Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

21 Septambra 2015

Tantara tamin'ny 21 Septambra 2015

Ginea: Inona No Tsy Maintsy Takiana Amin'ireo Mpirotsaka Ho Filoham-pirenena Nefa Tsy Manana Fandaharanasa?

Ny vinam-piarahamonina dia fifanekena fifamatorana ataon'ny mpitarika politika hanatanteraka izay hetahetan'ny vahoaka vantany vao tonga eo amin'ny fitondrana izy.

Any Myanmar, Mihaza Vatom-pifidianana Amin'ny Alàlan'ny “Tiana” ireo Mpirotsaka Hofidiana

Manoratra ny fomba fampiasàna Facebook ataon'ireo mpirotsaka hofidiana ao Myanmar hahazoana fanohanana avy amin'ny mpifidy i Yen Snaing.

Tsy Eken'ny Firenena Mikambana Ny Pasipaoro Avy Ao Taiwan, Laviny Tsy Hiditra Ny Birao Ao Zeneva

Betsaka ireo teratany avy any Taiwan no nolavina tsy hahazo miditra ny biraon'ny Firenena Mikambana, taorian'ny nilazan'ilay mpandray vahiny fa antontan-taratasy tsy manankery ny pasipaoro navoakan'ny (ROC) Taiwan.

Matin'ny Fisotroan-Drano? Miantraika hatraiza any aminao ny “haintany” ao São Paulo

Hatramin'ny politika ambadiky ny fitantanana ny ranon'i São Paulo ka hatrany amin'ny famitaha-mason'ny rano heverina ho harena tsy mety ritra, asehon'ity andian-tsarimihetsika mitohy an'aterineto ity ny toe-draharaha mafaitra mahazo ny tanàna lehibe indrindra ao Brezila.

Inona No Iraisan'ny Hetsi-panoheran'ny Mpamily Fiarakaretsaka Ao Lisbonne Sy Jakartà ? Uber!

Manao fanamby hametraka ny fotokeviny momba ny fandraharahana amin'ny fiarakaretsaka manerana izao tontolo izao ny Uber. Tena henjana ny fanehoankevitr'ireo Portiogey mpamily fiarakaretsaka : amin'ny fanaovana hetsi-panoherana. Ny mitovy amin'izany no mitranga ao Indonezia.

Veloma, “Online.” Manahoana, HTTPS!

Nandritra ny 10 izahay no niaina tamin'ny anaran-tsehatra izay tsy dia mety loatra. Ny fomba nanovanay izany—sy ny fanovanana ao amin'ny tranonkala rehetra ho afa-miditra avy hatrany amin'ny HTTPS—dia tantaram-pitiavana sy ady.

Vakoka fanjonoana ao Taiwan: Trondro sy afo mandihy ambonin'ny ranomasina

Isan-taona manomboka ny volana mey ka hatramin'ny septambra, dia maro ny andian-trondro milomano amin'ny faritra avaratry ny morondranomasin'i Taiwan. Ampiasaina hihazana azy ireny ny "Afo fanintonana," fombam-panjonoana nentin-drazana iray.