- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hanihany Amin'ny Vata Fampangatsiahana, Mamazivazy Fitiavan-tanindrazana Tafahoatra Ao Shina

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka
A Cultural Revolution propaganda poster. Public domain.

Afisin'ny fampielezan-kevitra Revolisiona Ara-kolontsaina. Azon'ny rehetra ampiasaina

Nahazo ompa tao amin'ny aterineto [1] ilay mpihira Amerikana-Taiwaney malaza Christine Fan tamin'ny herinandro lasa rehefa avy nampiditra ny sarin'ny zanany kambana nandritra ny matson'ny miaramila tamin'ny Ady Lehibe Faha-2 tao Shina. Ny heloka vitany, araka ny resabe dia noho izy tsy dia tia tanindrazana loatra, na dia Amerikana aza ny zom-pirenen'i Fan ary tsy tanindrazany i Shina

Nofafan'i Fan tamin'ny farany ny sary ary niala tsiny izy. Manelingelina ny Shinoa maro ny fampisehoana fankahalana amin'ny anaran'ny fitiavam-pirenena, indrindra amin'ny fotoanan'ny matso izay natao hanasongadinana ny fahavonan'i Shina hiady amin'ny fasisma tamin'ny vanim-potoana, izay nampiroborobo ny endrika mahery vaikan'ny nasionalisma.

Ho an'ny sasany, fampahatsiahivana ny fomba fiteny malaza nampiasaina nandritra ny Revolisiona Ara-kolotsaina, hetsika ara-politika mahery vaika tamin'ny 1960 sy 1970 izay nikendry hametraka indray ny fahefan'ny Antoko Kaomonista Shinoa sy handroaka ireo tsy irina ao amin'ny fiarahamonina izany. Midika izany fa na dia ireo lohahevitra mahazatra indrindra amin’ny resaka aza dia manomboka amin'ny fanambarana mitafotafo momba ny fitiavan-tanindrazan'ny tsirairay.

Nidiran'ny fitaovana an-dakozia ny fitiavan-tanindrazana Shinoa

Rehefa voavelively i Fan, dia naka tahaka izany karazana firesahana amin'ny media sosialy Shinoa malaza, Weibo, izany ilay mpanoratra malaza Li Haiping :

祖国万岁,谁知道,什么牌子有又宽又扁的冰箱?

Ho ela velona anie ny tanindrazana, iza no mahafantatra orinasa mivarotra vata fampangatsiahana malalaka sady fisaka?

Nahasarika valinteny an'arivony nosoratana tamin'ny endrika mitovy aminy ny fanontaniana. Indrisy, nofafan'ireo mpanivana haingana ny lahatsoratra noho izy tsy marina ara-politika. Ankoatra ny fanivanana ireo teny saropady, mety hamafana lahatsoratra mora foana ihany koa ny tatitra avy amin'ny olona tahaka ny “mpilatsaka an-tsitrapo ara-tsivilizasiona” amin'ny votoaty saropady ara-politika. Naverina nadika [2]tao amin'ny China Digital Times ny votoaty sasany ary nofantenana nadika hita eto ambany :

支持国货抵制日货,全民一起看阅兵!冰箱我觉得还是松下的好……

Tohano ny vokatra ao an-toerana ary ialao ny vokatra Japoney, tokony hijery ny matson'ny miaramila ny rehetra! mbola mahatsiaro ihany aho fa tsara kokoa ny vata fampangatsiahana Panasonic……

共产党最好!海尔BCD-521WDPW大概65公分厚的对开门冰箱,基本是最薄了

Ny antoko kaomonista no tsara indrindra! Manana haavo eo amin'ny 65 sentimetatra ny vata fampangatsiahana Haier, ny fisaka indrindra

一切帝国主义都是纸老虎。中国制造不要买。

Tigra taratasy ny imperialista rehetra. Aza mividy vokatra vita Shinoa [anisan'izany ny vata fampangatsiahana].

