- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zokiolona Thailandey Mpanao Gazety, Notànana Taorian'ny “Fanitsiana Toetsaina”

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
File photo of Thai journalist Pravit Rojanaphruk speaking in the 2015 Oslo Freedom Forum. He is also featured in the background photo of an anti-Junta protest demanding the protection of free speech in Thailand. Photo by Julia Reinhart, copyright @Demotix (5/26/2015) [1]

Pravit Rojanaphruk, Thailandey Mpanao gazety, miteny ao amin'ny Forum Freedom Olso 2015 (Sehatra Fanehoan-kevitra an-Kahalalahana). Nasongadina amin'ny sary ery andamosina ihany koa izy, sary nalaina nandritra ny hetsika manohitra ny Junta, mangataka ny fiarovana ny fahalalahana miteny any Thailand. Sary avy tamin'i Julia Reinhart, fizakàmanana @Demotix (5/26/2015)

Notànan'ny [2] miaramila ao Thailandy ilay mpanao gazety zokiolona sy mpitsikera Junta, Pravit Rojanapruk, ny Alahady 13/09 lasa teo, nolazaina ho nandefa vaovao tamin'ny Aterineto izay “manakorontana ny fandriampahalemana sy ny filaminana” ao amin'ny firenena.

Mpitati-baovao zokiolona ao amin'ny The Nation [3] i Pravit, gazety lohany ao Thailandy mivoaka isan'andro amin'ny fiteny Anglisy. Mpitsikera fanta-daza ny Filankevitra Nasiônaly ho an'ny Fandriampahalemana sy Filaminana [4] (NCPO) ihany koa izy, ilay governemanta sivily natsangan'ny miaramila izay naka ny fahefana tamin'ny fanonganam-panjakana [5] ny volana May 2014.

Fanindroany izao no nalain'ny miaramila notazonina tsy an-kiteniteny i Pravit. Tamin'ilay “fivahinianany” voalohany tany amin'ny tobin'ny miaramila, ny volana Jiona 2014, nandany fito andro tany am-ponja izy.

Tamin'ny Twitter [6], nampilaza ireo vahoaka i Pravit fa nisy miaramila ambony nitsidika ny tranony ny Sabotsy lasa teo:

 

Tamin'ny 12.35, nisy manamboninahitra roa an'ny miaramila nitsidika ny trano fonenako fony aho tsy tao. Manana ny # -ako (laharako) ny Junta ka tokony ho afaka miantso. Fa tsy mandeha mitsoaka. #Thailand [7]

Talohan'ny nitazonana azy, nandefa bitsika i Pravit ny ilàna ny hiarovana ny fahalalahana ao amin'ny firenena:

Tsy ho voatazona ny fahalalahana raha tsy vonona ny hiaro azy io isika. #Thailand [7] #ป [9]

Nanamafy [11] ny Col. Winthai Suvaree, mpitondra tenin'ny Junta, fa nalaina am-bavany i Pravit amin'ny “fanehoana vaovao izay tsy mifanaraka amin'ny fepetranay entina hitazonana ny fandriampahalemana sy ny filaminana.” Nampiany hoe:

Ankehitriny, eo an-tànan'ireo mpitandro filaminana izy. Miankina amin'ny vokatry ny fanontaniana sy ny fiaraha-miasany ny fotoana ilaina amin'izany.

Fandriampahalemana, Filaminana ary ‘Fanitsiana Toetsaina’

Fanitsiana toetsaina [12]” no nentin'ny miaramila nilazany io zotranà zavatra natao io, izay mikendry ny handresy lahatra ilay ampangaina hahazo tsara ny andraikitra raisin'ny miaramila amin'ny fitandroana ny filaminana ao amin'ny fiarahamonina. Tao aminà tatitra vaovao hafa, namafisin'ny miaramila fa tsy notànana amin'ny maha-mpanao gazety azy i Pravit fa amin'ny maha-olon-tsotra azy izay nandefa [13] vaovao diso momba ny governemanta tao amin'ny pejiny Facebook.

Manamarika tranga iray hafa ny fitazonana an'i Pravit, tranga izay itadiavan'ny governemanta ankehitriny hamerana ny tsikeran'ny vahoaka amin'ny alàlan'ny mpanao gazety sy ireo mpiaro  zon'olombelona taty aorian'ilay fanonganam-panjakana tamin'ny 2014. Ny vola Aprily 2015, nandany lalàna ho an'ny fiarovam-pirenena [14] ireo mpanao lalàna, izay manendry “olona mpitandro ny fandriampahalemana sy ny filaminana”, avy ao amin'ny miaramila ka manana ny fahefana lehibe hiaro ny fandriampahaleman'ny firenena. Afaka misava trano ireo olon'ny miaramila ireo, mampiantso sy misambotra ny mpanakorontana, maka ny fananana, ary mitazona olona ahiahiana any amin'ny toerana manokana ao anatin'ny fito andro farafahabetsany na dia tsy manana fahefana avy amin'ny lalàna aza. Manohintohina mivantana ny fahalalahana miteny ihany koa ilay lalàna. Mivaky toy izao ny Andàlana faha 5:

