- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fandinihana Momba Ny Herintaonan'ny Fanjavonan'ireo Mpianatra Tao Ayotzinapa

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Uruguay por Ayotzinapa Marcha contra la detención y desaparición de los 43 normalistas de Ayotzinapa, desde la Plaza Independencia hasta la Embajada de México. Noviembre 17, 2014. Montevideo, Uruguay. [1]

Diabe manohitra ny fitazonana sy ny fanjavonan'ireo mpampianatra 43 ao Ayotzinapa, ao Montevideo, Orogoay, 17 Novambra 2014. Sary avy amin'i Sofia tao amin'ny Flickr. CC BY-NC-ND 2.0.

Nandefa hafatra tao amin'ny Youtube andro vitsivitsy talohan'ny tsingerintaonan'ny fanjavonan'ireo mpianatra tao Ayotzinapa i Omar Garcia, izay antsoina koa hoe “faha-44″ noho izy tafavoaka velona tamin'ny loza ny alin'ny 26 Septambra 2014, raha nanjavona (ary voalaza fa novonoina) ireo mpianatra avy ao amin'ny Kolejy Ambanivohitra Raul Isidro Burgos [2]ao Ayotzinapa. Tao anatin'ny lahatsariny, nilaza lahatsoratra vao haingana nalefan'ny Vondrona Manampahaizana avy amin'ny taranja maro [3] izay nandà ny fanazavana ofisialy [4]momba ny zava-nitranga io alina io izy ary nitady ny fanohanan'ny vahoaka mba tsy hohadinoina ireo olon-kafa an'arivony nanjavona.

Ya no son dichos, ahora lo están diciendo expertos, lo están diciendo los organizmos internacionales que pudieron revisar el expediente de la PGR y que descubrieron todas las irregularidades (…) Hoy por hoy podemos demostrar que aquí en México gobierna un narco estado.

México no vive, México está muriendo. ¿Cómo vamos a hacer un grito este 15 de septiembre diciendo que tenemos independencia? ¿Independencia de qué? (…)

Ojalá ustedes puedan replicar las acciones globales del 26 de septiembre (…) Ahora el movimiento tiene legitimidad nuevamente. Pensaban que con el tiempo nos iban a derrotar. Pensaban que conforme fueran pasando los meses los padres de familia se iban a quedar callados, se iban a ir para sus casas, pues no.  (…)

Para nosotros la noche del 26 de septiembre no ha terminado.

Tsy voambolana fotsiny izy ireo, milaza koa ankehitriny ireo manam-pahaizana, afaka nandinika ny tatitry ny Fampanoavana ny fikambanana iraisam-pirenena ary nahita ny tsy fanarahan-dalàna rehetra (…) Ankehitriny dia afaka mampiseho isika fa fehezin'ny fanjaka-drongony i Meksika .

Tsy velona i Meksika, maty i ​​Meksika. Ahoana no ahafahantsika mankalaza ny fahaleovantena amin'ny 15 Septambra? Fahaleovantena avy amin'ny inona? (…)

Manantena aho fa afaka mamerina ny hetsika manerantany 26 Septambra ianao(…) Voaporofo indray fa ara-dalàna ny hetsika. Nihevitra izy ireo handresy antsika ny andro sy ny volana. Nihevitra izy ireo afaka volana maromaro, hijanona hangina ny ray aman-drenin'izy ireo fa te hody an-trano fotsiny, saingy tsy izany no nitranga. (…)

Ho anay, tsy tapitra ny alin'ny 26 Septambra.

Araka ny voalazan'i Omar, mikarakara hetsika iraisampirenena ireo mpikatroka, izay mitovy ny tamin'ny 15 Novambra 2015 [5], raha nivondrona ny olona an'arivony ny amin'izay “mety ho hetsika ara-politika goavana indrindra eo amin'ny tantaran'i Meksika.” Anisan'ireo hetsika hafa karakaraina amin'ny 26 Septambra ny diabem-pirenena [6], diabe kasaina hiainga avy ao Los Pinos (trano fonenana ofisialin'ny Filoha) mankao Zocalo (kianja lehibe) ao an-drenivohitra. Mihetsiketsika ny olom-pirenena marobe mba handray anjara amin'ny hetsika manerana ny firenena.

Ahitana hetsika ara-kolontsaina ihany koa ny fahatsiarovana ny zava-nitranga, toy ny sary mampiseho ny tantaran'ireo mpampianatra tsy hita, izay mitondra ny lohateny hoe “365 por los 43. Hasta las paredes saben” [7] (“365 ho an'ny 43. Mandra-pahafantaran'ny rindrina”), notontosaina nanomboka tamin'ny 19 Septambra ka hatramin'ny 17 Oktobra ao amin'ny Casa do do hijo Ahuizote, ao amin'ny renivohi-pirenena. Omen'ireo mpakasary alalana hampiasa ny sary ny vahoaka mba hozarain'izy ireo eny an-dalana ary avoaka eny amin'ny rindrina ho toy ny endrika fanehoan-kevi-bahoaka. Napetraka ihany koa ny karazana sarety mba hizarana ny sary nandritra ny diabe 26 Septambra tao Mexico City.

Foto de Valentino Bellini de la exposición “365 por los 43. Hasta las paredes saben”

Sarin'ny fihetsiketsehana, avy amin'i Valentino Bellini: “365 ho an'ny 43. Mandrapaha-fantaran'ny rindrina.”

Eo ampandinihana ny dikan'i Ayotzinapa, nosoratan'ilay mpanao gazety sady mpanoratra  Federico Mastrogiovanni [8], ampiarahany amin'ny fampiratiana an-tsary, ireto songa tamin'ny lahatsoratra :

Trescientos sesenta y cinco días separan a los cuarenta y tres normalistas de Ayotzinapa de nosotros.

A partir del 26 de septiembre de 2014 Ayotzinapa dejó de ser un lugar, para convertirse más bien en una idea, un símbolo. (…)

Desde hace trescientos sesenta y cinco días 26 de septiembre quiere decir desaparición forzada. (…)

Los fotógrafos Valentino Bellini, Brett Gundlock, Giulia Iacolutti, Mauricio Palos y Heriberto Paredes, han documentado con sus imágenes la búsqueda y el dolor, las marchas, la esperanza y la indignación a lo largo de un año.

Pero su trabajo se queda incompleto si las imágenes no generan conciencia, si no invaden los espacios públicos, si no se hacen alimento para la mente. (…)

Para que no siga imperando el olvido y la impunidad.

 Dimy amby fito-polo sy telon-jato andro no manasaraka antsika amin'ireo mpampianatra telo amby efa-polo ao Ayotzinapa.

Tamin'ny 26 Septambra, 2014, nijanona ny maha-toerana azy i Ayotzinapa, ary lasa hevitra, sariohatra. (…)

Nandritra ny dimy amby fito-polo sy telon-jato andro, nampitoviana amin'ny fanjavonana noterena ny 26 Septambra. (…)

Tao anatin'ny herintaona, nandrakitra an-tantara ny fitadiavana ny ny fahamarinana sy ny fanaintainana, ny diabe sy ny fanantenana ary ny hatezerana ireo mpaka sary Valentino Bellini, Brett Gundlock, Giulia Iacolutti, Mauricio Palos, ary Heriberto no Paredes

Saingy tsy tanteraka ny asan'izy ireo raha tsy miteraka fahatsiarovan-tena, raha tsy mameno ny toeram-bahoaka, raha tsy mamahana saina. (…)

Koa tsy hanjaka intsony anie ny fanadinoana sy ny tsimatimanota.