- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Any Myanmar, Mihaza Vatom-pifidianana Amin'ny Alàlan'ny “Tiana” ireo Mpirotsaka Hofidiana

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
A thumbs up sign resembling the Facebook 'Like' icon and a painted flag of Myanmar. Image by Kurious, CC License, Pixabay [1]

Manainga ankihibe toy ny ‘tiana’ ao amin'ny Facebook ary nolokoina ho toy ny sainan'i Myanmar. Sary an'i  Kurious, CC License, Pixabay

Ity lahatsoratra [2] navoakan'i Yen Snaing ity dia tao amin'i The Irrawaddy, tranonkalam-baovao tsy miankina ao Myanmar, ary naverina navoaka eto amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanekena mifampizara votoaty. Dingana iray manana ny lanjany ao anatin'ny tetezamita izoran'ny firenena mankany amin'ny demaokrasia no fahitàn'ny mpanaramaso marobe avy amin'izao tontolo izao ny fifidianana hatao ao Myanmar amin'y 8 Novambra.

Miaraka amin'ireo andro 55 mandra-pahatongan'ny fifidianana izay ho solombavam-bahoaka ao Myanmar amin'ny 8 Novambra, manomboka manao izay hahafantarana azy ireo mpirotsaka hofidiana—ary indrindra fa ny fitendrin'ny solosaina—mba hakàna ny fon'ny mpifidy.

Tsy atao mahagaga, noho ny lazabe azon'ilay sehatra fampifandraisana ety anaty tambajotra sosialy, marobe tato anatin'ny andro vitsivitsy ireo mpirotsaka no naka ny Facebook mba hahazoana fanohanana ny tolotra parlemantera ataony, ary misy fampahafantarana ny mombamomba ireo mpirotsaka sy sarin'ny fanentanana mihodina mitety ny media sosialy nanomboka tamin'ny 8 Septambra fiantombohana ofisialin'ny fampielezankevitra ho amin'ny fifidianana.

Vetivety i Zin Ni Ni Win, mpirotsaka natolotry ny Ligy Nasionaly ho an'ny Demaokrasia (NLD) ao Pakokku, Sampan'ny Magwe, dia nahita mpanjohy an'aliny taorian'ny nivoahan'ny feo milaza ny maha-mpirotsaka azy. Endrika tanora, vaovao izay atosiky ny pejy Facebook ihany koa ny sariny miaraka amin'ilay filoha malaza avy amin'ny NLD, Aung San Suu Kyi, ary nanaka-danitra ny “tiana” azon'i Zin Ni Ni Win, maherin'ny 25.000 hatramin'ny namoronany ny kaontiny tany ampiandohan'ity volana ity.

‘Tsy azonay ialàna ny fampiasàna azy ity’

Nay Phone Latt, mpirotsaka iray hafa avy amin'ny NLD sady mpanorina ihany koa ny ONG momba ny teknolojia “Myanmar ICT for Development Organization (MIDO)”, nilaza fa ny ekipa ao amin'ny antokony miandraikitra ny media ety anaty aterineto no nanambatra ny torohay momba ireo mpirotsaka havoaka ao amin'ny tranonkala ofisialin'ny NLD.

Ao anatin'ny vanim-potoana mampirongatra be ny fifandraisana ao Myanmar, nilaza i Nay Phone Latt fa nanana anjara andraikitra lehibe tamin'ny fanakaikezan'ireo mpirotsaka ny mpifidy azy ny media sosialy.

Raha tianay ny hanentana ny tanora sy ireo vantombantony, dia tsy azonay ialàna ny fampiasàna azy ity.

Izany no nolazain'i Nay Phone Latt rehefa nahamarika izy fa afaka avadika tsotra izao sy mora foana ho sehatra famafàzana fankahalàna ihany koa ny aterineto.

Trangan-javatra vaovao ho an'ireo Birmana ny fandraisana andraikitra ety anaty aterineto, dia ny Birmana izay zara raha nahita kely tamin'ny fomba fanaovana fampielezankevitra tety anaty aterineto nandritry ny fifidianana solombavambahoaka tamin'ny 2010; vokatry ny fahafahana azo tsinontsinoavina ananan'ny firenena raha resaka fidirana amin'ny aterineto,  fahalainana nateraky ny sanda lafon'ireo karatra SIM sy ny fomba fihevitra hoe ho voahodinkodina ny vato.

Dimy taona no lasa, ireo orinasa vahiny no nanampy tamin'ny fampidinana ny vidin'ny karatra SIM sy ny fampiasàna finday, ary nitondra izay fanavaozana sahaza mba handresena lahatra ireo antoko politika miisa 90 ny antoko eo amin'ny fitondrana “Union Solidarity and Development Party (USDP)” mba hifaninana amin'ny fifidianana ho avy.

Mizara ny hàfany ety anaty aterineto

Sambany nampiasa ny kaontiny Facebook i Min Zayar Oo, mpirotsaka hofidiana ao amin'ny Antenimiera amin'ny anaran'ny Mon National Party (MNP), hampahafantarany ireo mpanjohy azy hoe eo an-dalam-pandinihana ny momba ny firotsahany hofidiana. Taorian'ny nahatafita azy tamin'ny dingan'ny fanivànana, nampiasainy io mba ho taratasy fampielezankevitra sy fanabeazana ny mpifidy azon'ireo mpifidy idirana ety anaty aterineto.

Efa fotoana ela aho no nampiasa tambajotra sosialy. … Nifandray tsara tamin'ny ankamaroan'ireo kaonty Moulmein aho. Nizara ny torohay avy amiko ihany koa ny olona sasany.

