Tsy Eken'ny Firenena Mikambana Ny Pasipaoro Avy Ao Taiwan, Laviny Tsy Hiditra Ny Birao Ao Zeneva

Some Taiwanese prefer to cover "Republic of China" on their passport with the sticker "Republic of Taiwan." Photo from the Taiwanese in Europe.

Misafidy ny handrakotra amin'ny taratasy mandraikitena ny hoe “Repoblikan'i Shina” eo amin'ny pasipaorony ny sasany amin'ireo avy ao Taiwan. Sary avy amin'ireo teratany avy any Taiwan monina ao Eoropa.

Tsy mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana i Taiwan noho ny fandavan'i Shina sy filazàny an'i Taiwan ho azy. Matetika no miafara amin'ny henatra sy fahafaham-baraka ho an'ireo teratany avy ao Taiwan io sata diplaomatika tsy azo antoka io rehefa mamonjy hetsika iraisam-pirenena sy fotoana hafa. Ny tranga haingana indrindra izao dia ny teratany Taiwanais voasakana tsy nahazo niditra ny biraon'ny Firenena Mikambana tao Zeneva (UNOG).

Ny 15 Septambra 2015, rehefa nisidina nankany Soisa i Yu-Ling Tsai, teratany Taiwanais, handeha hitsidika ny biraon'ny Firenena Mikambana ao Zeneva (UNOG), dia nilazàn'ny teo amin'ny mpandray vahiny fa antontan-taratasy tsy manankery ny pasipaorony ary dia ny karapanondrony no notakiana hasehony. Taorian'ny fampisehoany ny karapanondrony avy any Taiwan dia mbola nolavina indray i Yu-Ling Tsai. Nolazain'ny mpiasan'ny Firenena Mikambana fa tsy ekena ny pasipaoro sy karapanondro navoakan'ny governemanta ao Taiwan. Fanampin'izany, nolazain'ilay mpiasan'ny Firenena Mikammbana fa tany ao anatin'i Shina i Taiwan, ka noho izany dia afaka hiditra ny UNOG izy raha mampiseho pasipaoro navoakan'ny Repoblikan'i Shina.. Hoy i Tsai tao anaty lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook :

我是台灣人,我只有台灣護照。台灣不是中國的一部份,我從來沒當過中國人,我根本不可能有中國護照或是中國身份證。你要的東西,根本不存在啊。[…]這是聯合國對我的歧視。

Avy any Taiwan aho ary pasipaoro navoakan'ny Taiwan no hany ananako. Tsy ampahany amin'i Shina i Taiwan, ary tsy teratany Shinoa velively aho. Tsy hety hisy mihitsy ho ahy izany hanana pasipaoro na karapanondro navoakan'ny Repoblikan'i Shina izany. Maninona ianareo [Firenena Mikambana] no mila voatsiary mitady ny tsy misy.[…] Fanavakavahan'ny Firenena Mikambana ahy izao.

Rehefa nanao fangatahana fanazavana ofisialy avy amin'ny Firenena Mikambana ireo Taiwanais mpanangona vaovao, momba ny fepetra misy ao aminy, nolazain'i Rhéal LeBlanc, mpitondra tenin'ny UNOG fa na dia mandray ireo olona rehetra avy amin'ny lafivalon'ny tany tonga hitsidika azy aza ny Firenena Mikambana, tsy manaiky kosa ireo pasipaoro avoakan'ny Taiwan (ROC). Raha mikasa hitsidika ny biraon'ny Firenena Mikambana ny teratany avy ao Taiwan, hoy i  LeBlanc nanampy, dia ilain'izy ireo ny mampiseho fahazoandàlana mamily fiara ara-dalàna na karapanondro hafa. Kanefa, raha ny olan'i Tsai, tsy nekena ny karapanondrom-pireneny.

Na nanambara tamin'ny BBC aza ny UNOG fa fisehoan-javatra iray monja ny an'i Tsai, efa nisy ohatra hafa momba ireo tranga hafa tahaka izany. Ny 10 Janoary 2015, nolavin'ny mpandray vahiny tao amin'ny UNOG i Min-Shiuan Wangon, olompirenena avy any Taiwan, satria pasipaoro Taiwanais no hany antontan-taratasy teny aminy. Tany am-piandohan'ny 2012, zavatra tsy nisy hafa tamin'izany no nanjo ny teratany Taiwanais iray hafa.

