- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Toherin'ireo Mpiaro Zon'Olombelona Ny Didy Fanamelohana Ho Faty Navoakan'ny Fitsarana Saodiana Ho An'ilay Tanora Ali Al-Nimr

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
A drawing raising awareness of Ali al-Nimr's case. Image by Gianluca Costantini.

Kisary hisarihana ny saina ho amin'ny raharaha Ali al-Nimr. Sary avy amin'i Gianluca Costantini [1].

Notaterin'ny [2] gazety mpiseho isanandro Okaz ny 14 Septambra teo fa nankataovin'ny fitsaràna Saodiana iray ny fanamelohana ho faty ny tanora iray 21 taona,. noho ny “nandraisany anjara taminà fihetsiketsehana fanoherana ny governemanta, famelezana mpitandro filaminana, fitànana fitaovam-piadiana sy fandrobàna mitam-piadiana”.

Fony izy voasambotra tamin'ny 12 Febroary 2012, vao 17 taona monja i al-Nimr. Nentina nankany amin'ny fonjan'ny General Directorate of Investigations (GDI) tao Dammam, any amin'ny faritany atsinanana izy. Avy eo nafindra ho an'ny Ministeran'ny Atitany ny raharaha Al-Nimr, raha ny voalazan'i Mohammed al-Nimr rainy, mpikatroka mafàna fo amin'ny politika. Tany amboalohany, ny 27 May ny Fitsarana Manokana misahana ny Heloka Bevava ao Jeddah dia nanameloka an'i al-Nimr ho faty. Araka ireo tatitra [3] tanaty vaovao, dia voalohany, hotapahana ny lohan'i al-Nimr, ary avy eo “ny vatany hahantona ho lò eo ambony tanambokovoko.”

“Toa ‘fiaikena heloka’ nosoniavin'i Ali al-Nimr izay nolazainy fa azo noho ny fampijaliana sy fomba hafa tsy mendrika natao azy no fototra niaingan'ny fitsaràna namoahany ilay fanapahana, ny ftsaràna izay nandà tsy hijery io resaka io,” hoy ny tatitra [4] iray navoakan'ny Amnesty International tamin'ny 2014.

Nokianin'ny rain'ny voampanga ny fomba fandrakofan'ny media ny raharaham-pitsaràna.

Nitatitra ny fakàna am-bavany an'i #Ali_AlNimr [5] sy i #SheikhNimr [6] dadatoany ireo media Saodiana mba hanosehana ny fitantaran-dry zareo natsangana avy aminà zava-noforonina & fiampangàna

Nanamarika tao anatin'ny tatitra [2] nataony ilay gazety mpiseho isanandro Okaz hoe i Ali dia zana-drahalahin'ny Sheikh Nimr al-Nimr, Saodiana Shiita mpitarika fivavahana izay efa notànana am-ponja hatramin'ny Jolay 2012, voaheloka koa ho faty fa nitarika hetsi-panoherana tao Qatif [8] tao anatin'ny nampahavaivay ny Lohataona Arabo tamin'ny 2011.

Navitrika tokoa i Mohammed al-Nimr, rain'i Ali, tamin'ny fandefasana bitsika momba ny antsipirihan'ilay raharaha, nisarika ny saina ho amin'ireo olan'ny zon'olombelona sy ny fanitsakitsahana ny dingana feran'ny lalàna.

Nohamafisin'ny fitsarana tampony & mpandrava didy ny sazy fanamelohana ho faty ho an'ilay tanora #Ali_AlNimr [5] & nafindra ho an'ny Ministeran'ny Atitany #Saodiana [9] ny raharahany

Nandritry ny fanadihadiana an'i #Ali_AlNimr [5], nanoratra fanambaràna kitoatoa nahabe resaka ilay mpanadihady & naka ny lavotondron'i Ali sy nandrahona azy hametrahany izany ho solon'ny hajia

Tao amin'ny fitsaràna, tsy afaka ny nipetraka niaraka tamn'ny olona arovany ny mpisolovava an'i #Ali_AlNimr [5]  & ary nolavin'ny mpanadihady ny didim-pitsaran'ireo mpitsara & nanosika ny fanamelohana ho faty

Tokony ho an'ny an-tsekoly ireo tovolahy tanora toa an'i #Ali_AlNimr [5]  & tsy any am-ponja na any amin'ny fitsaràna izay tsy misy akory ny fenitra farany kely indrindra amin'ny dingana apetraky ny lalàna

Nomelohin'i Eman al-Hakeem, Saodiana iray mpisolovava, ireo fihetsiky ny mpiaro ny zon'ny ankizy manoloana ity raharaha ity :

Mahafantatra momba ny raharaha Ali al-Nimr ireo mpiaro ny zon'ny ankizy, saingy nisafidy ny hangiana ry zareo satria, voalohany indrindra, mpanavakavaka ara-poko, ary faharoa, kanosa velona.

Nibitsika i Waleed Sulais, mpikatroka mafana fo mpiaro zon'olombelona hoe :

Miantso ny Kaomisiona momba ny Zon'Olombelona aho mba hijery ireo dingana rehetra narahana nentina nanenjehana an'i Ali al-Nimr nanomboka tany amin'ny fotoana nisamborana azy ka hatrany amin'ny fanamelohana, sy hitatitra momba azy ity eo anoloan'ny Fitsaran'ny Mpanjaka.

Nampiany hoe :

Ho zava-doza ho an'ny fenitra rehetra mihitsy ny fankatoavana ny sazy fanamelohana ho faty an'i Ali al-Nimr : hamono olona iray nosamborina tamin'ny naha-zaza azy ary tsy nanao “izay heloka bevava tena henjana” mitarika ho any amin'ny fahafatesana.

Tao amin'ny Twitter , nizara lahatsary [19]iray i Fatima Kareem, ahitàna an'i al-Nimr nifanazava tamin'ny polisy izay nandrahona ny hitifitra azy. Nandrakitra azy ireo tanaty lahatsary izy raha iny ry zareo nijery tany amin'ny tranony iny :

Ao anatin'ilay lahatsary dia niteny i Ali hoe : Tsy manana na inona na inona afa-tsy ny ‘camera’ aho. Nijery taty an-tranoko ianareo ary izany no antony fandraketako an-tsary anareo.

Ho ampiharina avy hatrany ny famonoana an'i [20] al-Nimr raha vantany vao manamafy ilay sazy ny Mpanjaka Saodiana.

Araka ny voalazan'ny Amnesty International “Iray amin'ireo firenena tena mpampihatra ny fanamelohana ho faty eto ambonin'ny tany i Arabia Saodita, namono olona maherin'ny 2.200 teo anelanelan'ny 1985 sy 2015. Teo anelanelan'ny Janoary sy ny faran'ny Aogositra, olona 130 raha kely no novonoiny, efa ho ny antsasak'izy ireo no tsy mahafeno akory ny faniratsirana tafahoatra ny tokony ho izy momba ny “heloka bevava tena henjana” izay azo ampiharana ny sazy fanamelohana ho faty mifanaraka amin'ny lalàna iraisampirenena.”