Any Myanmar, Mihaza Vatom-pifidianana Amin'ny Alàlan'ny “Tiana” ireo Mpirotsaka Hofidiana

Manainga ankihibe toy ny ‘tiana’ ao amin'ny Facebook ary nolokoina ho toy ny sainan'i Myanmar. Sary an'i Kurious, CC License, Pixabay
Ity lahatsoratra navoakan'i Yen Snaing ity dia tao amin'i The Irrawaddy, tranonkalam-baovao tsy miankina ao Myanmar, ary naverina navoaka eto amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanekena mifampizara votoaty. Dingana iray manana ny lanjany ao anatin'ny tetezamita izoran'ny firenena mankany amin'ny demaokrasia no fahitàn'ny mpanaramaso marobe avy amin'izao tontolo izao ny fifidianana hatao ao Myanmar amin'y 8 Novambra.
Miaraka amin'ireo andro 55 mandra-pahatongan'ny fifidianana izay ho solombavam-bahoaka ao Myanmar amin'ny 8 Novambra, manomboka manao izay hahafantarana azy ireo mpirotsaka hofidiana—ary indrindra fa ny fitendrin'ny solosaina—mba hakàna ny fon'ny mpifidy.
Tsy atao mahagaga, noho ny lazabe azon'ilay sehatra fampifandraisana ety anaty tambajotra sosialy, marobe tato anatin'ny andro vitsivitsy ireo mpirotsaka no naka ny Facebook mba hahazoana fanohanana ny tolotra parlemantera ataony, ary misy fampahafantarana ny mombamomba ireo mpirotsaka sy sarin'ny fanentanana mihodina mitety ny media sosialy nanomboka tamin'ny 8 Septambra fiantombohana ofisialin'ny fampielezankevitra ho amin'ny fifidianana.
Vetivety i Zin Ni Ni Win, mpirotsaka natolotry ny Ligy Nasionaly ho an'ny Demaokrasia (NLD) ao Pakokku, Sampan'ny Magwe, dia nahita mpanjohy an'aliny taorian'ny nivoahan'ny feo milaza ny maha-mpirotsaka azy. Endrika tanora, vaovao izay atosiky ny pejy Facebook ihany koa ny sariny miaraka amin'ilay filoha malaza avy amin'ny NLD, Aung San Suu Kyi, ary nanaka-danitra ny “tiana” azon'i Zin Ni Ni Win, maherin'ny 25.000 hatramin'ny namoronany ny kaontiny tany ampiandohan'ity volana ity.
‘Tsy azonay ialàna ny fampiasàna azy ity’
Nay Phone Latt, mpirotsaka iray hafa avy amin'ny NLD sady mpanorina ihany koa ny ONG momba ny teknolojia “Myanmar ICT for Development Organization (MIDO)”, nilaza fa ny ekipa ao amin'ny antokony miandraikitra ny media ety anaty aterineto no nanambatra ny torohay momba ireo mpirotsaka havoaka ao amin'ny tranonkala ofisialin'ny NLD.
Ao anatin'ny vanim-potoana mampirongatra be ny fifandraisana ao Myanmar, nilaza i Nay Phone Latt fa nanana anjara andraikitra lehibe tamin'ny fanakaikezan'ireo mpirotsaka ny mpifidy azy ny media sosialy.
Raha tianay ny hanentana ny tanora sy ireo vantombantony, dia tsy azonay ialàna ny fampiasàna azy ity.
Izany no nolazain'i Nay Phone Latt rehefa nahamarika izy fa afaka avadika tsotra izao sy mora foana ho sehatra famafàzana fankahalàna ihany koa ny aterineto.
Trangan-javatra vaovao ho an'ireo Birmana ny fandraisana andraikitra ety anaty aterineto, dia ny Birmana izay zara raha nahita kely tamin'ny fomba fanaovana fampielezankevitra tety anaty aterineto nandritry ny fifidianana solombavambahoaka tamin'ny 2010; vokatry ny fahafahana azo tsinontsinoavina ananan'ny firenena raha resaka fidirana amin'ny aterineto, fahalainana nateraky ny sanda lafon'ireo karatra SIM sy ny fomba fihevitra hoe ho voahodinkodina ny vato.
Dimy taona no lasa, ireo orinasa vahiny no nanampy tamin'ny fampidinana ny vidin'ny karatra SIM sy ny fampiasàna finday, ary nitondra izay fanavaozana sahaza mba handresena lahatra ireo antoko politika miisa 90 ny antoko eo amin'ny fitondrana “Union Solidarity and Development Party (USDP)” mba hifaninana amin'ny fifidianana ho avy.
Mizara ny hàfany ety anaty aterineto
Sambany nampiasa ny kaontiny Facebook i Min Zayar Oo, mpirotsaka hofidiana ao amin'ny Antenimiera amin'ny anaran'ny Mon National Party (MNP), hampahafantarany ireo mpanjohy azy hoe eo an-dalam-pandinihana ny momba ny firotsahany hofidiana. Taorian'ny nahatafita azy tamin'ny dingan'ny fanivànana, nampiasainy io mba ho taratasy fampielezankevitra sy fanabeazana ny mpifidy azon'ireo mpifidy idirana ety anaty aterineto.
Efa fotoana ela aho no nampiasa tambajotra sosialy. … Nifandray tsara tamin'ny ankamaroan'ireo kaonty Moulmein aho. Nizara ny torohay avy amiko ihany koa ny olona sasany.
