Sarimihetsika “Zavon'i Srebrenica” Mampiseho Ireo Olona Sisa Niangana Tamin'ny Vono Olona Mahatsiravina Indrindra Tao Eoropa

Samir Mehanović, Tale (Sary nalain'i Marta Vidal)
Raha jerena ny fandripahana ratsy indrindra tao Eoropa hatramin'ny Ady Lehibe faharoa, Lehilahy sy tovolahy Miozolomana 8000 no maty novonoin'ny miaramila Serba Bosniaka tao Srebrenica tamin'ny 1995. Taterin'i Alessandra Goio and Marta Vidal ny sarimihetsika iray vaovao mifantoka amin'ireo olona sisa niangana tamin'ny fandripahana tao Srebrenica, izay navoaka voalohany tamin'ny Fetiben'ny Filma Sarajevo faha-21 herinandro vitsivitsy lasa izay. Navoaka voalohany tao amin'ny Balkan Diskurs, tantanin'ny Foibem-pikarohana ny Aorian'ny Ady (PCRC), tetikasa nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices 2014 ity lahatsoratra ity. Navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.
Nampahafantatra ny sarimihetsika fanadihadiana navoakany “Ny Zavon'i Srebrenica tao amin'ny efitrano fijerena sinema feno hipoka nandritra ny Fetiben'ny Filma Sarajevo faha-21 ny tale Bosniaka Samir Mehanović tamin'ny 17 Aogositra.
Milaza ny tantaran'i Mehmed, i Hatidža, i Ahmed ary i Zinahida, ireo efatra tsy maty tamin'ilay faritana ho heloka bevava ratsy indrindra natao tao amin'ny tany Eoropeana taorian'ny Ady Lehibe Faharoa ny sarimihetsika. Nandritra ny fito andro tamin'ny Ady Bosniaka tamin'ny Jolay 1995, Miozolomana Bosniaka maherin'ny 8.000 ao anatiny sy manodidina ny tanànan'i Srebrencia no maty novonoin'ny tafika Serba Bosniaka teo ambanin'ny fibaikon'ny Jeneraly Ratko Mladić.
Amin'ny fitantarana ny zavatra niainan'ireo mpilalao tamin'ity voina ity, mahatonga ny mpijery handinika ireo fanontaniana maro manan-danja momba ny olombelona, fahatsiarovana ary ny famelan-keloka ny sarimihetsika.
Teo an-tsehatra miaraka amin'ireo mpilalao sasany ao amin'ny sarimihetsika ireo sisa niangana tamin'ny fandripahana tao Srebrenica sy ny fianakavian'ireo niharam-boina, noresahin'i Mehanović ny maha zava-dehibe ny fahatsiarovana an'i Srebrenica sy ny tokony hanorenana fanantenana ho an'ny taranaka hoavy ao Bosnia.
“Nanomboka nanao ity horonan-tsary ity aho 20 taona lasa izay”, hoy i Mehanović, lehibe tao Tuzla ary mbola mahatsiaro ny zava-nitranga tamin'ny Jolay 1995, raha nandao an'i Srebrenica, efa-polo kilaometatra miala ny tanànany ireo mpitsoa-ponenana maro. “Mihelingelina ny tsiaro. Voasokatra tsy mety mihitsy intsony fa manao randra-tarihana ny olana amin'ny alalan'ny fanatontosana ity horonantsary ity”, hoy izy nanampy.
Naniry ny hianatra momba ny fitantanana i Mehanović talohan'ny ady, saingy raha nanomboka ny ady, nanorina orinasa filalaovana tantara an-tsehatra izy “Raha nananontanona ny ady, nanatontosa fampisehoana tahaka ny “Ny Printsy Kely” izahay, hoy izy nahatsiaro.
Tamin'ny volana Mey 1995, nandositra ny fandripahana tao Tuzla i Mehanović, izay nahitana tanora teo amin'ny 71 teo namoy ny ainy tamin'izany, nandao an'i Bosnia izy tamin'ny volana Aogositra tamin'io taona io ihany ary nitady fialokalofana tany Ekaosy rehefa nasaina handray anjara tamin'ny Fetiben'ny Fandravahana tantara tsangana tao Edinburgh.
“Nankany Edinburgh aho ary nijanona tao, saingy tsy nitsahatra nifandray tamin'i Bosnia aho” hoy izy tamin'ny mpijery.
Tamin'ny 2013 izy nanatontosa ny “The Way We Played” (Ny fomba filalaovanay), sarimihetsika mikasika ireo ankizilahy roa samy hafa fiaviana ara-poko tamin'ny fiandohan'ny ady Bosniaka. Saingy ny nanetsika an'i Mehanović tamin'ny “Zavon'ny Srebrenica” dia avy amin'ny fanirinana hitantara ireo olona namoy ny ainy sy nanjavona.

