisana amin’ny media, fa ny “teny an'ohatra” nataony no nahafahan’ny Kazakhs “nanàna ny mavesatra taminy”.

Nanamarika i Abaev fa niasa “tsy nisy fitsaharana” i Nazarbayev ho tombontsoan'ny firenena, fa tsy naneho hevitra kosa momba izay antony fiheverany hoe manimba ny akondro.

Toy ny mahazatra, manana trosa amin'ny tafika mpanohana aty anaty tranonkala ny fitondrana (na angamba olona iray ihany fa manoratra zavatra tena mitovy fotsiny, averimberina) izay mandoto ny fizaràna fanehoankevitra ao amin'ny Tengri News, media tsy miankina izay voalohany nisehoan’ilay firesahana aty matavy :

народ конечно понимает, что это образное выражение. мы с Елбасы, мы за единство Казахстана! Народ всегда вместе с Лидером!

Mazavaloatra fa takatry ny vahoaka hoe fanehoana an'ohatra izany. Miaraka amin'i Elbasy izahay [Nazarbayev ‘Filohan’ny Firenena’], manohana ny firaisankina ao Kazakhstan izahay! Miaraka amin’ny mpitarika azy mandrakariva ny vahoaka!

Taorian'ny telopolo taona eo ho eo tao anaty kiana mamay, tsy mbola very ny talenta politikan’i Nazarbayev manoloana ny teny tsy ambina. Inona anefa no lesona, raha nisy, azon'izy sy ny ekipam-pifandraisany nosintonina tamin’ity ampahany ity?

Nanoratra tao amin'ny Facebook i Rinat Balgabaev ka nanome torohevitra sarotra henoina nefa mahasoa ho an'ny olona ambony:

В кризисный период, если нет пока пряников для раздачи, PR должен работать точечно, и очень тонко, чтобы не усугубить ситуацию. Когда субъект пиара любит импровизировать, причем опираясь на свой жизненный опыт, очень важно, чтобы этот опыт был актуальным в текущий момент.

При всем его алармизме в предыдущих выступлениях, он себя уже давно не может оценить объективно, и не принимает свою роль в создании этого кризиса.

При чем, при таких сложных субъектах пиара, как президент, который одновременно является и объектом пиара, т.е. его потребителем, трудно спрогнозировать и тем более регулировать процесс импровизации.

Можно конечно, но, трудно. Например, не вкладывать ему в уста Ленд Крузеры, которые могут обрасти фуа-гра, или, прости, Господи бананами.

Amin'ny fotoanan'ny krizy, raha tsy misy mofomamy hozaraina, tokony hiasa ara-potoana ny PR, ary tena am-pitandremana, mba tsy hampitombo ny fahasarotan’ny toe-draharaha. Raha tia manao zavatra tsy misy fiomanana ny olon’ny PR, niresaka ny traikefa ananany amin’ny fiainany manokana, ny zava-dehibe dia tokony hiresaka ny fotoana ankehitriny io traikefa io.

Amin'ny lohahevitra sarotra toy izany ho an’ny PR toy ny filoha, izay sady tena ilay zavatra ifantohan'ny PR ihany koa,  (izany hoe ny tena mpanjifany), sarotra ny maminavina –tsy latsak’izany ny mandamina – ny dingana hanaovan-javatra tsy voaomana. Azo atao tokoa izany, saingy sarotra.

Rehefa dinihina tokoa, amin’izay rehetra fampielezana tsaho nataon’i [Nazarbayev] tamin'ny kabary teo aloha, efa ela izy no tsy afaka manao tombana tsy misy fitanilàna na dia momba ny tenany ihany aza, na manaiky ny anjara asany teo amin'ny famoronana ity krizy ity.

Nefa afaka manomboka amin'ny tsy fametrahana Land Cruisers eo am-bavany ianao, izay mety mitombo ao anaty aty matavy na, mamelà ahy Andriamanitra o,  ny akondro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.