Nahazo loka tao amin'ny fanaovan-gazety an-tserasera ny andian-dahatsoratry ny Global Voices Sombintsombiny avy any Syria

Screen-shot-2015-08-11-at-12.49.55-PMFaly tokoa izahay manambara fa ny andian-dahatsoratra ato amin'ny Global Voices Sombintsombiny avy ao Syria: Marcell Shehwaro amin'ny Fiainana ao Aleppo dia nahazo ny nahazo Amboaran'ny Fanaovan-Gazety An-tserasera 2015 iray (OJA) ao amin'ny sokajin'ny fanehoankevitra an-tserasera. Izao fandresena izao dia nambara nandritra ny lanonam-panolorana loka OJA tao Los Angeles tamin'ny 26 Septambra teo.

Nahazo fanohanana matanjaka avy amin'ny fikambanan'ny Global Voices ny andian-dahatsoratr'i Marcell Shehwaro, Syriana mpikatroka raha nandrafitra ny toko 12 mitantara an'i Aleppo, izay nanomboka nivoaka tamin'ny 2014 tao amin'ny ary zoro vaovao, Tetezana – The Bridge, izay manasongadina ireo fomba fijery manokana tsy nalain-tahaka avy amin'ireo mpikamban'ny fiarahamoninay manerana izao tontolo izao.

Ny tantarany dia nadikan'i Amira Al Hussaini sy Lara Al Malakeh tamin'ny teny arabo ho amin'ny teny anglisy ary nahitsin'i Georgia Popplewell. Mpikambana maro tao amin'ny fikambanan'ny Lingua ato aminay no nandika ireo lahatsoratra ireo ho amin'ny teny espaniola, hebreo, arabo, frantsay,shinoa, koreana ary alemana.

Nandritra ny fanambarana ny loka ny mpitsara no nanatsonga teny fa “ny fitozoan'ny mpanoratra tamin'ny tsanganasany no nahitany ireo faritra volombatolalaka [sady tsy mainty no tsy fotsy] ao amin'ny ady izay re matetika avy amin'ireo fomba fijerin'ny mpifanandrina mifanohi-kevitra tanteraka.”

Ny loka OJA dia efa nanome voninahitra ny fahatsarana dia tsara ny fanaovan-gazety nomerika manerana izao tontolo izao hatramin'ny 2000, ary tantanin'ny Online News Association (ONA na fikambanam-baovao an-tserasera). Nanaiky ny [handray ny loka] nandritra ny lanonam-panomezana loka ONA 2015 tao Los Angeles ny tale mpanatanteraka ato aminay Sahar Habib Ghazi.

@SaharHGhazi @Marcellita @JustAmira @georgiap @globalvoices @LaraDaba Miarahaba ireo vehivavy mampitolagaga rehetra ireo! Afa-mirehareha manana anareo ❤

Ity loka ONA15 azon'ny Global Voices ity no ohatra velona amin'ny antony rehetra nahatonga ahy hirona any amin'ny fanaovan-gazety an-tserasera

Mahafinaritra ny mahita mpanoratra ato amin'ny Global Voices nahazo loka OJA15 ONA15

Nanamory fiara hiverina any San Francisco miaraka amin'ny loka ONA15 avy amin'ny OJA15 azon'ny Global Voices

Lasa mpamono olona daholo izahay eto Syria

Taorian'ny nandrenesany fa voadaroky ny baomba ny toera-pisavana izay namonoan'ny miaramilan'ny fitondrana syriana ny reniny, dia nanoratra ity tsanganana nofantenana ity i Marcell, “Miankina amin'ny fahafatesan'ny hafa ny fahafahako miavo-tena…ary izay no hahavitan'ity fitondrana mpamono olona ity mandresy, tsy ijerena izay fiovana politika miandry an'i Syria.”

