Miharatsy Kokoa Ny Mahazo Ny Vondrona Mpanohana Ny Tanora LGBT Malaza Indrindra Ao Rosia

Mpanao fihetsiketsehana LGBT notafihana tao Pride ao St. Petersburg, Rosia. 29 Jiona 2013, sary avy amin'i Ekaterina Danilova. Sary: Demotix.
Misy fikambanana sasany toa natao mba hiharan'ny fanarahamaso ataon'ny manampahefana Rosiana. Iray amin'izany ny Children-404, vondrom-piarahamonina antserasera mpanohana ny tanora LGBT. Tamin'ny Alatsinainy 21 Septambra, nanome baiko ny Vkontakte – tambajotra sosialy malaza indrindra ao amin'ny firenena – mba hanakatona ny kaontin'ny Ankizy-404 ao amin'ny habaka, miaraka amin'ny kaontin'ireo vondrona LGBT efatra hafa ny sampam-panjakana mpanara-maso ny fampitam-baovao ao Rosia, Roskomnadzor :
Nampiharin'ny Roskomnadzor ny fanapahan-kevitra noraisin'ny fitsarana ao Barnaul, izay manasokajy ireo vondrom-piarahamonina dimy ahitana tanora LGBT ho “fampielezan-kevitra pelaka” tsy ara-dalàna.” Nanamari-tena ireo mpanivana ary nilaza fa ilaina ho amin'ny fiarovana ny tanora tsy ampy taona ny fepetra noraisina:
При этом в сообществах содержатся объявления о знакомствах с подростками с целью нетрадиционных сексуальных отношений, откровенные изображения нетрадиционных сексуальных отношений между подростками и взрослыми и другого рода противоправная информация.
Mikasika izany, ahitana dokambarotra manokana momba ny fihaonana amin'ireo tanora ireo vondrom-piarahamonina hitadiavana firaisana ara-nofo tsy nentin-drazana, sary manaitaitra misy firaisana ara-nofo eo amin'ny tanora sy olon-dehibe ary karazana vaovao hafa tsy ara-dalàna.
Nilaza ny manampahefana fa manana telo andro ireo fiarahamonina LGBT mba hanaisotra ny votoatin'izy ireo tsy ara-dalàna raha tsy te hizaka ny vokany. Nilaza ny mpanorina ny Ankizy-404, Lena Klimova fa tsy nofaritan'ny manampahefana hoe inona no votoaty tsy manara-dalàna ao amin'ny vondron'izy ireo.
Raha mandà ny hampihatra ny baiko ny habaka, mety hiharan'ny fanakatonana tanteraka avy amin'ireo mpamatsy aterineto Rosiana ny Vkontakte. Na dia ireo pejin'ny Ankizy-404 sy ireo vondrom-piarahamonina LGBT hafa voakasika ihany aza no tian'ny manampahefana hakatona, mahatonga izany ho sarotra tanterahina ny foto-drafitrasa ara-teknikan'ny Vkontakte. Miasa amin'ny HTTPS, arofenitra azo antoka mahatonga ireo mpanaramaso ny zotran-tserasera ho sahirana hahita izay pejy tsidihan'ny mpiserasera ao anaty tranonkala ny Vkontakte. Raha tsy tian'ny manampahefana Rosiana hahita ireo pejin'ny Ankizy-404 sy ireo mpiara-dia aminy ny mpiserasera, mety hakaton'izy ireo ny tambajotra sosialy manontolo, fihetsika izay mety hiteraka tabataba eo amin'ny tanora Rosiana.
Nilaza i Klimova fa nahafantatra ny fihetsiky ny Roskomnadzor tamin'ny alalan'ireo mpanao gazety izy. “Tena mampihomehy,” hoy i Klimova nanoratra. “Ao amin'ny 404 izahay mandrara hatrany ny olona mba tsy hametraka dokambarotra manokana, miezaka miserasera, mandefa zavatra toy ny: ‘Manorata amiko, te-hihaona amin'ny olona aho.'” Raha ny marina, manaramaso akaiky izay sary zaraina amin'ny mpiserasera ny vondrona, matetika manafina ny mombamomba ny olona nalaina sary, ary misoroka ny zavatra tahaka ny “manaitaitra” noresahin'ny Roskomnadzor.