Tranom-pirenena Fijerena Tantara An-tsehatra, Sarajevo (Credit: Marta Vidal)
Raha nanatontosa ny sarimihetsika izy dia nitarika fikarohana lalina momba ny fandripahana, izay nanokatra ny ratra taloha. “Nanontany ny hevitro amin'ny mahaolombelona izany”, hoy izy nanazava, ary nanery azy hanontany tena hoe: “Ratsy kokoa noho ny biby ve ny olona?” Na izany aza, nanome fanantenana ho azy ny fanatontosana ny fanadihadiana. “
“Ny zavatra mahafinaritra dia tsy nahatsiaro fankahalana aho tamin'ny filalaovana ny sarimihetsika”, hoy i Mehanović nanazava, nampiany hoe natoky izy fa nandray anjara lehibe tamin'ny sarimihetsika nataony ny famelan-keloka. Na dia namoy fianakaviana maromaro aza ny ankamroan'ireo mpilalao ny sarimihetsika ary nanatri-maso toe-javatra feno herisetra, dia mbola afaka mamela heloka sy nilaza fa tsy mikasa hamaly faty. “Tsy maintsy mamela heloka ny olona, tsy feno fankahalana izy ireo”, hoy ny tale.
Namoy fianakaviana 67 nandritra ny fandripahana i Mehmed Hodžić, iray amin'ireo mpilalao amin'ny sarimihetsika ary mpanao volo monina miaraka amin'ny vadiny sy ny zanany roa lahy tao Srebrenica. Nifindra tany Sarajevo izy, saingy taorian'ny ady, nanapa-kevitra ny hiverina ao Srebrenica izy. Namariparitra izy fa efa milamina ny fiainana ao Srebrenica amin'izao fotoana izao, ary ara-dalàna tsara tahaka ny ao amin'ny tanàna kely hafa.
Eny, raharaha tokony tsy hohadinoina mandrakizay i Srebrenica, indrindra ho an'ireo taranaka hoavy. Amin'ny tenin'ny iray amin'ireo mpilalao ny sarimihetsika, “Tantara tsy tapitra mandrakizay mihitsy i Srebrenica”. Araka izany, mikasa hanatontosa sarimihetsika misongadina i Mehanović . “Mahatsapa aho fa toa tsy ampy ny notantaraiko”, hoy izy.
Nampiasa ny lahateniny mba hanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fitsarana ao amin'ny dingana fampihavanam-pirenena ihany koa i Mehanović. “Raha mahavita heloka ianao, mila mandefa hafatra ho an'ny taranaka hoavy fa tsy afaka hiala maina ianao fa tsy maintsy ho voasazy”, hoy izy
Tamin'ny fikarohana nataony, nampiasa tahirin-kevitra sy tatitra avy amin'ny Fitsarana Iraisam-pirenena momba ny Ady Heloka Bevava misahana an'i Yogoslavia teo aloha (ICTY) i Mehanović. Napetraky ny Filan-kevi-piarovan'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 1993, nanana ny tanjony voalohany amin'ny fanenjehana ireo nahavita heloka bevava tao Yogoslavia teo aloha ny andrim-panjakana (ICTY). “Nanana mpitsara tsara indrindra avy amin'izao tontolo izao ny ICTY”, hoy i Mehanović nanamarika, “na izany aza, tao anatin'ny roa-polo taona, olona vitsy ihany tamin'izay voasaringotra tamin'ny raharaha Srebrenica no nomelohin'izy ireo”.
Nanamafy ihany koa ny tale fa mbola “sarotra zakaina” hoan'ireo sisa niangana ny toe-javatra.
“Tsy nomena azy ireo ny zo fototra ary miaina amin'ny 5-10 euros isan'andro fotsiny izy ireo. Tsy mikarakara azy ireo ny governemanta, tahaka izany ihany koa ireo olontsotra hafa. Ankehitriny, minia tsy mahita ny olona ary tsy miraharaha ny olana tahaka an'i Srebrenica “. “Mino aho”, hoy izy nanohy, “fa misy ny firaisana tsikombakomba amin'ny fahanginana. Tsy miresaka momba izany zavatra izany ny olona “.
Mino i Mehanović fa mitoetra amin'ny fisian'ny fifanakalozan-kevitra ahafahan'ny olona mianatra miaraha-miaina ny filaminana ao Bosnia rahatrizay. Saingy na dia momba an'i Bosnia sy ny ady Yogoslavy aza ny sarimihetsika dia ho an'izao tontolo izao ny hafatra. “Mampalahelo fa mety hitranga na aiza na aiza sy amin'ny fotoana rehetra ny horohoro tahaka ny tao Srebrenica”, hoy izy nanazava.
“Tsy avelantsika hitranga intsony izany”, hoy izy namarana.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...