Mizotra mankany amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hatao amin'ny 11 Septambra i Guinée (Conakry). Mangotrakotraka ny tontolon'ny bilaogy manontolo. Naverin'ny sasany tamin'ireo mpampiasa tambajotra sosialy novelomina ilay fikambanana iray antsoina hoe “Association des Bloggeurs de Guinée (ablogui)”. Nanokatra pejy Facebook ry zareo mba hifampizaràna fomba fijery. Ny tena tanjony dia ny hampivoatra ny fomba firesaka politika, amin'ny fanosehana ireo mpirotsaka hofidiana hiteny ny fandaharanasany fa tsy ny fiaviany.

Ny hetsika fametahana ny afisin'ny lisi-pifidianana vonjimaika, avy amin'i
Jacob Kpézé Guilavogui CC-BY-40
Ny 10 septambra 2015, nifanojo tamin'ny fanombohan'ny fanentanana amin'ny fifidianana, nandefa ny sehatra iray ho fampitahana ny fandaharanasan'ireo 8 mpirotsaka hofidiana ny @ablogui , nomeny anarana hoe GuinéeVote, izay mamoaka lahatsoratra amin'ny teny frantsay sy amin'ny teny ao amin'ny firenena.
Ao amin'ny bilaogin-dry zareo, ny bilaogera tsirairay dia miezaka ny mikaroka ireo fomba fijery tsy mbola nisy, mba hiresahana ity sangodin'ny fifidianana ity. Ohatra, i Diakite Ibrahima Kalil, mampitaha ireo olona mpanao politika aminà mpivarotra. Toy izao no hanazavàny ny fomba fijeriny ao amin'ny bilaoginy manokana :
Toy ity ny fampitahana zavatra roa tsy mitovy Varotra = Politika :
Mptarika politika = Mpivarotra
Vinam-piarahamonina = Entambarotra
Mpifidy = Mpanjifa
Fifidianana = Fividianana efain'ireo mpanjifa
Fahefana = Tombombarotra
Fampielezankevitra amin'ny fifidianana = Dokambarotra
Amin'ny famelivelezana ny fitondrantenan'ny sasany amin'ireo mpirotsaka manda ny tsy hizara ny fandaharanasany, na manao tsinontsinona ny maha-zava-dehibe ny sehatry ny bilaogera gineana, guineevote.com, Diakite Ibrahima Kalil manohy hoe:
Any amin'ny firenena hafa ny fandraisana andraikitra tahàka izao dia tohanana ary tena tadiavina fatratra, ary tsy hoe fotsiny ho an'ireo mpiara-miasa mavesa-danja fa koa tadiavin'ireo mpanao politika, satria fantsona iray ahafahany mamoaka ny tiany hatao sy ny tetikasany, zavatra izay afaka mandresy lahatra mpifidy maro amin'ny alàlan'ny tranonkala amin'izao vaninandron'ny teknolojia vaovao sy ny fifandraisana izao, izany no atao hoe e-campagne. Saingy hatramin'ny nanombohana azy, betsaka amin'ireo mpirotsaka no tsy mbola nampita izay fandaharanasany…
Karazana fanaovana voady masina ny fampahafantarana ny fandaharanasan'ny tena, voady ho efaina, vantany vao tonga eo amin'ny fitondrana. Nefa izay tsy mampahafantatra ny fandaharanasany dia tsy te-hanan-draharaha amin'ny vahoaka, lazaiko fa [raha] lany ho filoham-pirenena ny olona tahàka izany, tsy misy azonao takiana aminy na inona na inona ataony satria tsy nisy fifanarahana nifanaovany taminao, tsy nisy fifamatorana na kely aza. Ndeha ho lazaina araka izany fa ny vinam-piarahamonina dia fifanekena fifamatorana ataon'ny mpitarika politika hanatanteraka izay hetahetan'ny vahoaka, vantany vao tonga eo amin'ny fitondrana izy.