Nanamafy i George Lobushkin, mpitondratenin'ny Vkontakte fa efa voarainy ny baiko avy amin'ny Roskomnadzor mba hanaisotra ireo fiarahamonina tanora LGBT “maromaro”. Nilaza i Lobushkin fa mbola mandinika ny baiko fanesorana ny Vkontakte, nitatitra kosa ny tranonkala TJournal.ru fa efa nakaton'ny Vkontakte ireo efatra hafa, vondrona LGBT tsy dia malaza voatonona tao anatin'ny didim-pitsarana, anisan'izany ny Tanora Pelaka sy Sady Lahy no Vavy- Mitsambikìna aty Amiko, ny Pelaka sy ny Manana Fitaovam-pananahana Roa ao Barnaul , Ankizy Lokon'ny Lanitra, ary ny Fampihaonana Pelaka latsaky ny 25 taona ao Barnaul!
Nandritra ny firesahana tamin'ny gazety Vedomosti momba ny Ankizy-404, nilaza ny mpitondra tenin'ny Roskomnadzor, Vadim Ampelonsky hoe: “Indrisy, tsy ahafahany hanao zavatra ao anatin'ny lalàna ny fientanam-pon'ny mpandrindra ny tetikasa” ary tokony hodinihan'ny manampahaizana manokana ny “lohahevitra manahirana sy saropady toy ny fampidirana ny tanora ho ao anaty fiarahamonina”. Mahaliana fa namerina ny fanehoan-kevitr'i Ampelonsky saiky isaky ny voambolana tamin'ny fanambarana an-gazety navoaka tao amin'ny pejy Vkontakten'ny vondrona i Kirill Grinchenko, mpitondratenin'ny MediaGuard, vondrona mifandray amin'ny sampana tanora ao amin'ny antokon'ny fitondrana Rosia Tafatambatra.
Tsy vao voalohany ny vondrona mpomba an'i Kremlin, izay mikendry hanaramaso ny habaka ahitana votoaty tsy ara-dalàna sy mamohehatra no nanenjika ny Ankizy-404. Tamin'ny Septambra 2014, nametraka fitoriana ny Ankizy-404 tamin'ny lehiben'ny fampanoavana sy ny Roskomnadzor ny MediaGuard . Tamin'ny volana Jolay 2015, nanatontosa fanangonan-tsonia manohitra ny vondrona Klimov ny MediaGuard, na dia nofafan'ny Azaaz.org aza izany afaka tapa-bolana. Vavolombelona tamin'ny raharaham-pitsarana ny MediaGuard izay niafara tamin'ny fandoavan'i Klimova onitra 50.000 roubles (eo amin'ny 750 dolara) noho izy voalaza fa nanitsakitsaka ny lalàna manohitra ny fampielezan-kevitra pelaka ao Rosia. Notsipahan'ny fitsarana ambony izany fandoavana onitra izany taty aoriana.
“Tsy resaka fangejana ny fiarahamonina LGBT izany,” hoy i Grinchenko tamin'ny RuNet Echo. “Fa fanajana ny lalànan'ny aterineto ao Rosia. Ataovy amin'ny fomba hafa: manaraka ny lalàna amin'ny hentitra isika. Ary araka ny hevitray, manitsakitsaka ny lalàna ity vondrona [Ankizy-404] ity amin'izao fotoana izao araka ny nodidian'ny fitsarana. “
Na dia feno fanehoan-kevitra feno fankahalana sy fandrahonana aza ny pejy Vkontakte an'i Klimova (izay efa mahazatra azy), nilaza tamin'ny vondrony sy ireo mpanohana azy izy mba tsy hatahotra. “Tsy fantatro izay tokony hisaorana amin'izany dokam-barotra [mahafinaritra] izany!” hoy izy nanoratra. “Manana mpamaky be dia be sy mpikambana vaovao niditra androany izahay aloha hatreto tamin'ity taona ity,” hoy izy nanampy. Manana mpikambana maherin'ny 66.500 ao amin'ny Vkontakte ny Ankizy-404 amin'izao fotoana izao ary mbola betsaka koa ao amin'ny Facebook sy fampitam-baovao sosialy hafa.
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...