Efa nandà ihany koa tsy handray ireo manampahefana avy any Taiwan tonga hitsidika ny foiben-toerany sy hanatrika ireo fivoriana diplaomatika nokarakarainy ny Firenena Mikambana, raha vao pasipaoro avy amin'ny fireneny ihany no asehon'ireo solontena avy any Taiwan. Raha nikasa ny hanatrika ilay fivoriana alefa amin'ny zanabolana nokarakarain'ny Kaomisionan'ny Firenena Mikambana momba ny Satan'ny Vehivavy, natao tao New York tamin'ity taona ity i Jing-Yi Lin, dia tsy nomena alàlana hiditra tao am-pivoriana satria pasipaoroTaiwanais no teny aminy.

Tany amboalohany, ny 22 May 2012, rehefa nikasa ny hiditra ny lalantsara natao ho an'ny daholobe tao amin'ny Fivoriambe Erantany ho an'ny Fahasalamana ny Andiany Mpampiroborobo ny Fikambanana Erantany momba ny Fahasalamana (OMS) avy any Taiwan ka nampiseho ny pasipaorony fa tsy ny karapanondrom-pireneny, dia noroahana satria ny mpiasan'ny OMS nilaza tamin'izy ireo hoe tsy manaiky ny pasipaoro avy any Taiwan ry zareo.

Ninoan'i Hsing-Che Tu, talen'ilay Andiany Mpampiroborobo ny Fikambanana Erantany momba ny Fahasalamana (OMS) sady efa lefitry ny minisitry ny fahasalamana tao Taiwan, fa fihetsika fanalàna baraka ilay fanilihana ny pasipaoro Taiwanais:

從世界衛生組織的宗旨來看,世衛是歡迎任何一個世界公民進去旁聽的,只要能有相片的證件證明是你本人,就應該可以進去。這對每一國都一樣,因此,每國國民均持單一證件申請旁聽[…]但『中華民國』護照因馬英九堅持『一個中國』,就世衛立場看來,等於在挑戰其會員國『中華人民共和國』,等於要和『中華人民共和國』爭位子,中華民國要『重返』聯合國世衛,當然不能被接受。
雙證件的把戲只是在羞辱『中華民國護照』及國人,世衛中國籍的幹事長陳馮富珍想藉此向世界宣告「『中華民國』是不存在的,世界上只有一個中國,就是『中華人民共和國』」。

Mifototra amin'ny tanjon'ny Fikambanana Erantany momba ny Fahasalamana (OMS), dia mandray ny olona avy amin'izao tontolo izao hiditra ny lalantsarany ao amin'ny Fivoriambe Erantany ho an'ny Fahasalamana izy. Raha ny voalaza, rehefa manana antontan-taratasy misy ny sarinao ianao hanamarinana ny maha-ianao anao, dia afaka miditra. Tokony ho ampiharina amin'ny firenena rehetra io fitsipika io, mba ho afaka miditra ny rehetra rehefa mampiseho antontan-taratasy manamarina ny maha-izy azy.[…] Kanefa, satria ny fitantanan'i Ma misisika amin'ny politika ‘Shina tokana’, toa mbola fanamby ho an'ireo mpikambana ao aminy ny pasipaoro avy amin'ny Repoblikan'i Shina (ROC), ny Repoblika Entim-bahoakan'i Shina (PROC). Raha io lojika io no arahana, tsy ho ekena ny ‘fiverenan'ny ROC’ ho ao amin'ny OMS.
Ilay lazaina fa ‘fanamarinana in-droa ny maha-ianao anao’ [pasipaoro iray miampy antontan-taratasy iray hafa] dia toa fitaka ihany hanalàna baraka ireo izay nitondra pasipaoro avy amin'ny (ROC) Taiwan. Ny tale jeneraly amin'izao fotoana izao, Margaret Chan Fung Fu-chun avy any Shina, miezaka milaza amin'izao tontolo izao fa tsy misy izany ROC izany, ary ny PROC no hany tokana misolo tena an'i Shina manerana izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.