阶级斗争一抓就灵。海信有一款,不过门关不紧?

Mahomby hatrany ny ain-tsaranga. Iray amin'izany ny Hisense, saingy ny varavarana no tsy hakatona mafy?

Ny zava-dozan'ny fitiavan-tanindrazana tafahoatra

Tao amin'ny Weibo, profesora Hu Xingdou ao amin'ny Oniversiten'i Beijing nanazava [3] fa ny fironana amin'ny fitiavan-tanindrazana tafahoatra dia mampidi-doza ara-tantara:

记者问艺人被网友围攻事件,我(胡星斗)说由于愚昧无知,极端的爱国主义如义和团、希特勒纳粹具有极大的破坏力,往往走向极端民族主义、法西斯主义。极端爱国主义、民族主义是当前中国最大的危险。有责任感的政治家应制止其蔓延,回归人类文明的普世价值,防止国家再次走上义和团、文革的邪路。

Raha nanontaniana momba ny raharahan'ilay mpihira niharan'ny herisetran'ny mpiserasera aho dia namaly fa ny fitiavan-tanindrazana tafahoatra tsy misy fahalalana tahaka ny mpanao ady totohondry sy Nazi no manana fahefana fandravaravana sy mitarika hatrany any amin'ny nasionalisma sy ny fasisma tafahoatra. Loza goavana indrindra ho an'i Shina ankehitriny ny fitiavan-tanindrazana sy ny fanindrahindram-pirenena tafahoatra. Tokony hatsahatr'ireo mpanao politika tompon'andraikitra ny fielezan'izany ary tarihina ny olona hiverina any amin'ny soatoavina manerantanin'ny olombelona, ​​manakana ny firenena tsy hivarina any amin'ny lalan-dratsin'ny mpanao ay totohondry na Revolisiona ara-Kolontsaina.

Ny Fikomian'ny mpanao ay totohondry (1899 sy 1901) dia fikomiana manohitra ny imperialista amin'ny fiezahana mandroaka ny vahiny rehetra tao Shina amin'ny alalan'ny herisetra. Nokarakaraina amin'ny endrika fikambanana ara-pivavahana miafina ny mpanao ady totohondry, antsoina hoe Yihequan izay midika hoe “Totohondry Marina sy Mirindra” amin'ny teny shinoa ary nanomboka nanafika ireo vahiny amin'ny alina ao amin'ireo tanàna lehibe izy ireo mba haneho ny fahatezerany amin'ny fananiham-bohitry ny vahiny.

Naverin'ny [4]maro ny hevitr'i Hu, tahaka ilay mpanao matoandahatsoratry ny Financial Times ao Shina “Bitro Anti-Maola”:

法西斯分子在亢奋之余歇斯底里地逼人爱国——爱他们主子的国家。在中国,不爱国竟然是一桩罪。

Manery amim-pihorakorahana ny hafa ho tia ny fireneny- ho tia ny firenen'ny lehiben'izy ireo ny fasista. Mahagaga fa lasa heloka bevava ao Shina ny tsy fitiavan-tanindrazana.

Fascists hysterically force others to love the country — love their master’s country. Being unpatriotic surprisingly becomes a crime in China.

Matahotra ny sasany ao Shina fa ny fitiavan-tanindrazana dradradrain'ireo mpilatsaka an-tsitrapo ara-tsivilizasiona an-tapitrisany” ao amin'ny aterineto [5] eo ambany fitantanan'ny Ligin'ny Tanora Kaomonista dia mety hampiroborobo ny fitomboan'ny fahefana elatra ankavia sy mitarika ny fitsanganan'ny Revolisiona Ara-kolotsaina indray. Amin'ny alalan'ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana mahery setra ataon'izy ireo, manasa ireo olona ireo mba handinika ny fieritreretany mahatsikaiky manokan'izy ireo tsirairay avy i Li Haipeng. Eo ny fanantenana hahazoana an-tsaina ny tantara – sy ny mampihomehy.