Ivan Sigal, tale mpanatanteraka ato aminay no nanazava ny mahazavadehibe sy ny mahamety ny nifantenana ny andian-dahatsoratr'i Marcell tamin'ny andran-dahatsoratra ao amin'ny ONA. Indro ny tsonga :

Marcell is part of a community of writers and digital activists who participated in the original nonviolent reform movement in Syria. They are digitally networked journalists and activists closely tied to reform movements in other parts of the Middle East, and their habits of communication and communities are based in the culture of the Internet. As such, Marcell’s work is emblematic of the idea of online journalism – allowing us to hear voices and stories of people who had previously been subjects in the stories of outsiders. Marcell's voice is that of an insider reflecting her experience of the war in Aleppo for a global audience. Against the odds she and her peers continue to insist on the need for human dignity, and on the power of stories about individual lives in the face of extreme violence and geopolitical manipulation.

The framing of Marcell's essays runs counter to a presentation of the Syrian war in which stories about extremism and polarization are emphasized. We rarely hear about the nuances and complexities of the lives of individual Syrians. In her writing, Marcell's voice turns and winds through her days as she struggles to survive and make sense of the collapse of her world, the murder of her mother at a government checkpoint, the dilemmas of her friends and their families, and dreams of a forgone past. She brings us the complexity of Syrian society, showing us the fractures, alliances and impossible choices made by individuals living through war. Her stories again and again shatter the reality of those choices, the knowledge that making them requires people who in normal times might be fair, compassionate and caring to choose violence as a means of security.

Anisan'ireo mpanoratra sy mpikatroka nomerika nandray anjara tamin'ny hetsika milamina tao Syria i Marcell. Mpanao gazety sy mpikatroka nifandray akaiky tamin'ireo hetsi-piovana tany amin'ny faritra hafa tao Afovoany Atsinanana ry zareo ary mifototra amin'ny kolontsain'ny aterineto ny fahazaram-pifandraisana sy ny fikambanan'izy ireo. Amin'izay lafiny izay dia maodely amin'ny atao hoe fanaovan-gazety nomerika ny asan'i Marcell – nahafahantsika nandre ny feo sy ny tantaran'ireo olona izay efa nosoratan'olona avy any ivelany. Ny feon'i Marcell dia avy amin'ny olona niaina ny ady tao Aleppo ka nanoratra izany hoan'ny rehetra. Na dia teo aza ny zavatra nihatra dia mbola nikiry tamin'ny tokony hametrahana ny fahamendrehan'olombelona, ny herin'ny tantaran'olona miatrika herisetra faratampony ary ny fikendrena ara-jeografia politika i Marcell sy ny mpiara-dia aminy.

Mifamotitra amin'ny fomba fanehoana ny ady ao Syria izay mampisongadina ny extremisma sy ny fivakisan'ny fiarahamonina ny fomba fanoratr'i Marcell. Tsy mba fandre izany fahasamy hafana sy ny fahasarotan'ny fiainan'ny olona syriana tsirairay izany. Ao amin'ny asa-sorany i Marcell no mandahatra ny adim-piainana isan'andro tsy maintsy ataony ahafahany miavo-tena sy mametraka antom-piainana eo amin'ny tontolo mirodana, tamin'ny namonoana ny reniny teo amin'ny toera-pisavan-karatra napetraky ny governemanta, ny zava-manahirana ny namany sy ny havany, ny nofinofin'ny lasa adino. Nohazavainy tamintsika ny kipitsopitson'ny fiarahamonina syriana, tamin'ny filazany ny fivakivakisana, ny “fati-dra” sy ny safidy tsy azo noeritreretina tsy maintsy ataon'olona iray miaina ao anatin'ny ady. Mitontona any amin'ireo tsy fahafahana miala amin'ny zavamisy hatrany ny fitantaràny, rehefa mahafantatra tsara fa misy ny olona mahitsy, manana indra-fò sy sariaka izay mety hisafidy ny herisetra mba hiantohana ny fiarovantenany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.