- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mankalaza Ny Asa Mozika Sy Hatsikana An'ilay Mpikambana Tao Amin'ny ‘Les Luthiers’ Maty, Daniel Rabinovich

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Hehy, Mediam-bahoaka, Mozika
Les Luthiers, Lutherapia, Euskalduna Jauregia, Bilbao, 1/3/2014. Fotografía publicada por Dena Flows en Flickr bajo licencia Creative Commons CC BY-NC-ND 2.0.

Les Luthiers, Lutherapia, Euskalduna Jauregia, Bilbao, 1/3/2014. Sary nalefan'i Flows [1] tamin'ny Flickr eo ambany fahazoandàlana Creative Commons CC BY-NC-ND 2.0. [2]

Tsy misy zavatra hafa koltoraly miavaka kokoa noho ny hatsikana, hoy ireo manampahaizana. Amin'ny fahazoana tsara ny dikan'ny hatsikana amin'ny toerana iray, afaka mahatakatra tsaratsara kokoa ny kolontsaina eo an-toerana ianao.

Izay no nahatonga ny fahombiazan'ilay vondrona Arzantina mpanao hatsikana, Les Luthiers [3] vao mainka nahavariana kokoa. Tao anatin'ireo taompolo efatra nisiany, vian-dry zareo ny nitrandraka ireo toepo iombonana tia hatsikana manerana an'i Amerika Latina sy ny Saikinosy Iberika. Noho izany, nalahelo tamin'ny fahafatesan'i Daniel Rabinovich, [4] iray amin'ireo mpikambana mpanorina ny Les Luthiers, ireo olona manerana ny tany miteny Espaniola. Tamin'ny 21 Aogositra 2015 teo amin'ny 71 taonany izy no maty noho ny aretim-po izay nahazo azy efa fotoana elaela izay.

Ny fampiasany ny fiteny Espaniola ho fototry ny fihomehezana angamba no iray amin'ireo antony nampitombo ny lazan'io vondrona mpanao hatsikana io hatrany ivelany mihitsy, tafiditra amin'izany ny Ranomasimbe Atlantika. Lavitra ny hatsikana fanadalàna fotsiny, mananihany, mirona amin'ny resaka vetaveta sy maloto izay ahafantarana ny hatsikana Espaniola, mampiasa ny kilalaon-teny sy ny mozika ny Les Luthiers, ary nametraka karazana fotokevitra maro sahala amin'ny firesahana momba ny fisainana (psychoanalysis [5]), matematika ary ny epistemolojia [6].

Ito misy resak'olon-tokana ahatsiarovana an'i Rabinovich amin'ny fiteny Espaniola, ahitàna ny kilalaon-teniny [7] sarotra tokoa — filazàna diso ireo teny ao amin'ny mombamomba ilay mpamokatra tantara tsy tena misy, Johann Sebastian Mastropiero — izay tsy indray mandeha monja no tena nahalatsaka ireo mpijery :

Araka ny lazain'ny anarany, ny tarika Les Luthiers ihany no mamokatra ny fitaovany, izay vokatry ny fisaintsainan'izy ireo samirery ary asan'ny mpanao asa tànana. Toy izany ilay milina fanoratana novaina ho filalaovana mozika antsoiny hoe “dactilófono”:

Afaka mihoatra ny fetran'ny fiteny ihany koa ny hatsikan'ny Les Luthiers. Tsy avy amin'ny fiteny fotsiny ny mahatonga ireo hanihany sy fihomehezana amin'ny fampisehoany, fa avy amin'ny mozika ihany koa, ary indraindray tonga hatrany amin'ny matematika [8] mihitsy. Mpakafy maro ao amin'ny YouTube no nandany ny fotoanany mba handika ireo fampisehoana [9] malaza ho amin'ny fiteny Anglisy ho an'ireo mpijery iraisam-pirenena, manao fanamby amin'ilay fotokevitra taloha milaza fa tsy voavadika tsara ilay fampihomehezana:

Mónica Maristain, avy amin'ny gazety Meksikana Sin Embargo [10], nanangona ireo fotoana tsy foin'i Rabinovichy indrindra, izay milaza ampahany tsara amin'ny tantarany:

Era el más especial en un grupo formado por tipos súper especiales y su muerte fue la de un ser cercano, la de un pariente al que sabíamos enfermo y al que, sin embargo, no estábamos muy dispuestos a dejarlo ir […] Recordémoslo. Y volvamos a reír. También a llorar, por esta enorme pérdida.

Tao anatinà vondron'olona manokana iray, izy no tena niavaka indrindra. Sahala amin'ny an'ny olona akaiky indrindra anao ny fahafatesany. An'ny havanao izay fantatrao hoe narary, izay mbola tsy fointsika alefa. […] Tsarovy izy dia mbola hihomehy ihany isiak. Ary mitomania ihany koa noho io fahaverezana goavana io.

Tonga nifamory mba hanome voninahitra azy tao amin'ny Twitter sy YouTube ireo olona fanta-daza toy ireo mpanao sariitatra sy hatsikana: Liniers [11], Montt [12] sy Soto [13] :

Mifohaza ry vaky fo. Misaotra anao ry Daniel.

Tsy afaka nitomany an'i Daniel Rabinovich aho. Imbetsaka loatra aho no nataony latsa-dranomaso noho ny fihomehezana ka ampy izay.

Ao anatin'ity lahatsary manaraka ity, nataon'i Soto, mpanao sariitratra ho toy ny anjely any an-danitra manao ny zavatra fanaony tety an-tany i Rabinovich : hatsikana sy mozika.

Manohy ny fampisehoany Viejos Hazmerreíres [18] ireo sisa tavela tamin'ny vondrona, satria, araka ny fanazavan [19]‘ireo mpikambana, izany no sitrak'i Daniel Rabinovich– manohy manao izay  hampihomehezana ny olona.