Manondro ny renivohitry ny Mon State i Min Zayar niteny izany.

Saiky ety anaty aterineto ny ankamaroan'ireo mpirotsaka avy amin'ny MNP, hoy izy, tamin'ny fanampiana fa ny sasany amin'ireo zokiolona mpirotsaka avy ao amin'ny antoko izay tsy dia havanana loatra amin'ny resaka teknolojia dia naka tànana tanora mba hitàntana ny kaontin'izy ireo.

Computer users in Myanmar. Photo by Manaw Htun, Copyright @Demotix (6/12/2014) [3]

Mpampiasa solosaina ao Myanmar. Sary avy amin'ny Manaw Htun, Fizakàmanana @Demotix (6/12/2014)

Nang Shwe Kyar, mpirotsaka avy amin'ny antoko demaokratika Wun Thar Nu, nilaza fa nampiasa ny kaontiny Facebook amin'ny anaran'ny tenany ho fitaovana hanapariahana be ny fijoro politikany sy ny hetsika iarahany amin'ny daholobe, ary hahazoana fankatoavana ny anarany. Ireo telo hafa mpirotsaka avy amin'ny antoko misy azy koa dia nampiasa ny Facebook ho ampahany amin'ny tetikadiny hanaovana fampielezankevitra, hoy izy.

Enina tapitrisa ny mpampiasa Facebook ao Myanmar

Michael Suantak, mpandrindra ny fandaharanasa iarahana amin'ny Phandeeyar, fikambanana tsy miankina ao an-toerana manohana ny hevitra mitondra fanavaozana sosialy, niteny fa na “tsara fipetraka” aza ny fampiasàna media sosialy mba hanaovana fampielezankevitra ety anaty aterineto, mbola mila sedraina ny mampitombina ny fanentanana tahaka izany.

Manodidina ny 6 tapitrisa eo ny mpampiasa Facebook amin'ireo mponina miisa 51 tapitrisa ao Myanmar, araka ny lazain'i Suantak, izay nilaza fa manodidina ny roa ampahatelon'ireo mpampiasa no monina any amin'ireo tanàna roa midadasika indrindra ao amin'ny firenena,  Rangoon sy Mandalay, ary Naypyidaw renivohitra.

Notsipihan'i Suantak fa tsy voatery ho dindon'izay ho vatom-pifidianana amin'ny 8 Novambra ny isan'ny “tiana ” ao amin'ny Facebook. Ny zara fa fahafahana miditra an-tserasera amin'ny media sosialy koa dia midika fa mety ho voafetra ihany ny fahafahana miditra ho an'ny any amin'ny fari-piadidiana any ambanivohitra izay manomne ny isa betsaka indrindra ao amin'ny firenena, hoy izy nanampy.

Raha jerena ireo faritany ety anaty aterineto nodiavin'ireo mpirotsaka amin'ny fifidianana amin'ity taona ity, lazain'i Suantak fa mety hampandringa kely ihqny ny fandefasana sy fandraisana ny vaovao momba ny fifidianana ny tsy fahampian'ny “fahaizana mamaky angon-drakitra”.

“Ireo mpirotsaka ihany no maka sary ny tenany sy mandefa ny soratra. Mila manana tetikady zareo. Eo koa ny tsy fahampian'ny traikefa sy fahalalàn'ny vahoaka amin'ny fanivànana ireo vaovao diso sy ny tena vaovao marina,”  hoy i Suantak, nampitandrina fa afaka ampiasaina ihany koa ireo kaonty sandoka mba hanaratsiana mpirotsaka na ihany koa handrisihana korontana.

Manome vaovao ara-potoana ho an'ny mpifidy

Ny filohan'ny Parlemantan'ny Firaisana, Shwe Mann, no lasa olona manana ny lanjany sy hita betsaka ao amin'ny Facebook tato anatin'ny volana vitsivitsy, zavatra izay toa mbola hitohy ihany arakaraky ny fandehan'ny fampielezankevitra ato anatin'ny herinandro vitsivitsy ho avy. Nandritry ny faran'ny herinandro, nampakatra ny sariny avy amin'ny fampielezankevitra iray tany amin'ny toerana nahaterahany, Phyu Township, izy, toerana izay hifaninanany amin'ny USDP haka ny toerana ao amin'ny Antenimiera.

Ho an'i Hla Swe, iray hafa mpanao lalàna avy amin'ny USDP izay manana mpanjohy henjana be ao amin'ny Facebook, resaka famelàna ny mpifidy hahafantatra ny maha-izy azy ny media sosialy. Hoy izy :

Tsy tsara ny tsy mizara ny ataon'ny hafa. Heveriko fa tokony hilaza amin'ny vahoaka ny tokony hatao aho. Izany no antony ampiasako ny Facebook. Ohatra, nandeha tany am-bohitra iray aho, nihaona tamin'ireo mponina ao, naka sary sy nampakatra azy ireny, tamin'ny filazàna fa hiasa ho an'ny filàn'izy ireo.

Ary raha mbola andrasana izay ho fiantraikan'ny Facebook sy ireo sehatra media sosialy hafa amin'ny hazakazaka amin'ny 2015, miteny i Hla Swe fa farafahakeliny mba nahazo izay voatsirambiny amin'ny fomba fandrefesana ny fanehoankevitra niainga avy amin'izay zavatra  navoaka izy.

Raha mandefa sata iray aho, dia eo amin'ny “tiana” miisa 2.000 sy fanehoankevitra 100 eo no azoko. Ka amin'ireo, olona 2.000 no mitia ahy, ary 100 ireo tsy tia.