Ireo manamboninahitra mpitandro ny fandriampahalemana dia manana fahefana  hamoaka didy mandrara ny fanaparitahana izay rehetra vaovao na fivarotana na fampielezana boky rehetra na zavatra alefa na fitaovana mety hampisy fihetseham-bahoaka, na miaty vaovao diso mety hampisy fikorontanan'ny fahazahoan'ny vahoaka zavatra ka mampisy fikorontanan'ny fandriampahaleman'ny firenena sy ny filaminam-bahoaka. (fandikana [15]  teny tsy ofisialy avy tamin'i iLaw, ny Ivontoerana Fikarohana momba ny Fahalalahana Miteny)

Nanameloka imasom-bahoaka ilay lalàna [16]  ny fiaraha-mientan'ny fikambanan'ny media teo an-toerana, milaza azy io ho “fandrahonana lehibe indrindra ny fahalalahan'ny fanaovana gazety sy ny fahalalahana miteny” noho ny Lalàna Miaramila, izay napetraka ny volana May 2014 – Aprily 2015.

Lazain'ireo vondrona media ao an-toerana ho ‘tsy ara-dalàna’ ny fitazonana an'i Pravit

Nangataka ny hanafahana azy avy hatrany ireo naman'i Pravit sy ireo mpiaro ny fahalalahana miteny. Nandefa [17] taratasy tany amin'ny NCPO ny tonian-dahatsoratry ny The Nation, Thepchai Yong:

Tsy misy fanaporofoana ny tokony hitazonana azy mihitsy. Raha mino ny miaramila fa nanao zavatra tsy nety izy, misy ny làlana mazava tokony ho arahana hitondrana izany.

Nanamarika ireo Thailandey mpiaro ny zon'olombelona fa eo ankoatr'i Pravit, misy roa hafa mpitsikera ny fitondrana miaramila ihany koa nosamborin'ny miaramila. Nilaza ilay vondrona fa tsy manara-dalàna [18] izany fomba fanao izany:

Atsaharo ny fampiantsoana olona hanao tatitra momba ny tenany ihany ary atsaharo ny fitazonana olona noho ireo fitsikeràny ara-politika fotsiny na ireo fitsikeràny ny zavabitan'ny governemanta. Fihetsika fanaovana antsojay ireo tsy mitovy hevitra politika io ary fihetsika tsy manara-dalàna tsotra izao.

Nampahatsiahy ny governemanta ireo Thailandey mpanao gazety fa efa fanitsakitsahana [19]ny zon'ny vahoaka sahady ny fihetsiny toy izany:

Amin'ny maha mpanao gazety, Pravit Rojanaphruk, izay voatazona, dia tsy maintsy nanadihady sy nitsikera ny asan'ny governemanta. Manohitra ireo fotokevitry ny fahalalahan'ny fanaovana gazety ary ny zo fototry ny vahoaka araka ny Andàlana faha 4 ao amin'ny Lalàmpanorenana ny fitazonana azy tsy misy fiampangàna sy fanazavàna matotra.

Manohana [20] ny fitakiana ny fanafahana an'i Pravit ihany koa ny Kilioban'ny Mpifandray Avy any Ivelany:

Mandika ny andraikitr'i Thailandy amin'ny laàna iraisampirenena ho fanajana ny zon'olombelona ny fitazonana mpanao gazety na olona hafa noho ny fanehoany am-pilaminana ireo heviny. Manainga mafy ny NCPO izahay mba hanafaka avy hatrany an'i Pravit Rojanapruk. Tokony hatao fanta-bahoaka tsy misy hatak'andro ihany koa ny toerana itazonana azy.

Ary nampitandrina [21] ny Reporters Sans Borders (Mpitati-baovao tsy Voafetran'ny Sisintany) fa mety mitondra amin'ny fanivanan-tenan'ny media ny fitazonana an'i Pravit:

Raha eritreretin'ny Filankevitra Nasiônaly Ho an'ny Fandriampahalemana sy Filaminana ho nanao heloka bevava izy, tokony handefa ny raharaha any amin'ireo manampahefana ara-dalàna io, izay hilaza ny zavatra iampangana azy fa tsy hitazona azy tsy an-kiteniteny tsy misy antony matotra. Fihetsiky ny fitondrana jadona izany, izay miezaka ny hampitahotra ireo mpanao gazety tsy miankina ary mandrisika ny fanivanan-tenan'ny media.