Tsy Heloka Ny Marina: Fanomezam-boninahitr'i Okraina Ho An'ilay Mpanao Gazety Lavo – Gongadze

An activist holds a candle at a rally in memory of murdered journalist Georgiy Gongadze on September 16 in Kyiv. Photo by Christopher Miller on Twitter.

Mpikatroka iray mitàna jiro tao amin'ny famoriam-bahoaka iray natao ny 16 Septambra 2015 tao Kiev ho fahatsiarovana ilay mpanao gazety nisy namono, Georgiy Gongadze. Sary avy amin'i Christopher Miller to amin'ny Twitter.

Ny harivan'ny 16 Septambra 2000, nanjavona ary tsy hita intsony indray i Georgiy Gongadze, Okrainiana iray fanta-daza, mpanao gazety miasa tena sady mpanorina ny vohikala Ukrainska Pravda (Ny Marina Okrainiana). Ny 2 Novambra tamin'io taona io ihany, hita tany anatin'ny alan'i Tarashansky, tsy lavitra ny renivohitr'i Okraina ny vatany notapahan-doha.

Myroslava, vady navelan'i Gongadze, ary mpanao gazety ihany koa, dia nampahatsiahy ny zava-nisy tamin'io andro io, tao anaty lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook.

15 років тому сьогодні була субота. Я прокинулась рано, треба було збиратись на конференцію в Пущі. День був гарний, вирішила взяти з собою дітей. Він ще спав, поки я збирала дітей. Перед виходом я його розбудила, щоб попрощатись. Він прокинувся і сказав, що ми не підемо поки він не проведе з дітьми урок англійської і грузинської. Діти нили, бо налаштувалися іти. Але він настояв. Ми вийшли лише через годину і домовившись, що повернемось десь біля 10. Коли ми повернутись , двері в квартиру були зачинені, він ніколи не повернувся додому…… Є дні , які пам'ятаєш по хвилинах, сьогодні, 15 річної давнини, саме такий день. Серце розривається.

15 taona lasa androany izao, andro Sabotsy izy izay. Nifoha vao maraina aho, fa tsy maintsy hamonjy fihaonambe tao Pushcha. Tsara ny andro, ka dia nanapaka hevitra hitondra ny ankizy hiaraka tamiko aho. Izy mbola natory raha izaho kosa nanomana ny ankizy. Talohan'ny nialàna, nofohaziko izy hifanao veloma. Nifoha izy sady niteny fa tsy mahazo miala eo izahay raha tsy efa mahazo teny Anglisy sy Zeorziana avy amin'ny ankizy izy. Nitaraina ny ankizy, satria efa samy vonona ny handeha daholo izy rehetra. Nefa nisisika izy. Ora iray taorian'izay izahay vao afaka niainga ary niteny fa manodidina ny amin'ny 10 eo no mety ho tafaverina. Rehefa tafaverina izahay, nikatona ny varavarana mankao an'efitrano, ary tsy niverina intsony mihitsy izy… Misy ireo andro izay tsoaranao isaky ny minitra mandalo, ary iray amin'ireny ny androany, andro iray 15 taona tany aloha tany. Vaky ny foko.

15 taona taorian'ny namonoana azy, tsy mbola fantatra na hitan'ireo mpanadihady izay nanome ny baiko namonoana an'i Gongadze, na nisy petrakevitra marobe aza. Ilay olona nanatanteraka ny heloka—Oleksiy Pukach, filoha fahiny tao amin'ny fanarahamaso ivelany tao amin'ny Ministeran'ny Atitany—efa voaheloka ary nomen'ny fitsarana didy famonjàna mandrapahafatiny, saingy nandà ny saziny.

