Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Vakoka fanjonoana ao Taiwan: Trondro sy afo mandihy ambonin'ny ranomasina

fire chief

Ny ekipam-panjonoana rehetra miasa miaraka hahazoana trondro. Saripika nalain'i Ming-Chih Chang.

Ny Peng Huo Tsai(蹦火仔)na “afo fanintonana” (indraindray adika ihany koa ho “afo solifara”) dia teknikam-panjonoana efa nampiasain'ny vahoaka teratany voalohany tao Taiwan. Amin'ny alina ireo teratany mpanjono ireo no mandrehitra afo amin'ny bararata na hazo ao amin'ny samboon-dry zareo hanintonana ireo trondro milomano hanatona akaiky kokoa ny andian-tsambon-dry zareo.

Taty aoriana ity teknikam-panjonoan'ny teratany ity dia nisy namorona tamin'ny fomba hafa indray, ary nanomboka nampiasa ny solika kerosene ry zaeo handrehetana afo. Nandritra ny fanapahan'ny Japoney ry zareo mpanjono dia nivadika tamin'ny fampiasana ny etona acetylene hitehirizan-dry zareo ny afo. Ny etona dia teaka avy amin'ny taharo shimika amin'ny fametrahana ny lazaina ho “vato solifara” (calcium carbide) ao anaty rano.

Voatahiry mandraka ankehitriny ny teknikan'ny etona acetylene ao amin'ny helodranon'i Jinshan ao amin'ny morontsiraka avaratr'i Taiwan. Ny Helodrano dia nampiasaina hitaterana solifara nangonina avy amin'ny tendrombohitra manodidina hatramin'ny fotoana nanapahan'ny espaniola (tanelanelan'ny 1626-1642).

Nalaza tokoa ny afo fanintonana ao amin'ny Hoalan'i Jinshan hatramin'ny fitondra-taranaka Qing ary fanintonan'olona tsy maintsy jerena mandritra ny asara [fotoana mafana] rehefa maro ireo karazan-trondro milomano manodidina ny morontsiraka avaratr'i Taiwan. Nefa efa mihalefy ny teknikam-panjonoana nentin-drazana, raha andian-tsambo efatra sisa no mampiasa io fomba io.

Tamin'ny volana lasa teo, tamin'ny 31 aogositra dia voasoratra ho anisan'ny lovan-kolontsaina eo ambany fitarihan'ny Departemantany Raharahan-Kolontsaina ao amin'ny Governemantan'ny Tanànan'i Taipei vaovao ny teknikam-panjonoana mampiasa etona acetylene.

Ny mpanao gazety Huei-Jen Lin avy ao amin'ny News Market, tranonkalam-baovao iray mahaleotena, no nanazava hoe naninona ity teknika ity no miaro ny tontolo iainana kokoa:

目前大多數的漁船使用強光照明,容易讓魚眼睛爆出死亡,招致許多生態上的批評,蹦火則因作業範圍小、時間短,被視為友善環境的漁法

Amin'izao fotoana izao ny ankamaroan'ny sambo fanjonoana dia mampiasa fahazavana mahery loatra, ka mampipoaka ny mason-trondro. Voatsikera io fombafanjonoana io ary tsy naman'ny fiarovana ny tontolo iainana. Etsy andaniny, ny teknikam-panjonoana tahaka ny fampandihizana afo dia ampiharina amin'ny toerana kely ao anatin'ny fotoana fohy, ka dia heverina ho sakaizan'ny tontolo iainana.

Efa an-taonany no nianaran'ny Studio Kolontsaina sy Tantara Jinshan ny teknikan'ny fampandihizana afo sy nanampiana tamin'ny fandaminana fitsangatsanganan'ny mpizahatany hiaina ny teknikam-panjonoana sy hahatakarana ny tombontsoany :

本漁法僅需一艘船便可單獨作業[…]機動性頗高。

Sambo iray ihany no ilain'ny mpanjono hampiharana ity teknika ity. […] Azo folahina tsara.

Ahoana tsara ny ataon'ny mpanjono hahazoana ny trondro? Naka sary vitsivitsy tamin'ny asa ilay mpanao gazety Huei-Jen Lin avy ao amin'ny News Market ary namelabelatra ny fanaovana azy amin'ny antsipirihany tao amin'ny tatitra nataony.

蹦火船通常在6點前就會出港,找到魚群後就定位,等待夜晚到來。

Mahazatra ny sambo mpitondra afo fanintonana ny miala ny oala amin'ny enina hariva. Rehefa hitandry zareo ny toerana misy ny trondro dia miverina ry zareo ary miandry mandra-pahamaizin'ny andro.

fire chief

Tazonin'ny lehibe misahana ny afo ny fanilo hisamborana ny trondro. Sary avy amin'i Ray J. Lee.

