- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mandray Anjara Goavana Amin'ny Fampianarana Ao Japana Ny Sakafo Atoandro Any An-tsekoly

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Sakafo

Ny olona efa nanatrika na nampianatra tany amin'ny sekoly Japoney no afaka milaza aminao fa tena anisan'ny zava-dehibe indrindra mandritra ny tontolo andro ny sakafo atoandro (給 食, kyuushoku) any an-tsekoly.

Tsy manome sakafo ihany izany fa manome fahafahana ho an'ny mpampianatra sy ny mpianatra mba hifandray amin'ny alalan'ny fiaraha-misakafo.

Raha karakarain'ireo mpiasa mikarama feno any anaty lakozia lehibe na ao an-tsekoly na amin'ny toerana afovoan-tanàna izay misahana sekolin'ny distrika iray manontolo ny sakafo atoandro amin'ny ankapobeny, dia ny mpianatra kosa no tompon'andraikitra amin'ny fanoloran-tsakafo amin'ny mpiara-mianatra amin'izy ireo.

Nanatontosa lahatsary feno torohay manome fomba fijery lehibe ao anatiny amin'ny maha-zava-dehibe ny sakafo atoandro any an-tsekoly amin'ny fianarana any amin'ny sekoly ao Japàna ny Cafeteria Culutre (Kolontsain-kafe na CafCu [1]) avy ao New York, izay manana iraka hanana fomba fiasa tsy isian'ny fako any amin'ny sekolim-bahoaka sy hanana vondro-piarahamonina manaja ny toetrandro.