Lasa mariky ny mbola fitohizan'ny tsy fahazoana antoka ho an'ny asa fanaovana gazety miahy tena ao Okraina ny fiainana sy fahafatesan'i Gongadze. Araka ny voalazan'ny IMI, media Okrainiana tsy mikatsaka tombontsoa, Okrainiana 64 mpanao gazety no namoy ny ainy nandritry ny taonan'ny fahaleovantenan'i Okraina nanomboka ny 1991. Tamin'ity taona ity, tamin'ny fitambaran'ireo mpanao gazety fito maty nisy namono tao Okraina (ny ankamaroany dia tany amin'ny faritra misy fifandirana any atsinanan'i Okraina) dia Okrainiana ny iray, Serhiy Nikolayev, mpitatitra vaovao an-tsary izay maty noho ny ratra azony tamin'ny fipitihan'ny potika zava-mipoaka.

Isantaona, ny 16 Septambra, andro nanjavonan'i Gongadze, manao hetsika fahatsiarovana imasom-bahoaka ireo Okrainiana mpanao gazety mba hisarihana ny saina amin'ny tranga nanjo azy sy ireo aina hafa nafoin'ireo mpiasan'ny media. Tamin'ity taona ity, nisafidy ny hifamory ry zareo, teo ambanin'ny teny faneva hoe “Raiso ho fiadianao ny marina” ary niantso ireo mpampiasa aterineto mba hamoaka lahatsoratra momba an'i Gongadze sy ireo mpanangona vaovao hafa, amin'ny fampiasàna ny tenifototra #truthisnotacrime.

Ao anaty lahatsary fohy iray, Okrainiana fantadaza iray mpanao gazety no niantso ireo olom-pirenena mba hanome voninahitra ny fahatsiarovana an'i Gongadze sy ireo hafa mpanangona vaovao lavo, ary hijoro amin'ny toeran'izy ireny hitaky ny rariny. “An-taratasy ihany no miaro antsika ny lalàna, fa raha ny zavatra iainana dia isika ihany no afaka miaro ny tenantsika sy isika samy isika. Aza adino izany.”

Nisy fahatsiarovana imasom-bahoaka natao tao Kiev sy tany amin'ireo tanàna Okrainiana hafa, nahitàna vahoaka nifamory tao afovoan-tanàna, nandrehitra jiro, nikabary, nankasitraka an'i Gongadze sy nitanisa ny anaran'ireo Okrainiana hafa mpanao gazety lavo teny an-tany fiadiana na niaritra ny mafy noho ny asan'izy ireo.

Kiev manome voninahitra ny fahatsiarovana ilay mpanao gazety, Gongadze.

#Kharkov #Gongadze #mpanaogazety

Mpikatroka mafana fo nametraka sorabaventy teo amin'ny arabe Instytutska. “Georgiy, tsy nanadino izahay.”

Nankalaza ihany koa ny fahatsiarovana an'i Gongadze ireo mpitatitra vaovao sy mpanohana tany amin'ireo firenena hafa .

ireo mpiray dabilio amin'i @JSKstanford manohana ny fahatsiarovana an'i Georgiy, ilay Okr mpanao gazety

Marobe ireo mpanao gazety sy Okrainiana hafa nanatevina laharana ny hetsika tao amin'ny media sosialy, anisan'izany ny tafiotra iray tao amin'ny Twitter nanodidina ny tenifototra #truthisnotacrime, natao hisarihana ny saina ho amin'ireo loza mitatao amin'ny asa fanaovana gazety tsy miankina ao Okraina.

Tsy hanadino izahay.

#ItyAndroIty Ny 16 Septambra 2000 no hita velona farany i Georgiy Gongadze. Nanova ny asa fanaovana gazety Okrainiana izy, nanova an'i Okraina ny fahafatesany.

Mariky ny adin'ireo Okrainiana mpanao gazety hitakiana ny fahalalahana maneho hevitra i Gongadze. Mahatsiaro izahay.

Ilay namana, olon-tiana, vady, rain-janakay, mpanao gazety, tia tanindrazana, mpikatroka mafàna fo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.