Manondro ny renivohitry ny Mon State i Min Zayar niteny izany.
Saiky ety anaty aterineto ny ankamaroan'ireo mpirotsaka avy amin'ny MNP, hoy izy, tamin'ny fanampiana fa ny sasany amin'ireo zokiolona mpirotsaka avy ao amin'ny antoko izay tsy dia havanana loatra amin'ny resaka teknolojia dia naka tànana tanora mba hitàntana ny kaontin'izy ireo.
Nang Shwe Kyar, mpirotsaka avy amin'ny antoko demaokratika Wun Thar Nu, nilaza fa nampiasa ny kaontiny Facebook amin'ny anaran'ny tenany ho fitaovana hanapariahana be ny fijoro politikany sy ny hetsika iarahany amin'ny daholobe, ary hahazoana fankatoavana ny anarany. Ireo telo hafa mpirotsaka avy amin'ny antoko misy azy koa dia nampiasa ny Facebook ho ampahany amin'ny tetikadiny hanaovana fampielezankevitra, hoy izy.
Enina tapitrisa ny mpampiasa Facebook ao Myanmar
Michael Suantak, mpandrindra ny fandaharanasa iarahana amin'ny Phandeeyar, fikambanana tsy miankina ao an-toerana manohana ny hevitra mitondra fanavaozana sosialy, niteny fa na “tsara fipetraka” aza ny fampiasàna media sosialy mba hanaovana fampielezankevitra ety anaty aterineto, mbola mila sedraina ny mampitombina ny fanentanana tahaka izany.
Manodidina ny 6 tapitrisa eo ny mpampiasa Facebook amin'ireo mponina miisa 51 tapitrisa ao Myanmar, araka ny lazain'i Suantak, izay nilaza fa manodidina ny roa ampahatelon'ireo mpampiasa no monina any amin'ireo tanàna roa midadasika indrindra ao amin'ny firenena, Rangoon sy Mandalay, ary Naypyidaw renivohitra.
Notsipihan'i Suantak fa tsy voatery ho dindon'izay ho vatom-pifidianana amin'ny 8 Novambra ny isan'ny “tiana ” ao amin'ny Facebook. Ny zara fa fahafahana miditra an-tserasera amin'ny media sosialy koa dia midika fa mety ho voafetra ihany ny fahafahana miditra ho an'ny any amin'ny fari-piadidiana any ambanivohitra izay manomne ny isa betsaka indrindra ao amin'ny firenena, hoy izy nanampy.
Raha jerena ireo faritany ety anaty aterineto nodiavin'ireo mpirotsaka amin'ny fifidianana amin'ity taona ity, lazain'i Suantak fa mety hampandringa kely ihqny ny fandefasana sy fandraisana ny vaovao momba ny fifidianana ny tsy fahampian'ny “fahaizana mamaky angon-drakitra”.
“Ireo mpirotsaka ihany no maka sary ny tenany sy mandefa ny soratra. Mila manana tetikady zareo. Eo koa ny tsy fahampian'ny traikefa sy fahalalàn'ny vahoaka amin'ny fanivànana ireo vaovao diso sy ny tena vaovao marina,” hoy i Suantak, nampitandrina fa afaka ampiasaina ihany koa ireo kaonty sandoka mba hanaratsiana mpirotsaka na ihany koa handrisihana korontana.
Manome vaovao ara-potoana ho an'ny mpifidy
Ny filohan'ny Parlemantan'ny Firaisana, Shwe Mann, no lasa olona manana ny lanjany sy hita betsaka ao amin'ny Facebook tato anatin'ny volana vitsivitsy, zavatra izay toa mbola hitohy ihany arakaraky ny fandehan'ny fampielezankevitra ato anatin'ny herinandro vitsivitsy ho avy. Nandritry ny faran'ny herinandro, nampakatra ny sariny avy amin'ny fampielezankevitra iray tany amin'ny toerana nahaterahany, Phyu Township, izy, toerana izay hifaninanany amin'ny USDP haka ny toerana ao amin'ny Antenimiera.
Ho an'i Hla Swe, iray hafa mpanao lalàna avy amin'ny USDP izay manana mpanjohy henjana be ao amin'ny Facebook, resaka famelàna ny mpifidy hahafantatra ny maha-izy azy ny media sosialy. Hoy izy :
Tsy tsara ny tsy mizara ny ataon'ny hafa. Heveriko fa tokony hilaza amin'ny vahoaka ny tokony hatao aho. Izany no antony ampiasako ny Facebook. Ohatra, nandeha tany am-bohitra iray aho, nihaona tamin'ireo mponina ao, naka sary sy nampakatra azy ireny, tamin'ny filazàna fa hiasa ho an'ny filàn'izy ireo.
Ary raha mbola andrasana izay ho fiantraikan'ny Facebook sy ireo sehatra media sosialy hafa amin'ny hazakazaka amin'ny 2015, miteny i Hla Swe fa farafahakeliny mba nahazo izay voatsirambiny amin'ny fomba fandrefesana ny fanehoankevitra niainga avy amin'izay zavatra navoaka izy.
Raha mandefa sata iray aho, dia eo amin'ny “tiana” miisa 2.000 sy fanehoankevitra 100 eo no azoko. Ka amin'ireo, olona 2.000 no mitia ahy, ary 100 ireo tsy tia.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...