Ny lehiben'ny afo no mitarika ny ekipam-panjonoana, izay matetika ahitana ireto mpikambana manaraka ireto [jereo ny sary eo an-tampon'ny tsanganana]:

俗稱「海腳」的漁工,負責下網、收網,組成五人抄網團隊,從船尾到船頭的人員任務分別是牽網仔、推桸竿、拿桸竿(抄網手)、踩桸竿、拉桸竿[…]船上還有一名俗稱「磺火鉗仔」的裝填人員,負責替換磺石、控制水量,掌握乙炔的釋出量[…]另一個不可或缺的關鍵人物是駕駛,有經驗的駕駛可以觀潮汐、看水流,協助火長找魚,在魚群靠近時迅速剎車或轉彎,讓抄網手找到最適合的角度下網。

Mila mpikambam-panaratoana dimy ireo mpanjono antsoina hoe “tongotry ny ranomasimbe” hamelarana ny harato sy hanangonana azy. Ny asan'ireo mpanjono ireo, misy mijoro eo an-dohatsambo ka hatrany aoriana, dia ny misintona ny harato, misintona ny tsatokazo, mifehy ny tsatokazo (i.e., misahana ny fanaratoana), mandroboka ny tsatokazo sy mampakatra ny tsatokazo. […] Misy ny ekipa ao amin'ny sambo antsoina hoe tompon'ny solifara, izay miandraikitra ny fanoloana ny vato solifara [calcium carbide] sy manaramaso ny hadirin'ny rano hamelomana indray ny etona acetylene. […] Manandanja hafa ihany koa ny mpanamory ny sambo. Mpanamory sambo efa za-draharaha izay mijery ny samontan'ny rano sy ny onjan-dranomasimbe manampy ny lehiben'ny afo amin'ny fitadiavana ny trondro. Rehefa mihamanakaiky ny trondro dia mila mijanona ny mpanamory ny sambo na mihodina manakaiky kokoa hahitan'ilay boain'ny fanaratoana mahita ny zoro tsara indrindra hamelarana ny harato.

Rehefa manakaiky ny tondro ny sambo fanjonoana dia mivonona ho amin'ny fihazana avokoa ny ekipa rehetra ao ambony sambo:

負責推桸竿的海腳高舉左邊桸竿,讓叉網斜放船緣,所有船員屏氣凝神,等待火長將火把逐漸轉向左後方的叉網,引導魚群聚集。
「下落!」火長命令一下,海腳用力將叉網推入海下,待魚入網後,三、四個海腳利用槓桿原理齊壓桸竿,把靠在船邊的叉網撐起,活跳跳的青鱗魚掃過腳邊,直入貨艙,有時漁獲太多,三、四個男人還得跳起來壓才能把桸竿撐起來。
整個過程不到十秒,所有船員各司其職,一氣呵成,魚群大量聚集時,經常可見火長連蹦四、五次,海腳必須在一明一滅間,連續下網、收網、再舉網、下網、收網⋯⋯,豐收時,一個晚上可能得重複上百次。
蹦火仔重視團隊合作,駕駛和火長、火長和抄網手的默契缺一不可。

Ireo mpanjono tompon'andraikitry ny fanesorana ny bao [andry] dia manangana ny bao ankavia hanamboarana ny harato amin'ny riran'ny sambo. Mihazona ny fofon'ainy ny ekipairay manontolo ary miandry ny lehiben'ny afo hamelona azy ary hamantana ny andian-trondro ho ao anaty harato ao ankavia aorian'ny sambo.
Vantany vao manome baiko ny lehiben'ny afo hoe “Arotsahy,” dia atosiky ny ekipam-panaratoana an-dranomasina ny harato. Rehefa miditra ao anaty harato ny trondro, da teren'ny ekipam-panaratoana ireo bao ary mampiasa ny fanoitra ry zareo hampakarana ny harato. Taritarihana akaikin'ireo mpanjono ny sardinina velona ary arotsaka avy hatrany ao anaty fitoerany. Indraindray be loatra ny tondro [ao anaty harato], ka mpanjono telo na efatra no ilaina miasa miarak hampakarana ny harato.
Vita ao anatin'ny 10 segondra ny fombafomba rehetra. Samy manana ny andraikiny manokana ny tsirairay ao anaty sambo ary mila miaraka miasa ry zareo. Raha betsaka ny trondro dia mety hanapa-kevitra ny hamelona ny afo manonjanonja in'efatra na in-dimy isesy ny lehiben'ny afo ary mila manokatra, sy manipy an-drano ary misintona ny harato indray ny ekipam-panaratoana, ary mamerimberina izany imbetsaka. Raha betsaka ny vokatra dia mety mamerina ny fanaony in-jato ao anatin'ny indray alina ny ekipam-panjonoana.
Manasongadina ny fiaraha-miasa ny teknikam-panonjanonjana afo. Tena zava-dehibe tokoa ny finamanana eo amin'ny mpitondra sambo sy ny lehiben'ny afo ary ny ekipam-panaratoana.

Jereo ny lahatsary youtube notontosain'ny News Market ijerena ny fomba fiarahan'ny afo manonjanonja miasa amin'ny fisamborana trondro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.